Toko faha limy

1 Fotony nohamarigny tamin'ny finoa tsika, la mana fiadagna misondry amin'Andranagnahary amin'ny alalan'ny Tompontsika Jesosy Kristy. 2 Amin'ny alalan'ny finoa mankao amin'izay fahasoava zay ijoroantsika izay. Mifalia amin'ny fahatokia omean'Andranagnahary anay amin'ny ho avy izahay, fahatokia zay ho zarantsika ao amin'ny voninahitri_Dranagnahary. 3 Tsy amin'izay avao, fa tsika avao koa la mifaly ao amin'ny fahoriantsika. Haintsika fa gny fahoria la mamokatsy fahareta. 4 Gny fahareta miteraky fankatoava, sady gny fankatoava miteraky fahatokia ho amin'ny hoavy. 5 Izay toky izay la tsy mandiso fanantegna, satria gny fitiavan'Andranagnahary la fa narotsaky tao am-pontsika tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masy, zay nomea antsika. 6 Fa laha mbo nalemy tsika, la maty ara-potoa ho gnan'ny raty fagnahy Kristy. 7 Fa sarotsy ho gnan'ny raiky gny ho maty ho gnan'ny olo-marina. Fa, vasa mety misy olo raiky mahasaky ho maty ho gnan'ny olo soa. 8 Fa Ndranagnahary maneho gny fitiavany manoka ho gnantsika, satria laha mbo mpanota tsika, la maty ho gnantsika Kristy. 9 Lisatsy noho izay aza, amizao. Lafa nohamarigny tamin'ny rany tsika, la ho voavonjign'izay amin'ny fahatezeran'Andranagnahary. 10 Fa laha, mbo fahavalo tsika, la nihava tamin'Andranagnahary tamin'ny alalan'ny fahafatesan'ny Anany, sady lisatsy noho izay, lafa baka nampihagny, la ho voavonjy amin'ny alalan'ny gnainy tsika. 11 Sady tsy izay avao, fa tsika avao koa laa mifaly ao amin'Andranagnahary amin'ny alalan'i Tompontsika Jesosy Kristy, zay nahazoantsika izay fihavagna izay amizao. 12 Lafa izay moa, manahaky gny niliran'ny ota tamin'ny olo raiky tamin'izao tontolo zao, la manahaky izay koa ro niliran'ny fahafatesa tamin'ny alalan'ny ota. Sady gny fahafatesa la niely tamin'ny olo iaby, satria samby nanota iaby gny olo iaby. 13 Nandra-pisian'ny lalagna, la teto amin'izao tontolo zao gny ota, fa tsy misy fanisan-keloky lafa tsy misy lalagna. 14 Nefa na izay, gny fahafatesa la anajaka nanomboky tamin'i Adama ka zisikamin'i Mosesy, na la teo amin'ireo zay tsy nanota manahaky gny tsy fankatoavan'i Adama aza, zay tandindogny gnazy ho avy. 15 Nefa na izay aza, gny fagnomeza la tsy manahaky gny fahadisoa. Fa laha tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny raiky ro nahafaty gny maro, la lisatsy mare ro nataon'ny fahasoavan'Andranagnahary voho gny fagnomeza bakamin'ny fahasoavagn'Ny olo raiky, Jesosy Kristy, nomea maro ho gnan'ny maro. 16 Fa gny fagnomeza la tsy manahaky gny vokatsy bakamign'ny raiky zay nanota. Fa amin'ny lafiny raiky, avy gny fitsara ho fagnameloha nohon'ny fahadisoan'ny olo raiky. Fa amin'ny lafiny raiky hafa, gny fagnomeza miafara amin'ny fanamarigna la avy tafaran'ny fahadisoa maro. 17 Fa laha, tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny raiky, ro hanjakan'ny fahafatesa amin'ny raiky, la lisatsy mare noho izay gny hanjakan'ireo zay mandramby gny habevatan'ny fahasoava voho gny fagnomezan'ny fahamarina amin'ny alalan'ny fiaignagn'ny raiky, la Jesosy Kristy. 18 Lafa izay moa, satria tamin'ny alalan'ny fahadisoan'ny raiky ro nahavy gny olo ho amin'ny fagnameloha, la amin'ny alalan'ny asan'ny fahamarignan'ny raiky avao koa ro hahavian'ny fahamarigna gny fiaigna ho an'ny olo iaby. 19 Fa satria bakamin'ny fankatoavan'ny olo raiky ro nahavy gny maro ho mpanota, la amin'ny alalan'ny fankatoavan'ny raiky avao koa ro hahavy gny maro ho marina. 20 Fa avy tao amin'izay gny lalagna, mba ho bevata gny fahadisoa. Nefa laha nihabevata gny fahota, la vao maiky nihabevata gny fahasoava. 21 Niseho izay mba, manahaky gny nanjakan'ny fahota tamin'ny fahafatesa, la manahaky izay koa ro hanjan'ny fahasoava amin'ny fiaigna mandrakizay amin'ny Jesosy Kristy Tompontsika.