Tompo faha efatsy

1 Ino moa ro ho volagnintsika fa jerin'iAbrahama, babantsika tagny aloha gny nofo? 2 Fa laha nohamarigny tamin'ny asa Abrahama, la nana antony hirehareha ie, nefa tsy eo agnatrehan'Andranagnahary. 3 Fa ino ro ambaran'ny Soratsy Masy? "Abrahama la nino agn'Andranagnahary, sady nisay ho fahamarigna izay." 4 Sady ho gnan'izay miasa, gny karamany la tsy isay ho fahasoava, fa hanahaky zay trosa. 5 Fa ho gnan'izay tsy miasa koa nefa mino gnan'Ny raiky zay manamarina gny mpanohitsy agn'Andranagnahary, la isay ho fahamarigna gny finoa. 6 Davida avao koa la manogno tso-drano amin'ny olo zay isain'Andranagnahary ho marina nefa tsy miasa. 7 Hoy ie hoe:"Sambatsy reo zay voavela gny helony, sady koa reo zay voasaro gny fahotany. 8 Sambatsy zay tsy hisain'ny Tompo heloky." 9 Amin'ireo voafora avao koa va ro hagnonogna izay tso-drano izay, sa amin'ireo tsy voafora koa? Fa hoy tsika hoe:"Gny finoa la nisain'i Abrahama ho fahamarigna." 10 Ka manao akory ro nanisa izay? Tamin'i Abrahama fa voafora, sa tamin'ie tsy mbo voafora? Tsy tamin'ie fa voafora fa tamin'ie mbo tsy voafora. 11 Abrahama la nandramby gny famantaran'ny famora. Izay la mariky gny fahamarignan'ny finoa zay fa nanagnany laha mbo tsy voafora ie. Gny valin'izay famantara izay la lasa baban'izay mino iaby ie, na la mbo tsy voafora aza rozy. Midika izay fa gny fahamarigna la ho isay fa ho gnan-drozy. 12 Nidika koa izay fa Abrahama la lasa baban'ny voafora tsy ho an'ireo zay voafora raiky avao fa ho gnan'ireo zay magnaraky gny lian'ny finoan'i Abrahama babantsika avao koa talohan'ny tsy mbo naha-voafora gnazy. 13 Fa gny fampanantegna tamin'i Abrahama voho reo taranakiny fa ho mpandova zao tontolo zao ie la tsy bakamin'ny alalan'ny lalagna fa bakamin'ny fahamarignan'ny finoa. 14 Fa laha reo zay miay amin'ny lalagna ro mpandova, la ho tsy hisy gny finoa, sady tsy misy dikany gny fampanantegna. 15 Satria gny didy la manday amin'ny fahatezera, fa agny amin'izay tsy misy lalagna, la tsy misy fandikan-dalagna. 16 Lafa izay antony zay la miseho amin'ny finoa izay, mba hipetrahan'ny fampanantegna amin'ny fahasoava sady ho azo antoky amin'ireo taranak'i Abrahama iaby_ tsy ho gnan'ireo zay ambanin'ny lalagna avao, fa ho gnan'ireo zay mizara gny finoan'i Abrahama avao koa. Babantsika iaby ie, 17 araky gny voaresaky hoe:" Nataoko ho baban'ny firenena maro iha." Teo amin'ny fagnatrehagn'Ny nitokiany Abrahama, la, Ndranagnahary izay, zay magnome fiaigna reo maty sady mikaiky reo raha tsy mbo misy mba hisy. 18 Na la teo aza reo raha nitranga ivelany, la natoky tanteraky an'Andranagnahary i Abrahama amin'ny ho avy. Ka lasa baban'ny firenena maro ie, araky zay fa voaresaky hoe:"Ho manahaky izay gny taranakao." 19 Tsy nalemy tamin'ny finoa ie. Hain'i Abrahama fa tsy afaky gny hanagn-anaky ie (fotony teo amin'ny zato tao teo ie). Nanaiky avao koa ie fa gny kibon'i Saraha la tsy afaky gny handay vohoky sasy. 20 Nefa nohon'ny fampanantegnan'Andranagnahary, la tsy nisalasala tamin'ny tsy finoa i Abrahama. Fa koa, niha-henja tamin'ny finoa ie sady nidera an'Andranagnahary ie fa zay nampanantegnain'Andranagnahary, la afaky tanterahiny avao koa. 22 Lafa izay la nisay ho gnazy ho fahamarina izay. 23 Sady la tsy nosorata ho gnan'ny tombotsoany raiky avao zay, fa nisay ho azy iazy. 24 Nosorata ho gnantsika avao koa izay, ho gnan'izay hanisaha izay, tsika zay mino Gnazy zay nananga an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty. 25 Ie Gny raiky natolotsy noho reo fahotantsika sady antsanga mba hanamarina antsika.