Toko fahatelo

1 Ka ino moa zany ro tombon-tsoa anagnan'ny Jiosy? Sady ino ro tombon-tsoain'ny famorana? 2 Soa zay amin'ny fomba iaby. Voalohany mare, reo Jiosy la nanankigna gny fagnambara bakamin'Andranagnahary. 3 Fa ahoa laha tsy nanam-pinoa reo Jiosy sasany? Gny tsy finoan-drozy va ro hahavy gny fahatokian'Andranagnahary tsy ho tanteraky? 4 Tsy hisy mihitsy lahy zay. Fa koa, engao ho hita fa marina Ndranagnahary, na la mpavandy aza gny olo iaby. Araky gny voasoratsy hoe:"Ho aseho amin'ny volanareo fa olo-marina nareo, sady aseho lafa avy amin'ny fitsara nareo." 5 Fa laha manahaky gny tsy fahamarignantsika ro maneho gny fahamarignan'Andranagnahary, ino ro azontsika hambara? Afaky mivola va tsika fa tsy marina Ndranagnahary amin'ny fampiboahany gny hahamelohany amintsika, sa tsy izay? (Mampiasa lahategnin'olombelo aho.) 6 Tsy hisy velively lahy zay! Satria amin'ny fomba ahoa zany ro hitsaran'Andranagnahary gnan'izao tontolo izao? 7 Fa laha manahaky gny fahamarignan'Andranagnahary ka magnome fidera maro ho Gnazy amin'ny alalan'ny vandiko, la nahoa zany aho ro mbo tsaray ho mpanota? 8 Fa nahoa ro tsy mivola, araky gny tatitsy diso zay volagny fa volagnintsika, sady koa araky gny hamafisin'ny sasany fa novolagnintsika hoe:"Engao zahay hanao raty, mba hiavian'ny soa"? Rariny gny fitsara atao amin-drozy. 9 Ka ino moa? Magnome rariny gny vatantsika va tsika? Tsy izay velively. Fa tsika la fa nagnameloky gny Jiosy voho gny Grika, ie iaby, ho mpanota. 10 Izay la araky gny voasoaratsy hoe:"Tsy misy olo-marina, na la raiky aza. 11 Tsy misy na raiky aza mahay. Tsy misy na raiky aza mila agn'Andranagnahary. 12 Lasa nisitaky iaby ie iaby. Lasa tsy misy ila gnazy ie iaby. Tsy misy mba manao gny soa, tsy misy, na la raiky avao aza. 13 Gny tendan-drozy la fasa misokatsy. Gny lelan-drozy la mamitaky. Gny poizin'ireo bibilava la ao ambanin'ny sognin-drozy. 14 Gny vavan-drozy la feno ozo voho lolom-po. 15 Gny tombokin-drozy havagna amin'ny fandatsaha-dio. 16 Gny fanimba voho gny fijalia la egny amin'ny lalan-drozy. 17 Regny olo regny la tsy nahay gny lalan'ny fiadagna. 18 Tsy mba misy tahotsy agn'Andranagnahary eo agnatreahan'ny fijerin-drozy." 19 Amizao la haintsika fa na ino na ino volagnin'ny lalagna, la miantefa agny amin'ireo zay ambany lalagna. Izay la mba hahavy gny vavan'ny olo iaby tsy hivola, sady mba hahazo valiny bakamin'Andranagnahary zao tontolo zao. 20 Izay la fotony tsy hisy nofo hohamarigny amin'ny asan'ny lalagna eo agnatrehany. Fa amin'ny alalan'ny lalagna ro hiavian'ny fahaiza gny fahota. 21 Fa amizao la nampahaizy avao koa gny fahamarignan'Andranagnahary tsy amin'ny lalagna. Noporofoin'ny lalagna voho reo mpaminany, 22 fa izay, ro fahamarignan'Andranagnahary amin'ny alalan'ny finoa gnan'i Jesosy Kristy ho gnan'izay iaby mino. Fotony tsy misy fagnavaha. 23 Fa nanota gny olo-iaby ka tsy mana gny voninahits'Andranagnahary, 24 sady rozy la hagnamary maimaimpoa amin'ny fahasoavany amin'ny fagnavota zay ao amin'i Kristy Jesosy. 25 Fa Ndranagnahary nagnome gna'i Kristy Jesosy ho fagnatitsy amin'ny alalan'ny finoa gny rany. Natolony ho porofon'ny fahamarignany Kristy, nohon'ny tsy fijereny gny ota tagny aloha 26 amin'ny faharetany. Niseho izay rehetra izay ho fampisehoa gny fahamarignany amin'izao fotoa henaniky zao. Izay la mba hahazoany magnaporofo fa marina gny vatany, sady hanehoa fa Ie la magnamary gny iaby noho gny finoa gnan'i Jesosy. 27 Aia ary zay gny firehareha? Voafafa izay. Fa ino ro antony? Amy gny asa va? Aha, fa nohon'ny finoa. 28 Izay tsija fa gny olo raiky la hamarigny araky gny ginoa fdy misy reo asan'ny lalagna. 29 Sa Ndranagnahary gny Jiosy raiky avao va Ndranagnahary? ka tsy Ndranagnahan'ireo Jentilisa koa va Ie? Eka, gnan'ny Jentilisa koa. 30 Laha, raiky vatany Ndranagnahary, la hohamarigniny amin'ny finoa reo voafora, sady reo tsy voafora koa amin'ny alalan'ny finoa. 31 Foagnantsika amin'ny alalan'ny finoa sady va izay gny lalagna? Tsy hisy vatany lahy zay! Fa koa, mankato gny lalagna tsika.