Toko faha 2

1 Noho zay la tsy mana fialan-tsiny iha, olo,ze mitsara,fa ze itsaranao gny hafa ro agnelofa gnanao.Fa iha ze mitsara la manao gna'irreo avao koa. 2 Fe haintsika fa gny fitsaran-Ndranagnahary la araky gny to lafa lavo amin'ireo ze manao raha manahaky gnan'ireo. 3 Fa vetsevetseo zao,ry olo,iha ze mitsara reo ze manao raha manahaky gnan'ireo ndra la manao raha manahaky gnan'ireo koa aza iha.Handositsy gny fitsara Ndranagnahary va iha? 4 Sa ankamoranao gny haregnan'y hasoam-pagnahiny,gny fandeferany voho gny faharetany?Tsy hianao va fa gny hasoafagnahiny la natao hitariky gnanao amin'ny fibebaha? 5 Fa izay la ho amin'ny habevatan'ny hamafy voho tsy fibebahan'ny fonareo ro anangognanareo fahameloha ho gnan'ny vatanareo amin'ny andro fahameloha, izay la, gny andron'ny fanehoa gny fitsara marin'Andranagnahary. 6 Hamaly gny olo iaby amin'ny fatra mitovy amin'ireo nataony Ie:" 7 Hagnome araky gny fahareta, gny asa soa mila dera, voninahitsy, gny tsy fahafatesa, fiaigna mandrakizay Ie. 8 Fa ho gnan'ireo zay mila ho gnan'ny vatany, zay tsy mankato gny marina fa mankatobgny tsy fahamarigna, la ho avy gny fahameloha voho gny fasika. 9 Andranagnahary la handay fahoria voho fahantra amin'ny fagnahin'ny olo iaby zay nano raty, amin'ny Jiosy aloha, sady amin'ny Grika avao koa. 10 fa dera, laza, sady fiadagna ro ho bakamin'ireo zay manao gny soa, amin'ny Jiosy aloha, sady amin'ny Grika avao koa. 11 Fa tsy misy fiangara misondry amin'Andranagnahary. 12 Fa zay iaby nanota tsy nana gny lalagna la ho trobo tsy mana lalagna avao koa, sady zay iaby nanota nisondry tamin'ny fanaja gny lalagna la ho tsaray araky gny lalagna. 13 Fa tsy reo mpahajanjy gny lalagna ro marina eo agnatrehan'Andranagnahary, fa reo zay mampihatra gny lalagna ro nahamarigny. 14 fa reo Jentilisa, zay tsy mana gny lalagna, lafa manao gny raha mahakasikin'ny lalagna araky gny voajanahary, la rozy ro lalagna ho gnan'ny vatany, na la tsy mana gny lalagna aza rozy. 15 Amin'izay ro anehoan-drozy fa gny asa angatahin'ny lalagna la voasoratsy ao am-pon-drozy. Gny fieretseretan-drozy avao koa la vavolombelo ho gnan-drozy, sady gny fisaignan-drozy manoka la na manameloky na miaro gnan-drozy amin'ny vatan-drozy 16 sady koa amin'Andranagnahary. Izay la hitranga amin'ny andro zay hitsaran'Andranagnahary reo tsiambaratelon'ny olo iaby, araky gny filazantsarako, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 17 Fa laha ohatsy ka Jiosy ro hikaihanao gny vatanao sady mianky amin'ny lalagna voho mirehareha ao amin' Andranagnahary, 18 sady mahay gny sitrapony voho mamantatsy zay raha soa mare satria nampinary tamin'ny lalagna iha; 19 sady laha ohatsy ka resy lahatsy iha fa gny vatanao la mpitariky gny jiky, fahazava ho gnan'ireo zay ao amin'ny maiky, 20 mpagnitsy gny gnagna, mpampagnanatsy gny ajakelikely, sady anagnanao ao amin'ny lalagna gny endriky gny fahaiza voho gny marina, la ahoa izay ro fiantraikan'izay amin'ny fomba hiaignanao gny fiaignanao? 21 Sady iha zay mampianatsy reo sasany, tsy mampianatsy gny vatanao va iha? Iha zay mitory manohitsy gny halatsy, mangalatsy va iha? 22 Iha zay mivola fa tsy tokony hijangajanga, mijangajagna va iha ? Iha magnaraty gny sampy, mandroba reo tempoly va iha? 23 Iha zay faly mirehareha ao amin'ny lalagna, mangala-baraka gnan'Andranagnahry va iha amin'io fandikanao gny lalagna io? 24 Fa "gny agnaran'Andranagnahary la fa afa-baraka teo amin'ireo Jentilisa noho nareo," araky zay fa voasoratsy. 25 Fa mahazo tombony amin'ny famora vatany nareo laha toa ka mankato gny lalagna, fa laha mandika gny lalagna nareo, la lasa tsy voafora na la fa voafora aza nareo. 26 Arak'izay, laha olo tsy voafora ro mitandry zay takian'ny lalagna, tsy hatao ho isan'ny voafora va ie na la tsy voafora aza? 27 Sady tsy ho helofagn'Ny raiky zay tsy mifora ara-boajanahary va nnareo laha mitandry gny lalagna ie? Izay la satria mana gny lalagna voasoratsy voho gny savatsy nareo, nefa mbo mandika gny lalagna! 28 Fa ie la tsy Jiosy amin'ny endriky iv elany avao; na amin'ny savatsy zay miseho amin'ny endriky ivelan'ny nofo avao. 29 Fa ie la Jiosy ao agnaty, sady gny famora zay gnan'ny fo, ao amin'ny Fagnahay, fa tsy ao amin'ny soratsy. Gny fidera gny olo manahaky izay la tsy bakamin'ny olo fa bakamin'Andranagnahary.