Toko faha folo

1 Rahalahy, gny irin'ny foko voho gny angatahiko amin'Andranagnahary ho an-drozy, la gny famonjea gnan-drozy. 2 fa mijoro vavolombelo mahakasiky gnan-drozy aho fa mafana fo ho an'Andranagnahary rozy, nefa tsy araky gny fahaiza. 3 Fa tsy mahay gny fahamarinan'Andranagnahary regny, sady mila hametraky gny fahamarinan-drozy manoka. tsy nanaiky gny fahamarinan'Andragnahary rozy. 4 Fa Kristy ro fahavitan'ny lalà ho fahamarina ho an'izay iaby mino. 5 Fa Mosesy manoratsy mahakasikign'ny fahamarina zay bakamin'ny lalà hoe:" Gny olo zay manao gny fahamarinan'ny lalà la hiay amin'izay fahamarina izay." 6 Fa gny fahamarina zay bakamin'ny finoa la mivola hoe:" Ka mivola izao ao am-po hoe:" Ia ro hiakatsy agny an-dagnitsy?' (izany la, mampizotso an'i Kristy); 7 sady ka mivola hoe:'Ia ro hizotso agny amin'ny lailiky?'" (izany la, mampiakatsy an'i Kristy amin'ny maty). 8 Fa ino ro ambaran'izany? " Eo agnilanao gny teny, ao am-bavanao sady ao am-ponao." Izay ro volan'ny finoa, zay ambaranay. 9 Fa laha amin'ny vavanao ro anekegnanao an'i Jesosy ho Tompo, Sady mino amin'ny fonao fa natsangan'Andranagnahary tamin'ny maty ie, la ho vonje iha. 10 Fa amin'ny fo ro inoan'ny gnolo gny fahamarina, sady amin'ny vava ro anekegnany gny famonjea. 11 Fa hoy gny Soratsy Masy hoe:" Tsy ho megnatsy zay iaby mino Gnazy." 12 Fa tsy misy fahasamihafa eo amin'ny Jiosy voho Grika. Fa Tompo raiky avao ro Tompon'ny iaby, sady harem-pahasoava ho an'izay iaby miantso gny agnaran'ny Tomporo ho vonje. 14 Manao akory amizay ro ahazoan-drozy miantso Gnazy zay tsy ninoany? Manao akory ro ahazoan-drozy mino Gnazy zay tsy janjin-drozy? Manao akory ro ahazoan-drozy mahajanjy laha tsy misy mpitory? 15 Sady manao akory ro ahazoan-drozy mitory, laha tsy nisy nagniraky?_ Araky gny voasoratsy hoe:" Zato gny hasoan'ny tombokin'ireo magnambara reo raha soan'ny filazantsara!" 16 Nefa tsy ie iaby ro nijanjy gny filazantsara. Fa hoy Isaia hoe:" Tompo, ia ro nino gny hafatrinay?" 17 Lafa izay gny finoa la bakamin'ny fijanjigna, sady gny fijanjigna bakamin'ny volan'i Kristy. 18 Fa hoy aho hoe:"Moa va tsy nisy nahajanjy an-drozy?" Eka, vatany marina." Gny feon-drozy la fa niboaky magnerantany, sady gny volan-drozy zisky farany amin'ny faran'izao tontolo zao." 19 Ankoatsy zay, hoy aho hoe:" Moa va tsy nahay gny Israely?" Tamin'ny voalohany Mosesy nivola hoe:" Ho ataoko saropiaro amin'izay tsy firenena nareo. Amin'ny firenena zay tsy misy fahaiza, ho ataoko avy amin'ny fahameloha nareo." 20 Sady eo vao mahasaky vatany Isaia lafa nivola ie hoe:" Jerin'ireo zay tsy nila gnahy aho. Niseho tamin'ireo zay tsy nagnotany gnahy aho." 21 Fa hoy ie tamin'Israely hoe:" Tontolon'ny ro nagnatsorako gny tagnako tamin'ny olo tsy mankato voho mahery loha."