Toko faha raiky ambin'ny folo

1 Sady nivola aho, narian'Andranagnahary va gny olony? Sanatria lahy zay. Fa zaho avao koa la Isiraelita, taranak'i Abrahama, avy amin'ny fokon'i Benjamina. 2 Ndranagnahary la tsy nagnary gny olony, fa hainy teo aloha. Tsy hainareo va zay voalozan'ny Soratra Masina mahakasiky an'i Elia, la gny fitaraignany tamin'Andranagnahary namely an'Israely? hoe: 3 Tompo, rozy la namono reo mpaminanao, namotiky gny alitaranao. Zaho raiky sisa tavela, sady mifofo gny aiko rozy." 4 Fa ino ro valin-dresaky nambaran'Andranagnahary gnazy? Nanoka fito lahy ho gnan'ny vatako Aho zay tsy nandohaliky teo amin'ny Bala." 5 La manahaky zay, amin'izao henanik'izao avao koa la misy sisa avao nohon'ny fifilia amin'ny fahasoava. 6 Fa laha bakamin'ny fahasoava zay, la tsy bakamin'ny asa sasy. Fa laha zay la tsy fahasoava sasy gny fahasoava. ([Fagnamariha: Gny antontantaratasy sasany taloha la mamaky hoe:"Nefa laha bakamin'ireo asa zay, la tsy asa sasy gny asa."]) 7 Ino zany? Gny raha zay nilan'Isiraely, la tsy azony, fa gny voafily ro nahazo izany, sady nohamafisy reo ambiny. 8 Izany la araky gny fa voasoratsy hoe:" Ndranagnahary la nagnome gnazy reo gny fagnahin'ny fitavozavoza, maso mba tsy hahajeren-drozy, sady sofina mba tsy hahajanjignan-drozy, zisky androany." 9 Sady hoy i Davida hoe:" Ao gny latabany ho harato voho fandrika, ho vato maminga voho valifaty ho an-drozy. 10 Ao gny mason-drozy hohamaizigny mba tsy hahajery, sady ao hiondriky mandrakizay gny lamosin-drozy." 11 La hoy aho hoe:"Moa va tafintohy reo mba ho lavo?" Sanatria lahy zay. Fa koa, bakamin'ny fahalavoan-drozy, ro nahavian'ny famonjea teo amin'ireo Jentilisa, Mba hampialo gnan-drozy. 12 Sady laha gny fahalavoan-drozy ro haren'izao tontolo izao, sady laha gny fahaverezan-drozy ro haren'ireo Jentilisa, la manao akory gny habevatan'ny fahavitan-drozy? 13 Fa amin'izao la miresaky aminareo Jentilisa aho, sady laha mbo apostolin'ireoJentilisa aho, la mankasitraky gny fanompoako. 14 Asa hampialo reo zay bakamin'ny nofoko manoka aho. Asa hamonjy gny sasany amin-drozy tsika. 15 Fa laha midika fampihavana gny an'izao tontolo izao gny fandavan-drozy, la ino ro handrambesagnan-drozy zay fa fiaigna bakamin'ny fahafatesa? 16 Laha voatoka gny vokatsy voalohany, la gny ampahany amin'ny kobam-bary koa. Laha voatoka gny fakany, la manahaky izay avao koa ireo rantsany. 17 Fa laha notapahy gny rantsa sasany, sady laha iha, sampana olivadia, ro nakamba teo amin-drozy, sady laha nifampizara tamin-drozy faka-mamokatsy gny hazo oliva iha, 18 Ka mirehareha amin'ireo sampana. Fa raha mirehreha iha, la tsy iha ro manday gny fakany, fa gny fakany ro manday gnanao. 19 La hivola hoe:" Notapahy hiala reo rantsa mba hahazoako mifandray aminy." 20 Marina zay. Nohon'ny tsy finoan-drozy la notapahy hiala rozy, fa nareo la mijoro soa nohon'ny finoanareo. Ka manao gny vatanareo ho ambony, fa matahora. 21 Fa laha gny sampana vatany aza tsy nengan'Andranagnahary, la tsy ho engany avao koa iha. 22 Sady henteo, gny fahamoram-po voho gny fahasaro-pon'Andranagnahary. Eo avao , gny fahasaro-po la avy amin'ireo Jiosy zay lavo. Fa eo avao koa, gny hatsaram-pagnahin'Andranagnahary la avy minareo, laha maharitsy ao amin'ny hatsaram-pagnahiny koa nareo. Fa laha tsy zay la ho tapahy koa nareo. 23 Sady na regny aza, laha tsy manohy amin'ny tsy finoany rozy, la hakamba. Fa Ndranagnahary la afaky magnampoly gnazy reo ndraiky. 24 Fa laha notapahy tamin'ny hazo oliva-dia nareo, ka nakamba tamin'ny hazo oliva soa, la manao akory gny fohoaran'ny hamaroan'ireo Jiosy, zay sampana voajanahary, nakamba tamin'ny hazo olivan-drozy manoka? 25 Fa tsy teako ts hahay nareo, ry rahalahy, gny amin'izay raha-mietaky izay, mba tsy haha-hendry aanareo amin'ny vetsivetsinareo manoka. Izay raha-mietaky izay la fa nahamafy loha gny ampahany amin'Israely, mandra-piavin'ny fahafenoan'ireo Jentilisa. 26 Lafa izay la ho vonje iaby gny Israely iaby, araky gny voasoratsy hoe:" Hiboaky bakagny Ziona gny mpagnafaky. Hanala gny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Ie, sady izay ro ho fagnekem-pihavagnako amin-drozy, lafa hangalaky gny fahotan-drozy Aho." 28 Amin'ny lafiny raiky mahakasiky gny filazantsara, la fahavalo rozy nohogn'ny aminareo. Amin'ny lafiny raiky hafa araky gny safidin'Andranagnahary, la malala rozy noho reo razana. 29 Fa reo fagnomeza voho antson'Andranagnahary la tsy miova. 30 Fa nareo la tsy nankato an'Andranagnahary taloha, nefa amin'izao nareo la nandramby gny famindram-poro nohogn'ny tsy fankatoavan-drozy. 31 Manahaky izay avao koa, amin'izao reo Jiosy la tsy nankato. Gny vokany la tamin'ny alalan'ny famindram-po zay naseho anareo ro mety handrambesan-drozy gny famindram-po avao koa amin'izao. 32 Fa Ndranagnahary fa nagnily gny tsy fankatoava iaby, mba ahazoany mampiseho famindram-po amin'ny iaby. 33 Endrey, gny halalin'ny reo haren'ny fahendrea voho fahaizan'Andranagnahary! Tsy takatsy gny say reo fitsarany, sady reo lalany la tsy hay refesy! 34 "Fa ia ro nahay gny fihevitsy gny Tompo na ia ro lasa ho mpanolo-tsay Gnazy? 35 Na ia ro nagnome raha an'Andranagnahary aloha, ka tsy maintsy hagnoneran'Andranahary gnazy ndraiky?" 36 Fa bakaminy voho amin'ny alalany sady ho Gnazy gny raha iaby. Ho Gnazy zisiky farany gny voninahitsy. Amena.