Toko faha 9

1 Nampagneno gny trompetsa gny anjely fahalimy. Nahita kintana bakagny an-danitsa aho zay nilavo tegny amin'ny tany. Gny kintana ro namea gny fanalahidin'ny gn y lavaky tsy hita noanoa. 2 Nisokafiny gny lavaky tsy hita noanoa, ka niakatsy gny setroky niboaky tao amin'ny lavaky manahaky gny setroky bakamin'ny lafaoro bevata. Nivadiky maloky gny masoandro voho gny rivotsy nohon'ny setroky niboaky tao an-davaky 3 Bakamin'ny setroky ro nahatongavan'ireo valala teto ambonin'ny tany, ka namea hery manahaky gny gnan'ny maingoka teto ambonin'ny tany rozy. 4 Niresafy rozy tsy hanimba gny akata teto ambonin'ny tany na reo raha mitiry maitso na hazo, fa reo olo zay tsy mana tombo-kasen-Dranagnahary eo amin'ny handrin-drozy reo avao. 5 Tsy nahazo alala gny hamono reo olo reo rozy, fa hampijaly gnan-drozy tagnatiny gny limy vola avao. Gny fanaintagnan-drozy la hanahaky gny tsindron'ny maingoka lafa mamely olo. 6 Amin'ireo andro reo la hila fahafatesa gny olo, fa tsy hahita gnan'io. Hagniry gny ho maty rozy, nefa handositsy gnan-drozy gny fahafatesa. 7 Manahaky gny soavaly nomany tamin'ny aly reo valala. Tamin'ny lohan-drozy la nisy raha manahaky gny satro-boninahitsy volamena, voho gny tarehin-drozy manahaky gny tarehin'olombelo. 8 Nana volo manahaky gny volon'ampela rozy, voho gny hin-drozy la manahaky gny hin'ny liona. 9 nana fiarovan-tratra manahaky gny fiarovan-tratra vy rozy, voho gny feon'ny elan-drozy la manahaky gny feon'ny kalesy voho soavaly maro milailay ho agny amin'ny aly. 10 Nana rambo nisy fanindroa manahaky gny maingoka rozy; ao amin'ny rambon-drozy ro misy gny hery hanimba gny olo mandritsa gny limy volana. 11 nana mpanjaka rozy la gny anjelin'ny gny lavaky tsy hita noanoa. Gny agnarany tami'ny teny Hebreo la Abadona, sady gny agnarany tamin'ny teny grika la i Apolyona. 12 Lasa gny loza voalohany. Ingo! afaran'izao la mbo hisy loza hoe ho avy. 13 Nampagneno gny trompetsa gny anjely fahaeny, ka nahare gny feo niboaky tamin'ny tandroky gny alitara volamena zay fa nisy teo agnatrehan-Dranagnahary aho. 14 Sady niresaky tamin'ny gny anjely fahaeny gny feo manao hoe;" Avotoro reo anjely efatsy zay mifehy agny amin'ny gny renirano lehiben'ny Eofrata." 15 Reo anjely zay fa nomany tamin'io fotoa io, io andro io, io vola io voho io tao io, la navototsy mba hamono gny ampahatelon'olombelo. 16 Gny isan'ireo miaramila nitaignin-tsoavaly la 200.000.000. Nahare reo isa reo aho. 17 Manahaky gnan'io ro fahitako voho reo soavaly tao amin'ny fahitako voho reo zay nitaingina teo amin-drozy: Reo fiarovan-tratran-drozy la mirehitsy mena, manga antitsy voho solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ireo liona gny lohan'ireo soavaly, sady gny niboaky bakao am-bavan-drozy la bolo, setroky, voho solifara. 18 Sady gny ampahatelon'ireo olo la matin'ireo loza telo: gny bolo, gny setroky, voho gny solifara zay niboaky bakao am-bavan-drozy. 19 Fa gny herin'ireo soavaly la bakao amin'ny vavan-drozy voho tamin'ny rambon-drozy-fa gny rambon-drozy la manahaky gny bibilava, voho nana loha zay afaky mandratsy olo rozy. 20 Gny ambin'ireo olombelo, reo zay tsy matin'ireo loza reo, la tsy nibebaky tamin'asa zay vitan-drozy, na nijano nanompo reo demony voho sampy volamena, volafoty, varahina, vato , voho hazo -reo raha zay tsy hita maso, re, na mandeha. 21 Rozy la mbo tsy nibebaky tamin'ny asa famonoa , gny famosavian-drozy, gny fijangajanga na reo asa fangalaran-drozy.