Toko faha 10

1 Bakeo aho la nahita anjely mahery hafa nizotso bakagny an-dagnitsy. Tao agnaty rahona ie, voho nisy avana teo agnabon'ny lohany. Gny tarehiny la miendriky masoandro voho gny tombony la manahaky gny andry bolo. 2 Mitanjaky horonan-taratasy kely mivelatsy amin'ny tagnany ie, sady mametraky gny tombony havana amin'ny ranomasina voho gny tombony havia amin'ny tany. 3 Bakeo ie la nikoraky tamin'ny feo mare manahaky gny fieron'ny liona. Lafa nikoraky ie, la nikotroky mare tamin'ny feony gny kotroky fito. 4 Lafa nikotroky gny kotroky fito, la teo andalam-panorata aho, fa nahare feo bakagny an-dagnitsy aho niresaky hoe:" Tanjaho ho tsiambaratelo zay niresahin'ny kotroky fito. Ka sorata io." 5 Bakeo gny anjely hitako nitsanga teo agnabony ranomasina voho teo amin'ny tany, nanandratsy gny tagnany havana tagny an-danitsa. 6 Ie nianiana tamin'ny gny raiky zay velo mandrakizay doria, zay namoro gny lanitsa voho zay iaby ao agnatin'io, gny tany voho zay iaby ao agnatin'io, voho gny ranomasina voho zay iaby agnatin'io, voho gny anjely niresaky hoe:" Tsy hisy fandignasa sasy. 7 Fa amin'ny andro raiky lafa hampagneno gny trompetsa gny anjely fahafito , la ho tanteraky gny misterin-Dranagnahary, manahaky gny nagnamabarany tamin'ireo mpaminany mpanompony." 8 Gny feo zay reko bakagny an-dagnitsy niresaky tamiko ndraiky hoe:" Mandehana , alao gny horonan-taratasy mivelatsy zay egny an-tagnan'ny gny anjely mitsanga eo agnabony ranomasina voho agnabon'ny tany." 9 Bakeo la lasa nagnagny amin'ny gny anjely aho ka niresaky taminy mba hagnome gnahy lay horonan-taratasy kely. Hoy ie tamiko:" Raiso gny horonan-taratasy ka hano io. Hampafaitsy gny vao an-kibonao io, fa ao am-bavanao la ho mamy manahaky gny tantely io." 10 Nalako tamin'ny tagnan'ny gny anjely gny horonan-taratasy kely ka nihaniko io. Mamy manahaky gny tantely tao am-bavako io, fa tafaran'ny nihinanako gnazy , la lasa nafaitsy gny tao an-kiboko. 11 bakeo nisy olo raiky niresaky tamiko hoe:" tsy maintsy maminany ndraiky iha momban'ireo olo maro, reo firenena, reo firesaky voho reo mpanjaka."