Toko faha 8

1 Lafa nivahan'ny gny Anak'aondry gny tombon-kase fahafito, la nisy fahangina tagny an-dagnitsy teo amin'ny antsasaky fotoa teo. 2 Bakeo la hitako reo anjely fito zay nitsanga teo agnatrehan-Dranagnahary, voho namea trompetra fito rozy. 3 Nisy anjely hafa avy, nitanjaky finga volamena fagnoroa ditin-kazo magnitsy, nitsanga teo agnabon'ny alitara. Ditin-kazo magnitsy maro ro namea gnazy mba hanolorany gnan'io mbamin'ny vavaky gny mpino manontolo eo agnabon'ny aliatara volamena fagnoroa ditin-kazo magnitsy eo agnatrehan'ny sezam-boninahitsy. 4 Gny setrokin'ny ditin-kazo magnitsy, mbamin'ny vavak'ireo mpino , la niakatsy teo agnatrehan-Dranagnahary bakamin'ny tagnan'ny anjely. 5 nangalaky gny finga fagnoroa ditin-kazo magnitsy gny anjely sady ameno gnan'io tamin'ny bolo bakeo amin'ny alitara. Bakeo natsipiny tamin'ny tany io, sady nisy kotro-baratsy, kotsoky, tselatsy, voho horonan-taratasy. 6 Reo anjely fito zay nana reo trompetra fito la nioamana hitsoky gnan'io. 7 Nitsoky gny trompetra gny anjely voalohany, sady nisy havandra voho bolo mifangaro lio. Natoraky tetoy an-tany io mba ho ma gny ampahatelon'io, ma gny ampahatelon'ny hazo, voho ma iaby reo akata maitso.(Fanamarihana:Gny sasany amin'ireo dikan-teny taloha la mangalaky gny hoe:" mba ho ma gny ampahatelon'io.") 8 Nitsioky gny trompetra gny anjely faharoe, ka nisy raha manahaky gny tendrombohitsy bevata nirehitsy bolo natsipy tany an-dranomasina. Lasa lio gny ampahatelon'ny ranomasina, 9 maty gny ampahatelon'ny raha-managn'ay tao an-dranomasina, voho rava gny ampahatelon'ireo sambo. 10 Nitsoky gny trompetra gny anjely fahatelo, ka nisy kintana bevata nilatsaky bakegny an-danitsa, mirehitsy manahaky gny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ireo ony voho loharano. 11 Raha-mangidy ro agnaran'ny gny kintana. Lasa nafaitsy gny ampahatelon'ny gny rano, sady olo maro ro maty tamin'ny gnyy rano zay lasa nafaitsy. 12 Nitsoky gny trompetra gny anjely faha efatsy, ka niova gny ampahatelon'ny masoandro, manahaky gny ampahatelon'ny volana voho gny ampahatelon'ireo kintana. Nohon'io la lasa mainty gny ampahatelon'ireo; tsy nisy hazava gny ampahatelon'ny andro voho gny ampahatelon'ny haly. 13 Nijery aho, ka nahare voro mahery zay nitily tegny agnivon'ny lanitsa, nikaiky tamin'ny feo mare hoe:" Loza, loza, loza, ho gnan'ireo zay mipetraky egny amin'ny tany , nohon'ny feona trompetsa sisa zay fa ho tsofin'ireo anjely telo."