Toko faha 7

1 Tafaran'io la nahita anjely efatsy nitsanga teo amin'ny zoro tany efatsy aho, nanahitsy mare gny tsioky efatsy gny tany, mba tsy hisy tsioky hitsoky amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanohitsy amin'ny hazo manontolo. 2 Nahita anjely hafa aho niakatsy bakagny antignana, zay nana gny tombo-kasen-Dranagnahary velo. Nikoraky tamin'ny feo mare tamin'ireo anjely efatsy zay nahazo alala hanimba gny tany voho gny ranomasina ie :" 3 Ka simba gny tany, gny ranomasina, na reo hazo mandra-pagnisantsika gny tombo-kase eo amin'ny handrin'ireo mpanompon-Dranagnaharintsika." 4 Nahare gny isan'ireo zay voatombo-kase aho:" 144.000, ro voatombo-kase bakamin'ny fokon'Israely manontolo: 5 Roarivo voho ray aly ro voatombo-kase bakamin'ny fokon'i Joda, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Robena, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Gada, 6 roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Asera, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Naftaly, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Manase. 7 roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Simeona, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Levy, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Isakara, 8 roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Zebolona, roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Josefa, voho roarivo voho ray aly bakamin'ny fokon'i Benjamina ro voatombo-kase. 9 Tafaran'ireo raha reo la nijrey aho, voho nisy olo maro mare zay tsy hay isa__ bakamin'ny firenena , foko, olo, foho firesaky manontolo__ nitsanga teo agnatrehan'ny seza fiandriana voho teo agnatrehan'ny Anak'aondry. Nanao ankanjo lava foty voho mita sampan-drofia tegny amin'ny tagnan-drozy, 10 sady niakiky mare tamin'ny feo maher rozy nanao hoe:" Gny famonjea la gnan-Dranagnaharintsika zay mipetraky eo agnabon'ny seza fiandriana, voho gnan'ny Anak'aondry!" 11 Gny anjely iaby nitsanga magnodidy gny seza fiandriana voho magnodidy reo loholona voho gny raha-managn'ay efatsy voho rozy nampiankoholy gny tarehin-drozy teo agnatrehan'ny seza fiandriana. Nivavaky tamin-Dranagnahary rozy 12 nanao hoe:" Amena! Dera, voninahitsy, fahedrea, fisaora, fahefa, voho gny hery anie ho gnan-Dranagnaharintsika mandrakizay doria! Amena!" 13 Bakeo gny raiky tamin'ireo loholona nagnontany gnahy hoe:" Ia reo, misiky akanjolava foty, voho aia rozy?" 14 Hoy aho taminy:" Tompoko, Iha mahay ," sady hoy ie tamiko:" Reo ro hiboaky bakamin'ny Fahoria bevata . Nisasan-drozy gny ankajolava sady nifotia tamin'ny lion'ny Anak'aondry. 15 Nohon'io antony io, la eo agnatrehan'ny seza fiandrianan-Dranagnahary rozy, voho mivavaky aminy andro aman'alina ao amin'ny tempoliny. Gny raiky zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana la hamelatsy gny lainy amin-drozy. 16 tsy ho mosare sasy rozy, na hangetaheta ndraiky. tsy hamely gnazy gny masoandro, na gny hafana magnoro. 17 Fa gny Anak'aondry eo agnivon'ny seza fiandriana ro ho mpiaraky gnan-drozy voho hitari-dala gnan-drozy agny amin'ny loharanon'ny rano velo, sady hofafan-Dranagnahary gny ranomaso manontolo amin'ny mason-drozy."