Toko faha 18

1 Tafaran'ireo raha reo la nahita anjely hafa zay nizotso bakagny an-danitsa aho. Nana fahefa bevata ie, sady namirapiratsy nohon'ny voninahiny gny tany . 2 Nikoraky tamin'ny feo mahery ie, niresaky hoe:" Nianjera , nianjera gny Babylona bevata! Lasa avy toeram-ponenan'ny demony, fialofa ho gnan'ireo fagnahy maloto, sady fialofa ho gnan'ny reo voro maloto voho marikoriko iaby. 3 Fa gny firenena iaby la nino gny divain'ny fitondran-tena malotony . Reo mpanjakan'ny tany la nanao fitondran-tena maloto taminy. Reo mpamarotsy gny tany la avy mpanan-draha tamin'alalan'ny fomba fiaignany amin'ny nofo." 4 Bakeo la nahare feo hafa bakagny an-danitsa aho, miresaky hoe:" Miala aminy, ry oloko, mba tsy hizarany gny fahotany ao aminareo , sady mba tsy hahazoanareo reo lozany. 5 Fa nivory manahaky gny ahabon'ny lanitsa reo fahotany, sady Ndranagnahary mahatiaro reo asa ratiny. 6 Mamalia gnazy manahaky gny namalian'ny hafa, sady valio abo roa eny zay fa vitany; tao amin'ny kapoky zay fa naetakiny , la feno abo roa heny ho gnazy. 7 Manahaky ie nagnome voninahitsy gny vatany voho niay tamin'ny tsy fiafia, amea gnazy gny fampijalia voho gny alahelo sahaza gnazy. Fa ie niresaky tao am-pony nanao hoe:" Nipetraky manahaky gny mpanjaka vavy aho. Tsy maty valy aho, sady tsy hisaona mandrakizay ." 8 Nohon'io la ho avy amin'ny andro raiky reo areti-mandringany: gny fahafatesa, gny fisaogna, sady gny mosary. Horoan'ny bolo ie, fa gny Tompo Ndranagnahary la mahery, sady ie ro mpitsara gnazy." 9 Reo mpanjakan'ny tany zay nijangajanga voho nandeha tsy am-pieritrereta niaraky taminy la hitagny voho hiankohoky eo agnatrehany lafa nahita gny setroky gny fahamaizigna rozy. 10 Hijoro lavitsy rozy, hatahotsy gny fijaliany, hiresaky hoe:" Loza, loza ho gnan'ny gny tana bevata , Babylona, gny tana mahery , fa amin'ny fotoa raiky la ho avy gny sazinareo." 11 Reo mpamarotsy gny tany la nitagny voho nisaona ho gnazy, fotony tsy nisy olo nialy varotsy ho gnazy sasy_ 12 varotsy volamena , volafoty , vato sarobidy, firavaky ,lamban-kasim-bazaha tena soa, volomparasy , landy , mena, reo karaza hazo ala, gny fanaky ivoara, gny fanaky iaby vita bakamin'ny hazo sarodidy, varahina , vy, marbra , 13 Kanelina, zava-manan'aina , ditin-kazo , miora, hanitsa , divay , menaky , koba soa toto, vary , biby fiompy voho aondry, soavaly voho kalesy , reo andevo voho fagnahin'olo. 14 Gny vokatsy zay tianao tamin'ny herinao iaby la hiala aminao. Gny entanao lafo vily voho reo namirapiratsy la nanjovo, sady tsy ho hita sasy mandrakizay. 15 Gny mpamarotsy reo enta zay avy mpanan-draha noho ie la hiala aminy lavitsy nohon'ny fatahora gny fijaliany, hitagny voho hisaona mare. 16 Hiresaky rozy hoe:' Loza, loza ho gnan'ny gny tana bevata zay niakanjo tamin'ny lamban-kasimbazaha tena soa, volomparasy , voho mena, sady niravaha tamin'ny volamena, firavaky sarobidy , sady vatosoa! 17 Agnatin'ny fotoa raiky la ho foana io hanagna iaby io. " Reo kapitenin-tsambo iaby, reo mandeha egny agnabon'ny ranomasina iaby, tantsambo voho zay iaby mipetraky an-dranomasina, la hijoro lavitsy. 18 Nikoraky rozy laha vao nahita gnan'ny gny setroky fahamaizany. Niresaky rozy hoe:" Tana ino ro manahaky gny tana bevata?" 19 Nanipy vovoky tegny an-dohany ie, sady nikoraky mare , nitagny , voho nisaona, nanao hoe:" Loza, loza ho gnan'ny gny tana bevata zay nisy gnan'ireo iaby nana reo sambo an-dranomasina ro avy mpanan-draha bakamin'ny hanagnany. Fa tao agnaty fotoa raiky la simba io." 20 Mifalia aminy, ry lanitsa, nareo mpino , apostoly , voho mpaminany, fa Ndranagnahary nanday gny fitsaranareo taminy." 21 Anjely mahery raiky nangalaky vato manahaky gny vato bevata ka nanoraky gnan'io tagny an-dranomasina, ka nilaza hoe:" amin'io fomba io, Babylona, gny tana bevata ,haroda arahy ferisetsa, ka tsy hita sasy. 22 Gny feo nataon'ireo lokanga , mpitendry mozika, mpitsoky sodina, voho trompetsa la tsy ho re ao aminao sasy. Reo mpanao asa-tagna isan-karazany la tsy hita ao aminao sasy . tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho re sasy eo aminao. 23 Gny fahazavan'ny jiro , la tsy hamirapiratsy ao aminao sasy. Reo feon'ny mpampakatsy voho ampakary la tsy ho re ao aminao sasy, fa gny mpamarotsireo ro andrian'ny tany, voho reo firenena la voafitaky tamin'ny fagnosavianareo. 24 Tao aminy ro nahita gny ran'ny gny mpaminany, voho reo mpino, voho gny ran'ireo iaby zay voavono teto an-tany."