Toko faha 19

1 Tafaran'ireo raha reo la nahare zay manahaky gny feo maren'ny vahoaky maroagnisa tagny an-danitsa aho nanao hoe:" Aleloia. Gny famonjena , gny voninahitsy , voho gny hery la gnan-Dranagnaharintsika. 2 Reo fitsarany mpivaro-tena bavata zay nagnaraty gny tany tamin'ny fijangajanga ie. namaly faty gny ran'ireo mpanompony , zay nalatsany ie." 3 Niresaky fagnindroe rozy hoe;" Aleloia! Gny setroky la miakatsy bakaminy mandrakizay doria." 4 Reo loholona roapolo efatsamby voho reo zava-manan'aina efatsy la niankohoky ka nanompo gnan-Dranagnahary zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana. Hoy rozy: Amena . Aleloia!" 5 La nisy feo niboaky bakao amin'ny seza fiandriana, nanao hoe:" Derao Ndranagnaharintsika , nareo iaby mpanompony, nareo zay matahotsy Gnazy, na gny tsy manan-danja na gny mahery." 6 La nahare zay feo manahaky gny feon'ny olo maroagnisa , manahaky gny firohondrohon'ny rano maro, voho manahaky gny fianjeran'ny hotroky mare aho, nanao hoe:" Aleloia! Fa manjaka gny Tompo, Ndranagnahary zay manapaky amin'ny rehetra. 7 Ao tsika hazoto voho ro ravoravo sady hagnome voninahitsy Gnazy fotony avy gny fampakaram-balin'ny Anak'aondry, sady gny ampiakarininy fa niomana . 8 Namea ala hiakanjo siky hasim-bazaha mamiratsy voho malo ie" ( Fa gny lamba rongony la reo asa marin'ireo olo-masina). 9 Gny anjely niresaky tamiko hoe:" Sorato zao: Sambatsy reo zay nasaina tamin'ny fety fampakaram-balin'ny Anak'aondry . Niresaky tamiko koa ie hoe:" Reo la safa marin-Dranagnahary." 10 Niakohoky teo amin'ny tombony mba hanompo gnazy aho, fa hoy ie tamiko:" Ka manao gnan'izao! Zaho la mpiara-manompo aminao voho reo rahalahinao zay mita gny fijoroa vavolombelo momba gnan'i Jesosy. manompoa gnan-Dranagnahary , fa gny fijoroa vavolombelo momba gnan'i Jesosy la gny fagnahin'ny faminania." 11 La nahita gny lanitsa nisokatsy aho voho nijery ka nisy soavaly foty. Gny mpitaingina gnan'io la nikaihy hoe mahatoky voho marina. Amin'ny fahamarigna ro hitsara voho hialiany. 12 Reo fijeriny la manahaky gny lelam-bolo, voho eo amin'ny lohany misy satro-boninahitsy maro. mana agnara voasoratsy afa-tsy ie avao ie. 13 Miakanjo akanjo lava zay natsoboky tao amin'ny ra ie, sady gny agnarany la nikaihy hoe gny Safan-dranagnahary. 14 Reo tafiky gny lanitsa la nagnaraky gnazy tamin'ny soavaly foty , miakanjo siky hasim-bazaha , foty voho malio. 15 Bakao amin'ny vavany ro miboaky gny sabata maragnitsy zay amin'io ro hamelezany reo firenena, ka hanapaky gnan-drozy amin'ny tehy vy ie. Magnitsaky ao amin'ny famaizan'ny fahaviniran'ny fahatezeran-Dranagnahary Tsitoha ie. 16 Mana agnara voasoratsy eo amin'ny akanjo lovany eo amin'ny feny ie hoe:" Mpanajakan'ireo mpanjaka voho Tompon'ireo tompo." 17 Nahita anjely nitsanga teo amin'ny masoandro aho. Nikaiky tamin'ny feo mahery reo voro mitily agnabo iaby ie hoe:" Avia, miangona ho gnan'ny fety bevatan-Dranagnahary. 18 Avia ihinana gny nofon'ireo mpanjaka , gny nofon'ireo mpitari-tafiky , gny nofon'ireo johary mahery, gny nofon'ireo soavaly voho reo mpitangina gnan'io, sady gny nohon'ny johary iaby, gny afaky voho andevo , gny tsy manan-danja voho gny mahery." 19 Nahajery gny bibi-dia voho reo mpanjakan'ny tany niaraky tamin'ny tafikin-drozy aho. Nivory rozy mba hialy amin'ny raiky zay nitaingina gny soavaly voho amin'ny tafiny. 20 Voasambotsy gny bibi-dia sady niaraky taminy gny mpaminany sandoky zay nanao reo famantara teo agnatrehany. Tamin'ireo famantara reo ro namitahany reo zay nandramby gny mariky gny bibi-dia voho reo zay nanompo gny sariny. Rozy roe la natsipy velo tao agnaty farim-bolo mirehitsy solifara . 21 Gny ambin-drozy la nivonoa tamin'ny sabatsy zay niboaky gny vavan'ny raiky zay nitaingina gny soavaly. Gny voro iaby nihina gny nofo mangatsiakin-drozy.