Toko faha 17

1 Raiky tamin'ireo anjely fito zay nitanjaky reo finga volamena fito namonjy voho niresaky tamiko hoe:" Avia, hasehoko gnanao gny sazin'ny mpijangajanga bevata zay mipetraky agnabony rano maro. 2 Niaraky taminy ro nampijangajanga gnan'ireo mpanajakan'ny tany. Gny divain'ny fijangajanga ro nahamamo reo mponin'ny tany." 3 Bakeo gny anjely nanday gnahy tamin'ny Fagnahy tagny amin'ny tany karakaina, ka nahita ampela nipetraky teo agnabony bibi-dia mena zay feno agnara raty tegny aho. Gny bibi-dia la mana loha fito voho tandroky folo. 4 Gny ampela la niakanjo voloparasy voho mena sady voaravaky volamena, vato sarobidy , voho vato soa. Ie la nitanjaky tamin'ny tagnany kapoaky volamena feno reo raha maharikoriko voho reo tsy fahadiovan'ny fijangajangany. 5 Teo amin'ny handriny ro nisy agnara mana dikany miaetaky voasoratsy hoe:" babylona bevata, gny renin'ireo mpijangajnaga voho gny raha maharikorikon'ny tany." 6 Nahita aho fa gny ampela la mamon'ny ranin'ireo mpino voho gny ran'reo martiora ho gnan'i Jesosy. Lafa nahajery gnazy aho, la tena tandregna. 7 Fa gny anjely niresaky tamiko hoe:" Magnino ro tandregna iha? Hazavagniko gnanao gny dikan'ny gny ampela voho bibi-dia zay manday gnazy, gny bibi-dia zay mana loha fito voho tandroky folo. 8 Gny bibi-dia zay hitanao la misy, fa sy misy amizao, fa andalam-piakara bakagny amin'ny farany ambanin'ny lavaky tsy hita noanoa. Bakeo la hagnagny amin'ny fahasimba io. Reo zay miay ambonin'ny tany, reo zay tsy voasoratsy ao amin'ny Bokin'ny Fiaigna hatramin'ny namorogna gnan'izao tontolo zao gny agnarany_ ho tseriky rozy lafa hahita fa gny bibi-dia la misy fa tsy misy sasy amizao fa andalam-piavia. 9 Mikaiky saina zay manam-pahendrea io. Reo loha fito la vohitsy fito zay hipetrahan'ny gny ampela. 10 Rozy avao koa la mpanjaka fito. Mpanjaka limy ro lavo, raiky ro misy, voho gny hafa la mbo tsy avy ; lafa avy ie, la fe-potoa kely avao ro hipetrahany. 11 Gny bibi-dia zay misy, fa tsy misy, amizao , mpanjaka fahavalo ie; kanefa raiky amin'ireo mpanjaka fito ie, sady hagnagny amin'ny fahasimba. 12 Reo tandroka folo zay hitanao la mpanjaka folo zay mbo tsy nandramby fanjaka, fa hahazo fahefa manhaky gny moanjaka miaraky amin'ny gny bibi-dia-mandritsy gny adiny raiky rozy. 13 Firaisan-tsaina io, sady rozy la hagome gny hery voho fahefan-drozy gnan'ny gny bibidia. 14 Hanangan'aly manohitsy gny Anak'aondry rozy. Fa gny Anak'aondry ro handresy gnan-drozy fotony Ie ro Tompon'ny tompo , sady Mpanjakan'ny mpanjaka_ sady miaraky aminy reo voaantso, reo voafily , sady reo manam-pinoa." 15 Hoy gny anjely tamiko:" Reo rano zay hitanao , teo amin'ny gny nipetrahan'ny gny mpijangajanga, ro olo, vondron'olo, firenena, sady firesaky. 16 Reo tandroky folo zay hitanao- rozy voho gny bibi-dia la halay gnan'ny gny mpijangajanga. Hataon-drozy lao voho mitanjaky ie, hanataky gny nofony rozy, sady hagnoro gnazy tanteraky amin'ny bolo . 17 Fa Ndranagnahary fa nametraky gnan'io tao am-pon-drozy mba hagnatanteraky gny fikasany amin'ny fagneken-drozy hagnome gny herin-drozy handay gny bibi-dia mandra-pahatanteraky gny safan-Dranagnahary. 18 sady Sady ravehivavy, gny hitanao ro tana bevata zay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany."