Toko faha 16

1 Nahare feo mare niakiky bakao an-tempoly aho ka niresaky tamin'ireo anjely fito hoe:" mandehana ka araraho amin'ny tany reo finga fito feno gny hatezeran-Dranagnahary." 2 Lasa gny anjely voalohany ka nandraraky gny tao amin'ny fingany tamin'ny tany; ratsa raty voho maharary ro avy tamin'ny olo zay nana gny mariky gny bibi-dia , reo zay nankalaza gny sariny. 3 Gny anjely faharoe nandraraky gny tao amin'ny fingany tamin'ny ranomasina. Lasa ra io, manahaky gny lion'olo maty, ka maty gny raha-managn'ay iaby tao an-dranomasina. 4 Gny anjely fahatelo nandraraky gny tao amin'ny fingany tamin'ireo ony voho loharano, ka lasa ra reo. 5 Reko gny anjelin'ny rano manao hoe:" Marina Iha_ gny henanio voho taloha, gny raiky Masina fotony fa nitsara reo raha reo Iha. ( Fanamarihana: Gny antontan-taratasy sasany taloha la mamaky hoe:" marina Iha Tompo_Gny henanio voho taloha voho ho avy, fotony fa nitsara reo raha reo Iha.") 6 Fotony gny lion'ireo mpino voho mpaminany ro nalatsan-drozy, la nameanao ra hinomy rozy; io ro mendriky gnan-drozy." 7 Reko gny alitara namaly hoe:' Eny, tompo Ndranagnahary bevata, reo fitsaranao la marina voho mahity." 8 Gny anjely faha efatsy nandraraky gny tao amin'ny fingany tamin'ny masoandro, ka nahazo alala hagnoro gny olo amin'ny bolo io. 9 Main'ny gny hafana be rozy, sady niresaky raty gny agnaran-Dranagnahary , zay mana gny fahefa amin'iregny loza regny. Tsy nibebaky rozy na nagnome voninahitsy Gnazy. 10 bakeo gny anjely fahalimy nandraraky gny tao amin'ny fingany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia, sady nandrakotsy gny fanjakany gny hiky. Nitsako gny lelany rozy nohon'ny fahoria. 11 Niresaky raty gnan'ny gny Ndranagnaharin'ny lanitsy rozy nohon'ny fahoria voho ratran-drozy, sady mbo nanda gny hibebaky amin'izay vitan-drozy avao rozy. 12 Gny anjely faha eny nandraraky gny tao amin'ny fingany tamin'ny ony bevata , gny Eofrata. Nority io mba hagnomana gny lala ho gnan'ireo mpanjaka zay ho avy agny antignana. 13 Nahita fagnahy maloto telo aho zay niendriky sahona miboaky bakagny an-tsihovin'ny dragona , bakagny an-tsihovin'ny bibi-dia, sady bakaminny tsihovin'ny mpaminany sandoky. 14 Fa fagnahin'ny demonia manao famantara mahagaga rozy. nagnagny amin'ireo mpanjakan'izao tontolo zao rozy mba hamory gnan-drozy miaraky ho gnan'ny alin'ny andro bevatan-Dranagnahary Agnabo mare. ( " Ingo! Avy manahaky gny mpangalatsy Aho! Sambatsy zay miamby, miaro reo fisikinany mba tsy hiboaky tsy misy ie sady hitan-drozy gny fahamegnarany.:) 16 Nandesin-drozy niaraky tagny amin'ny toera zay atao hoe Hara-madegoda amin'ny Hebreo rozy. 17 Bakeo gny anjely fahafito nandraraky gny tao amin'ny fingany tamin'ny tsioky. Ka nisy feo niboaky bakao an-tempoly voho avy tamin'ny seza fiandriana, manao hoe:" Vita io!" 18 Nisy helatsy , hotroky, hotro-baratsy, voho horohoron-tany mare_ horohoron-tany bevata noho zay fa nitranga hatramin'izay nisian'olo teto an-tany , ka la mare io horohoron-tany io. 19 Vaky ho fizara telo gny tana bevata , sady rava gny tanan'ireo firenena. Bakeo Ndranagnahary nikaiky mba hahatiaro gnan'i Babylona bevata , ka nameany gnan'io tana io gny kapoaky feno divay bakamin'ny firehetan'ny fahatezerany. 20 Nanjavo gny nosy iaby, ka tsy hita sasy reo tendrombohitsy. 21 Nisy havandra bevata, milanja reo amin'ny talenta raiky eo , nizotso bakagny an-danitsa ho amin'ny olo. Nagnozo gnan-Dranagnahary rozy nohon'ny loza bakamin'ny havandra fotony tena mafy loatsy io loza io.