Toko faha 15

1 Bakeo la nahita famantara hafa tegny amin'ny lanitsa aho, bevata voho mahatalanjona: Nisy anjely fito miaraky amin'ny loza fito, zay loza farany mare, fa amin-drozy ro hahatanteraky gny fahatezeran-Dranagnahary. 2 nahita zay niseho tamin'ny ranomasina fitaratsy nampiaraha tamin'ny bolo aho. Nitsanga teo agnilan'ny ranomasina reo zay nandresy gnan'ny gny bibidia voho gny sariny, voho gny isa maneho gny agnarany. Rozy la nitanjaky harpa namean-Dranagnahary gnan-drozy 3 Rozy nihira gny hiran'i Mosesy, gny mpanompon-Dranagnahary, gny hiran'ny Anak'aondry hoe:" Bevata voho mahatandregna reo asanao, Tompo Ndranagnahary, gny Abo mare. Marina voho mahity reo lalanao, ry Mpanjakan'ireo firenena. 4 Ia ro tsy hatahotsy Gnanao, ry Tompo, voho tsy hagnome voninahtsy gny Agnaranao? fa iha raiky ro masina. Gny firenena iaby ho avy voho hivavaky eo agnatrehanao fotony reo asanao marina la fa nambara." 5 Tafaran'ireo raha reo aho la nijery sady ka nisokatsy tegny amin'ny lanitsa gny tempoly zay mana lain'ny fijoroa vavolombelo. 6 Niboaky bakao amin'ny gny toera masina mare reo anjely fito mitanjaky reo loza fito. Rozy la miakanjo malio, siky hasim-bazaha mamiratsy voho misy fehin-kibo volamena magnodidina gny tratran-drozy. 7 bRaiky tamin'ireo raha-managn'ay efatsy nagnome gnan'ireo anjely fito finga volamena fito feno gny fahatezean-Dranagnahary, gny velo mandrakizay doria. 8 Feno setroky bakamin'ny voninahin-Dranagnahary voho bakamin'ny heriny gny tempoly. Tsy misy na ia ia afaky militsy ao mandra-pahatanteraky gny loza fiton'ireo anjely fito.