Toko faha 14

1 Nijery aho ka nahita gny Anak'aondry nitsanga teo amin'ny tendrombohitsy Ziona. Niaraky taminy reo 144.000 zay nana gny agnarany voho gny agnaran'ny Rainy voasoratsy eo amin'ny handrin-drozy. 2 Nahare feo bakagny an-dagnitsy manahaky gny firohondron'ny rano maro voho hotroky mare aho. Gny feo reko koa la manahaky gny mpitendry lokanga avao koa la manahaky mpitendry lokanga gny lokangany. 3 Nihira hira vaovao teo agnatrehan'ny seza fiandriana voho teo agnatrehan'ireo zava-manan'aina efatsy voho reo loholona rozy. Tsy nisy na ia ia afaky nianatsy gny hira afa-tsy reo 144.000 zay nivily bakaeto an-tany avao. 4 Reo la olo zay tsy nandoto gny vatan-drozy tamin'ny ampela, fa nitanjaky gny vatany malio ara-nofo rozy. Io la zay magnaraky gny Anak'aondry na aia aia andehanany. Rozy regny la nivily bakamin'ny olombelo manahaky gny voaloham-bokatsy ho gnan-Dranagnahary voho ho gnan'ny Anak'aondry. 5 tsy nisy vandy hita teo amin'ny signin-drozy , tsy manan-tsiny rozy.[ Fanamarihana: Gny dikan-teny sasany magnampy hoe:" Teo agnatrehan'ny seza fiandrianan-Dranagnahary"] 6 Nahita anjely hafa nitily agnabo aho, zay nana gny hafatsy mandrakizain'ny vaovao mahafaly hambara amin'ireo zay miaina ambonin'ny tany_ amin'ny firenena , foko, firesaky , voho gny olo manontolo. 7 Niakiky tamin'ny feo mare ie hoe:" Matahora gnan-Dranagnahary voho magnomeza voninahitsy Gnazy. Fa avy gny fotoan'ny fitsarany. Mivavaha Aminy, gny raiky zay nanao gny lanitsy, gny tany, gny ranomasina voho gny loharano." 8 Nisy anjely hafa-gny anjely faharoe nagnaraky niresaky hoe:" Nianjera, nianjera Babylona bevata, zay nandresy lahatsy reo firenena manontolo mba hino gny divain'ny fitondran-tena malotony." 9 Nisy anjely hafa-anjely fahatelo nagnaraky gnan-drozy, niresaky tamin'ny feo mare hoe:" Laha misy mivavaky amin'ny gny bibidia voho gny sariny, voho mandramby gny mariky eo amin'ny handriny na eo amin'ny tagnany, 10 la hino gny sasany amin'ny divain'ny fahatezeran-Dranagnahary avao koa ie, divay tsy niharo zay narotsaky tao agnatin'ny kapoaky gny hatezerany. Gny olo zay mino gnan'io la ho ampijaly amin'ny bolo voho solifara eo agnatrehan'ireo anjely masin-Dranagnahary voho eo agnatrehan'ny Anak'aondry. 11 Gny setroky bakamin'ny fijalian-drozy la miakatsy mandrakizay doria, sady tsy manam-pitsaran'andro voho haly rozy- reo mpanompon'ny bibidia voho gny sariny reo, sady gny olo iaby zay mandramby gny mariky gny agnarany. 12 Toy la kaiky ho gnan'ny fahareta maharitsin-drozy zay masina, reo zay mankato reo lilin-Dranagnahary voho mino gnan'i Jesosy." 13 Nahare feo bakagny an-danitsy aho niresaky hoe:" Sorato zao:" Sambatsy gny maty zay maty ao amin'ny Tompo." " Eka" hoy gny Fagnahy , " mba ahafahan-drozy miala sasatsy amin'ny asan-drozy fa gny vitan-drozy la hagnaraky gnan-drozy." 14 Nijery aho, ka nisy rahona foty. Nipetrakt teo amin'ny rahona gny raiky manahaky gny anak'olo. nana satro-boninahitsy volamena teo amin'ny lohany voho fijinja maragnitsy egny an-tagnany ie. 15 la nisy anjely hafa niboaky gny tempoly sady niakiky tamin'ny feo mare gnan'ny gny mipetraky eo amin'ny rahona nanao hoe:" Rambeso gny fijinjanao ka manomboa mijinja. Fa avy gny fotoa hijinja , fotony masaky gny vokatsy gny tany." 16 sady gny raiky zay nipetraky teo amin'ny rahona nampandroso gny fijinjany teto an-tany , ka nijinja gny tany. 17 Nisy anjely hafa niboaky bakao an-tempoly tagny an-dagnitsy; nana fijinja maragnitsy avao koa ie. 18 Mbo nisy anjely hafa koa niboaky gny alitara fagnoroa ditin-kazo magnitsy, zay nana fahefa amin'ny bolo. Nikaiky tamin'ny feo mahery gnan'ilay reo zay nana fijinja maragnitsy ie hoe:" Rambeso gny fijinja maragnitsy ka avorio reosampam-boaloboky bakamin'ny voaloboky gny tany, fa reo voaloboky la fa masakt zao." 19 Nampandroso gny fijinja tamin'ny tany gny anjely sady namory gny vokatsy gny voaloboky gny tany. Natorany tao agnaty famiazam-boaloboky bevatan'ny fahatezeran-Dranagnahary io. 20 Gny famaizam-boaloboky la nitsahy tagny ivelan'ny tana, sady gny ra la niraraky bakao amin'io ka avy hatregny amin'ny ahabon'ny lamboridin-tsoavaly, zay 1.600 stadio.