Toko faha 13

1 Sady nahita bibi-dia aho niakatsy baka amin'ny ranomasina. nana tandroky folo io voho loha fito. Teo amin'ny tandrony la nisy dadema folo, sady teo amin'ny lohany la nisy agnara fivolagnan-draty iaby. 2 Gny bibi-dia zay hitako la manahaky gny leoparda. Gny tombony la manahky gny tomboky bera, voho vavany la manahaky gny vavan'ny liona. Gny dragona nagnome gnazy gny heriny, gny seza fiandrianay, voho gny fahefany bevata hanapaky. 3 Gny lohan'ny gny bibi-dia raiky la atao raha fa maty , kanefa sitrana gny ratsy saiky nahafaty gnazy. Voho tseriky gny tany iaby ka nagnaraky gny bibi-dia. 4 Voho la niankohoky koa teo amin'ny gny dragona rozy, fotony ie ro nagnome gny fahefany ho gnan'ny bibi-dia. Niankohoky teo amin'ny gny bibi-dia, koa, rozy, voho niresaky hoe:" Ia ro manahaky gny bibi-dia?" voho " Ia ro afaky mialy aminy?" 5 Namea tsihovy zay afaky miresaky firehareha voho fivolagnan-draty lay bibi-dia. Namea ala ie mba hampihatsa fahefa mandritsy gny efapolo efatsamby vola. 6 Sady nanokatsy gny tsihoviny hivola raty gnan-Dranagnahary gny bibi-dia: Niresaky raty gny agnarany, gny toera zay hipetrahany voho reo zay mipetraky ao an-dagnitsy. 7 Nenga hialy tamin'ireo mpino voho handresy gnan-drozy lay bibi-dia. Sady koa , gny fahefa la namea gnazy manera gny foko, gny olo, gny firesaky , voho gny firenena manontolo. 8 Hiankohoky eo aminy reo iaby zay mipetraky agnabon'ny tany, reo zay tsy voasoratsy agnara, nandritsa gny famorogna zao tontolo zao, ao amin'ny Bokin'ny Fiaigna, zay gnan'ny Anak'aondry, zay fa nivonoa. 9 Laha misy manan-tsofy , ao ie hijanjy. 10 Laha misy nala babo, la handeha amin'ny fahababoa ie. Laha misy nivonoa tamin'ny sabatsy, amin'ny sabata ro hamonoa gnazy. Toy ro antso ho gnan'ny fahareta voho finoa ho gnan'ireo zay masina. 11 Sady nahajery bibi-dia hafa aho niakatsy bakamin'ny tany. Io la nana tandroky roe manahaky gny anak'aondry, voho niresaky manahaky gny dragona. 12 Nampihariny iaby gny fahefa manontolo gnan'ny gny bibi-dia voalohany eo agnatregany, sady gny tany voho reo zay mipetraky eo aminy la asainy miankohoky eo amin'ny gny bibi-dia voalohany__ gny raiky zay sitrana tamin'ny raty saiky nahafaty gnazy. 13 Nanao fahagaga maro bevata ie. Nampizotso bolo bakagny an-dagnitsy ho amin'ny tany teo agnatrehan'ny olo. 14 Tamin'ny alalan'ny famantara la namea alala gnanao io, namitaky gnan'ireo zay mipetraky ambonin'ny tany io. Niresaky tamin-drozy io mba hanambotsy sary ho voninahitsy gny bibi-dia zay voaratran'ny sabatra nefa velo. 15 Nenga asia ay gny sarin'ny bibi-dia mba ahafahan'ny gny sary miresaky voho zay iaby tsy manaiky miankohoky amin'ny gny bibi-dia la nivonoa. 16 Nanery gny kirakiraiky avao koa io, na gny kely na gny bevata, na gny manan-draha na gny mahantsa, na gny tsy andevo na gny andevo, la mandramby gny mariky eo amin'ny tagna ankavana na eo amin'ny handry. 17 Tsy hisy olo mahazo mivily na mamarotsy mandra-pahazoany gny mariky gny bibi-dia, io la isan'ny fanehoa gny agnarany. 18 Io la mitaky fahendrea , Laha misy olo manan-tsay , ao ie hagnisa gny isan'ny bibi-dia. Fa io la isan'ny olo. Io isa io la 666.