Toko faha 12

1 Famantara bevava ro hita tagny an-dagnitsy:" ampela nisiky gny masoandro, voho gny volana teo ambanin'ny tombony, voho gny satro-boninahitsy vita tamin'ny kintana folo roa amby ro teo amin'ny lohany. 2 Bevohoka ie, sady nikoraky mare fa fa ho teraky, ao agnatin'ny fihetsehan-jaza. 3 Bakeo nisy famantara hafa niseho tagny an-dagnitsy:" Ingo! Nisy dragona mena bevata mare zay nana loha fito voho tandroky folo, ka nisy satro-boninahitsy fito teo amin'ireo lohany. 4 Gny rambony la niafoaky gny ampahatelon'ny kintana tagny an-danitsa sady nanipy gnan-drozy tegny amin'ny tany. Gny dragona nijoro teo agnatrehan'ny gny ampela zay fa ho teraky, ka lafa teraky ie, la afaky handrapaky gny ananany ie. 5 Niteraky zazalahy ie, zay hanapaky gny firenena manontolo miaraky amin'ny tehim-by. Gny ananany la nala an-keriny ho agny amin-Dranagnahary voho ho eo amin'ny seza fiandriana, 6 sady gny ampela la nandositsy nagnagny agn'efitsy , zay nisy toera fa namean-Dranagnahary ho gnazy, ka la ho voakarakara mandritsy gny 1260 ie. 7 Sady nisy aly tagny an-dagnitsy. Mikaela voho reo anjely la nialy tamin'ny gny dragona; voho gny dragona voho gny anjeliny la namaly aly. 8 Fa tsy natanjaky gny dragona ka tsy naharesy. Ka tsy nisy toera ho gnazy voho reo anjeliny sasy tagny an-dagnitsa. 9 Gny dragona bevata_-zay nanera fahiny natao hoe devoly na satana, gny namitaky gnan'izao tontolo zao__ la natoraky tegny ambonin'ny tany, voho reo anjeliny la natoraky niaraky taminy. 10 Bakeo nahare feo mare bakagny an-dagnitsy aho:" Amizao la avy gny famonjena, gny hery, gny fanjakan-Dranagnaharintsika voho gny fahefan'i Kristiny. Fa gny mpiampanga gny rahalahintsika la natoraky tagny ambany, gny raiky zay miampanga gnan-drozy andro aman'alinaeo agnatrehan-Dranagnaharintsika. 11 Rozy la naharesy gnazy tamin'ny lion'ny Anak'aondry voho tamin'ny teny fijoroan-drozy vavolombelo, fa tsy nankamamy gny fiaignany sasy rozy ndra la faty aza. 12 Nohon'io , mifalia, nareo ry lagnitsy, voho zay iany mipetraky ao aminy. Fa mitandrema gny amin'ny tany voho gny ranomasina fotony gny devoly la nijotso tegny aminareo. Feno fahatezera ie, fotony hainy fa fotoa tsy ampy ro sisa hanagnany. 13 Lafa nahay gny dragona fa nazera tamin'ny tany ie, la nagnenjiky gny ampela niteraky zazalahy ie. 14 Fa gny ampela la namea elatsy roan'ny voromahery bevata , ka la afaky nitily nagnagny amin'ny gny toera nikarakarainy ho gnazy tagny agn'efitsy. Io gny toera hitsijoa gnazy, mandritsy gny telo tao voho tapany_-mba tsy ho jerin'ny gny menarana . 15 Namoaky rano manahaky gny renirano tamin'ny tsihoviny gny menarana, zay hifaoky an-dravehivavy. 16 Fa gny tany nagnampy an-dravehivavy. Nisokafin'ny tagny gny tsihoviny voho la nateliny gny riaky zay nivakin'ny tsihovin'ny gny dragona. 17 Sady nasiaky tamin-dravehivavy gny dragona ka niala nila ay tamin'ny ambin'ireo avorohotany , zay mankato gny lilin-Dranagnahary ka mita gny fijoroa vavolombelo momba gnan'i Jesosy . 18 Bakeo nitsanga teo amgnabon'ny fasiky gny ranomasina gny dragona.