Toko faha 47

1 Ho an'ny mpipaiky hira. Salamo nataon'ireo anaky lahin'i Kora. Mitehafa tagna ry vahoaky iaby; mihobia an-Dranagnahary amin'ny feon'ny fandresea. 2 Fa Yaveh ro Abo Indrandra ka hatahora; Ie ro Mpajaka bevata manera gny tany iaby. 3 Mandresy reo olo eo ambanintsika Ie sady reo firenena ho eo ambany tombontsika. 4 Mifily gny lovantsika ho antsika Ie, gny voninahitr'i Jakoba zay teany. Sela 5 Ndranagnahary ro fa niakatsy tamim-pihobia Ndranagnahary, Yaveh tamin'ny feon'ny antsiva. 6 Mihira fandrengea ho an-Dranagnahary, mihira fandrengea; mihira ho an'ilay Mpanjakantsika, mihira fandrengea. 7 Fa Ndranagnahary ro Mpanjaka manera gny tany iaby; mihira fandrengea amin'ny fahazavan-tsay. 8 Manjaka manera reo firenena Ndranagnahary; mipetraky agnabon'ny seza fiandrianany masy Ndranagnahary. 9 Reo Ndranagnaharin'ireo olo miango ho an'ny vahoakin-dragnaharin'i Abrahama; fa reo fiarovan'ny tany la an-Dranagnahary; Ie ro hasandratsy indrandra.