Toko faha 46
1
Ndranagnahary ro fialofanay vo herinay, famonjena mahatoky amin'ny fampijalea.
2
Noho izay la tsy hatahotsy rahay, na la tokony hiova aza gny tany, na la tokony hihovitrovitry aza reo tendrombohitsy,
3
na la mihorohoro vo misamboaravoara aza gny ranony, sady na la magnovitsy misondry amin'ny fisafoakany aza reo tendrimbohitsy. Sela
4
Misy ony ao, gny fikorian'izay la mampifaly gny tanan-Dranagnahary, la gny fipetraha masin'ireo tabernakelin'ilay Abo Indrandra.
5
Ndranagnahary ro eo agnivony; tsy ho tafahetsiky izay; Ndranagnahary ro hagnavotsy gnazy, sady hanao izay amin'ny vao maraindray be Ie.
6
Meloky reo firenena sady voahozongozo reo fanjaka; nanandratsy gny feony Ie, ka nilenty gny tany.
7
Mikasiky antsika Yaveh tompon'ny maro; gny Ndranagnaharin'i Jakoba ro fialofanay. Sela
8
Avia, ingo reo asan'i Yaveh, gny fandrava zay fa nataonyu tegny amin'ny tany.
9
Ampitsahariny zisiky amin'ireo vazan-tany gny aly; mamotipotiky gny tsipiky Ie sady manapatapaky gny lefo; mandoro gny fiarova Ie.
10
Magnina sady haizo fa Zao ro Ndranagnahary; Ho asandratsy eo amin'ireo firenena Zaho; ho asandratsy egny amin'ny tany Zaho.
11
Mikasiky antsika Yaveh Tompon'ny maro, gny Ndranagnaharin'i Jakoba ro fialofantsika. Sela