Toko faha 45

1 Mamoaky foto-kevitsy soa gny foko; hovaliako mare reo safa zay narafitriko mikasiky gny mpanjaka, gny lelako ro penin'ny gny mpnoratsy mahay. 2 Iha mbo soa mihoatsy gny anak'olombelo; fahasoava ro voararaky eo imotrao; noho izay la hainay fa Ndranagnahary ro fa nitahy gnanao zisiky farany. 3 Apetraho eo agnilanao gny sabatrao, ry lay mahery, amin'ny voninahitrao vo gny fahalehibiazanao. 4 Amin'ny fahalehibiazanao la mandeha amim-pandresea noho gny fahamendreham-pitokisanao; hanoro gnanao raha mampatahotsy gny tagnanao ankavana. 5 Maragnitsy reo ana-tsipikanao; lavo ao ambaninao gny vahoaky; ao amin'ny fon'ireo fahavalon'ny mpanjaka reo ana-tsipikanao. 6 Gny seza fiandriagnanao, Ndranagnahary o, la zisiky farany; tehin'ny rariny gny tehin'ny fanjakanao. 7 Tea fahamarigna Iha sady malay gny faharatia; noho izay Ndranagnahary, Ndranagnaharinao, la fa nagnosotsy gnanao tamin'ny diloilon'ny fisinisinia mihoatsy noho reo namanao. 8 Gny salotrao iaby mamofo miora, vahomba, sady kasia; fa nampifaly gnanao reo valihaany ivelan'ny lapa ivoara. 9 Reo anak'ampelan'ny mpanjaka la isan'ireo ampela manan-kaja; eo an-tana ankavananao ro mijoro gny mpanjakavavy misalotsy volamenan'i Ofira. 10 Mijanjigna, ry anak'ampela, mandiniha sady atongilano gny sofinao; alinao gny vahoakanao vo gny tragnon-drainao. 11 Amin'ny alalan'izay la hagniry gny hasoanao gny mpanjaka, ie ro tomponao, hajao ie. 12 Gny anak'ampelan'i Tiro la ho agny misondry amin'ny fanomeza; gny manan-kanagna eo amin'ny olo la hisoloho gny fankasitrahanao. 13 Reo anak'ampelan'ny mpanjaka ao an-dapa la be voninahitsy iaby; gny salony la natao tamin'ny volamena. 14 Ho andesy eo amin'ny mpanjaka ie amin'ny tohitena misy peta-kofehy; reo virijiny, namany zay manaraky gnazy. la ho andesy agnaminao. 15 Ho tarihy ami-pisinisinia vo fifalia rozy hilitsy ao an-dapan'ny mpanjaka rozy. 16 Ao an-dapan'ireo razanao ro hisy reo anakao, zay hataonao andria eran'ny tany iaby. 17 Hampahatiaro gny agnaranao amin'ny taranakao iaby zaho; noho izay gny vahoaky hanolotsy fisaora gnanao zisiky farany.