Toko faha 44

1 Ho an'ny mpipaiky hira. Salamo nataon'ireo anaky lahin'i Kora. Maskila. Renay tamin'ny sofinay, Ndranagnahary o, Nisafagnin-drozy razanay taminay gny asa nataonao tamin'ny andron-drozy, tamin'ny andro taloha. 2 Noroahinao tamin'ny tagnanao reo firenena, fa nampipetrarinao gny vahoakanay; Nampijaly reo olo Iha, fa naelinao tany amin'ny tany gny vahoakanay. 3 Fa tsy azon-drozy mba ho fanagnany tamin'ny alalan'ny saban-drozy avao gny tany, na gny sandrin-drozy manoka sady tsy nahavonjy gnazy reo; nefa gny tagnan-kavananao, gny sandrinao, voho gny fahazavan'ny vatanao, fotony soa tamin-drozy Iha. 4 Ry Ndranagnahary, Iha ro mpanjakako; lilio gny fandresea ho gnan'i Jakoba. 5 Amin'ny alalanao ro hanindrianay reo mpialy agnaminay; amin'ny alalan'ny agnaranao rahay ro hanosihosy gnazy reo, reo zay mimitsanga hanohitsy gnanay. 6 Fa tsy hitoky amin'ny tsipikako zaho, na gny sabatro hagnavota gnahy. 7 Fa nagnavotsy gnanay tamin'ireo mpialy agnaminay Iha, sady nampahamegnatsy reo nalay gnanay. 8 Ao amin-Dranagnahaty ro nagnaovanay gny fireharehanay amin'ny andro lava iaby, sady hanolotsy fisaora ho an'ny Agnaranao zisiky farany rahay. Sela 9 Fa henanizao fa nagnary gnanay Iha ka nanday gnanay tamin'ny fahafam-baraka, sady tsy niboaky nisondry tamin'ny tafikay Iha. 10 Nampihemotsy gnanay tamin'ireo mpialy Iha; voho reo zay malay gnanay naday gny hanagna ho an-drozy. 11 Nataonao manahaky gny ondry voalahatsy ho fisakafo rahay noho naelinao teo amin'ireo firenena. 12 Mamarotsy gny vahoakanao amin'ny tsy antony Iha; tsy nampitombo gny hanagna Iha tamin'ny fanaova izay. Manao gnanay ho ho fivolagna mare ho an'ireo namanay Iha, naneso vo nisangisangy gnanay tamin'ireo magnodidy gnanay. 14 Manao gnanay ho faniratsira eo amin'ireo firenena Iha, ho loham-pangovita eo amin'ireo olo. 15 Magnoloa gnahy andro lava iaby gny fahafam-baraka, sady hegnatsy gny vatako ro mandrakotsy gnahy 16 noho gny feony zay misafa mare vo maniratsira gnahy, noho gny fahavalo vo gny mpamaly faty. 17 Avy agnaminay iaby zay iaby zay; nefa Iha tsy alignonay na tsy nankato gny fagnenkem-pilongoanao. 18 Tsy nimpoly lala gny fonay; tsy niala tamin'ny lalanao gny lianay. 19 Nefa nanapaky mare gnanay teo amin'ny toeran'ny amboadia Iha sady nandrakotsy gnanay tamin'ny aloky gny fahafatesa. 20 Laha nagnaligno gny Agnaran-Dranagnahary rahay na mamalatsy gny tagnanay tamin-Dranagnahary hafa, 21 moa tsy hila zay va Ndranagnahary? Fa mahay gny tsiambaratelon'ny fo Ie. 22 Eka tokoa. noho gny Agnaminao ro hamonoa gnanay amin'ny gny ondry ho amin'ny famonoa rahay 23 Mifohaza, nagnino ro marorororo iha, Tompo o? Mitsangana, ka magnary maharitsy gnanay. 24 Nagnino ro la magnetaky gny vatanao Iha sady magnaligno gny fijaleanay vo gny fampijalea gnanay? 25 Fa milentiky agnaty vovoky rahay reto vatanay mipitiky amin'ny tany. 26 Mitsanagana ho famanjena sady magnavota gnanay noho gny amin'ny fagnekenao mahatoky.