Toko faha 41
1
Ho an'ny mpapaiky hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatsy zay mahatiaro gny osa; amin'ny androm-pahoria, ro hagnavotan'i Yaveh gnazy.
2
Hiaro vo hitandrina gnazy tsy ho maty Yaveh, sady la ho sambatsy eto an-tany ie; tsy hamadiky gnazy amin'ny sitrapon'ireo fahavalony Yaveh.
3
Hanoha gnazy eo amin'ny fandrian'ny fijalia Yaveh; hanao gny faroroany arety ho firoroan'ny fagnasitraha Iha.
4
Hoy zaho hoe: " Yaveh o, mamindra fo agnamiko! Sitrako zaho, fa nanota tagnaminao zaho."
5
Misafa raty gnahy reo fahavaloko, manao hoe: ' Mbia ie ro ho faty sady gny agnarany ho rava?'
6
Laha avy mba hijery gnahy gny fahavaloko, la misafa raha tsisy dikany ie; manangona reo lozako ho an'izay avao gny fony; lafa miala gnahy ie, la mivola gny momban'izay amin'ny hafa.
7
Reo iaby malay gnahy mira-mitakoritsiky mamango gnahy; magnantena gny handratsy gnahy rozy.
8
Hoy rozy hoe: " Misy arety mafy mifikitsy agnaminy; zao ie matory, ka tsy hitsanga sasy."
9
Eka fa na la gny namako marikitry aza, izay natokisako, izay nihina gny mofoko, la fa nananga gny ombalahin-tomboky hanohitsy gnahy.
10
Fa iha, ry Yaveh, mana famindram-po sady atsangano zaho hahafahako mamaly gnazy reo.
11
Amin'izay ro hahalalako fa faly agnamiko iha, fotony tsy maharesy gnahy gny fahavaloko.
12
Laha gny agnamiko, la manoha gnahy amin'ny tsy fivalihanao Iha sady hitanjaky gnahy eo agnatrehan'ny vatanao traky farany.
13
Ho rengea zisiky farany ka ho traky farany anie Yaveh, Ndranagnaharin'Israely. Amen la Amen. Boky faharoa