Toko faha 40
1
Nandigny tamim-pahareta gnan'i Yaveh zaho; nijanjy gnahy Ie sady nahare gny taraignako.
2
Nanday gnahy hiakatsy bakao an-davaky mahatsiravina Ie, avy tao amin'ny fotaky mandrevo, ka nampijiro gny tomboko teo agnabo vatolampy Ie sady niaro gny liako.
3
Nasiany hira vaovao teo imolotro, fandrengea ho an-Dranagnaharintsika. Maro ro hahajery zay ka hagnome voninahitsy Gnazy vo hitoky amin'i Yaveh.
4
Sambatsy gny olo zay manao gnan'i Yaveh ho tokiny vo tsy magnome voninahitsy gny mpirehareha na reo zay mpivaliky aminy ho amin'ny vandy.
5
Maro, ry Yaveh Ndranagnahariko, reo asa mahagaga zay fa vitanao, sady tsy hay isa gny hevitrao momba gnanay; laha magnambara vo misafa regny zaho, la ho mihoatran'izay azo isa regny.
6
Tsy mankasitraky gny sofiko na fagnatitsy Iha, fa nanokatsy gny sofiko; tsy mba nangataky fagnatitsy oroa na fagnatitsy noho gny ota Iha.
7
La hoy zaho hoe: " Ingo, avy zaho; voasoratsy ao amin'ny horonam-boky gny momba gnahy.
8
Sitrako gny hanao gny sitra-ponao, Ndranagnahariko o; ato am-poko gny lalagnao".
9
Fa nagnambara vaovao mahafalin'ny fahamarignanao tamin'ny fiangonan-dehibe zaho; Yaveh o, haiko fa tsy nangina tamin'ny fanaova zay gny molotro.
10
Tsy nokoboniko tao am-poko gny fahamarignanao; fa namabarako gny fahatokianao vo gny famonjenao; tsy nokoboniko tamin'ny fiangonan-dehibe gny fagnekem-pahatokianao vo gny fahamendreham-pitokianao.
11
Ka manaka gny asam-pamindram-ponao tsy ho agnamiko, ry Yaveh; ao gny fagnekenao mahatiky no gny fahamendreham-pitokia hiaro gnahy traky farany.
12
Magnodidy gnahy gny koronta zay tsy hay isahy; nahatratsy gnahy reo heloko ka tsy afaky mahita na ino na ino sasy zaho; maro noho reo volo eo an-dohako reo, sady reraky fanavota.
13
Misinisinia, ry Yaveh, amin'ny fagnavota gnahy; fainga hagnampy gnahy, ry Yaveh.
14
Ao ho megnatsy vo ho diso fagnantena tanteraky rozy zay mikendry gny aiko mba hangalaky izay.
15
Ao ho meloky noho gny fahafaham-baraka, reo manao agnamiko hoe: " Ahah, ahah!"
16
Fa ao hisinisiny vo hifaly agnaminao reo iaby mila Gnanao; ao gny iaby tea gny famonjenao hisafa traky farany hoe: " Horengea anie Yaveh".
17
Mahantra vo ory zaho; nefa mihevitsy gny momba gnahy gny Tompo. Iha ro famonjena gnahy sady avy amin'ny fagnavota gnahy Iha; aza mitarendretra, Ndranagnahariko o.