Toko faha 42
1
Manahaky gny fandrengea magniry rano mikoria mare, ro hetahetako ho Gnanao, ry Ndranagnahary.
2
Mangetaheta an-Dranagnahary zaho, ho an'ilay Ndranagnahary velo . Mbia zaho ro ho avy vo hiseho eo agnatrehan-Dranagnahary?
3
Gny ranomasoko ro lasa sakafoko andro amagn'aly, laha misafa agnamiko zisiky farany reo fahavaloko hoe: " Aia gny Ndranagnaharinao?
4
Reto raha reto ro avy ao An-tsaiko laha mandraraky gny fagnahiko zaho: endrey gny nandehanako nisondry tamin'ny vahoaky o nitarihako gnazy reo tao an-tragnon-Dranagnahary tamin'ny koraky mpisinisinia vo fendrengea, fankalaza maro be gny fisinisinia.
5
Nagnino ro mitagnondriky iha, ry fagnahiko? Nagnino iha ro meloky ao agnatiko? Manantena an-Dranagnahary, fa handrengeako Gnazy zay famonjeko ndraiky zaho.
6
Ry Ndranagnahariko, gny fagnahiko la mitagnondriky Gnanao zaho avy amin'ny tanin'ny Jordana, amin'ny tendro telon'ny Tendrombohitr'i Hermona, sady avy amin'ny havoan'i Mizara.
7
Gny laliky mikaiky gny laliky ao amin'ny tabataban'ireo riandranonao; reo onjanao vo reo alon-dranonao iaby la fa nagnafotsy gnahy.
8
Nefa Yaveh handidy gny fagnekeny mahatoky amin'ny atoandro; gny amin'ny haliky la hisondry agnamiko gny hirany vavaky raiky ho an-Ndranagnahary gny aiko.
9
Zaho hisafa amin-Dranagnahary, vatolampiko hoe: " Nagnino ro la nagnaligno gnahy Iha? Nagnino ro la mandeha miojy noho gny fampahoarian'ny fahavalo zaho?"
10
Manahaky gny fisian'ny sabatsy eo amin'ny taolako, ro itenenan'ireo mpialy agnamiko gnahy mare, laha mivola agnamiko zisiky farany rozy hoe: " Aia gny Ndranagnaharinareo?"
11
Nagnino ro mitagnondriky iha, ry fagnahiko? Nagnino ro meloky ato agnatiko iha? Manantena an-Ndranagnahary, fa mbo handrengy Gnazy zay famonjea ho gnahy vo Ndranagnahariko ndraiky zaho.