Toko faha 38
1
Salamo nataon'i Davida, mba hinday fahatiarova. Ry Yaveh, ka misafa mare gnahy amin'ny hatezeranao ; ka magnazatsy gnahy amin'ny fahatezeranao.
2
Fa mandefona gnahy gny tsipikinao, sady manindry gnahy gny tagnanao.
3
Marary nohon'ny hatezeranao iaby gny vatako manotonto; tsy misy fahasalama ao amin'ny.
4
Fa maneniky gnahy gny heloky; enta-mavesatsy ho gnahy reo.
5
Maharariry reo bako sady mamofo noho reo adalako.
6
Mitagnodriky zaho sady afa-baraky isan'andro; miojy andro lava zaho.
7
Fa ao agnatiko, la feno fireheta, tsy misy fahasalama ao amin'ny nofoko.
8
Torovana zaho sady torotoro tokoa; misento nohon'ny fangirifirian'ny foko zaho.
9
Tompo o, hainao gny faniriany laliky indrindra ao am-poko, sady tsy mietako aminaony sentoko.
10
Midobodoka gny foko, miha-malazo gny heriko, mibaha gny fahitan'ny masoko.
11
Reo namako vo reo mpiara-mitory agnamiko la magnalavitsy gnahy noho gny toe-javatsy misy agnamiko; mijoro mihataky gnahy reo namako.
12
Mamelatsy fandriky ho gnahy reo zay mikedry gny handratsy gny aiko. Reo zay mikendry fahapoteha ka misafa teny fitaky gny tontolon'ny androny.
13
Fa zaho, manahaky gny olo manegny zaho sady tsy mahajanjy na ino na ino manahaky gny olo moa tsy misafa na ino na ino.
14
Manahaky gny johary Zay tsy mahare vo tsy mana valin-teny zaho.
15
Mandigny Gnanao tokoa zaho, ry Yaveh; hamaly Iha, ry Tompo Ndranagnahariko.
16
Misafa zay zaho mba tsy ho misinisiny agnamiko reo fahavaloko. Laha solafaky gny tomboky, la hanao raha-loza agnamiko rozy.
17
Fa marikitsy tafitohy zaho, sady magnehetsy avao.
18
Manaiky gny heloko zaho; matahotsy gny amin'ny fahotako zaho.
19
Nefa maro be reo fahavaloko; maro reo zay malay gnahy tsy ankoatsy ahoana.
20
Mamaly raty gnahy rozy noho gny soa; mitoraky fiampanga gnahy rozy na la nagnaraky zay soa aza zaho.
21
Ka magnenga gnahy, ry Yaveh; Ndranagnahariko, ka magnalavitsy gnahy.
22
Miavia malaky hamonjy gnahy, ry Tompo, mpamonjiko.