Salamo toko faha 34
1
Handrengy an'i Yaveh ami-gny fotoa iaby zaho, ho am-bavaka mandrakizay gny fandrengea Azy.
2
Handrengy an' i Yaveh zaho! Ao gny malahelo hahaja ka ho faly.
3
mandrengea an' i Yaveh tsika.
4
Nila gnan' i Yaveh zaho ka la namaly ahy Ie, ka la nagnome ahy fandresea tami-gny havakako iaby.
5
ze magnenty Azy la mamirapiratsy, nrdaiky tsy ho megnatsy gny tarehindrozy.
6
Nitagny toy johary malahelo toy ka la nahaja gn'azy Yaveh ndraiky nagnavotsy gn'azy taminy gny alahelony iaby.
7
Mivory ami-gny ze mavaka Azy gn' anjelin' i Yaveh ka mandomba androzy.
8
Andramano ka henteo fa soa Yaveh. Sambatsy gn' olo ze mialoky Aminy .
9
Mavaka an' i Yaveh, anareo ry olony masy. Tsy hisy raha hampalahelo ze matahotry azy.
10
kindraindray la tsy ampy sakafo gny liona tanora ka maty mosary ,fa ze mila an' Yaveh koa tsy halahelo raha soa.
11
Avia gnanaky, minjanjigna ahy. hampianatsy antsika gny fahavakana an' Yaveh zaho.
12
Olo ia ro magniry fiaignaka tea anrdo maro ,mba hahajery gny soa?
13
Ka embeno ami-gny raty gny lelanao ndraiky embeno ami-gny fivolagna vandy gny sainao.
14
Ialao gny raty ndraiky manaova gny soa .Mila filongoa ka araho zay.
15
Gny fijery Yaveh la mandeha ami- gny to sy sofiny minja gny tagnin- drozy.
16
Gny tarehin' i Yaveh la manohitsy ze manao raty ,mba hangalana gny fahatiarovana an- drozy an- tany etoy.
17
Mitaray gny to sy minja i Yaveh ka mamonjy an drozy ami- gny alahelo ny iaby.`
18
Agnilany gny fo torotoro i Yaveh ,sy mandomba ze torotoro fagnahy.
19
Maro gny olany to ,sady magnafaky an- drozy ami- gny raha iaby zay Yaveh.
20
Mitanjaky gny taolany iaby ie, tsy hisy tapaky zay ndrata raiky aza.
21
Hamono gny raty fagnahy gny loza.ho voasiaky ze malay gny to.
22
Mandomba any gny mpanompony Yaveh. ka tsy hisy, ho voasiaky gny mialoky aminy.