Faha 29

1 Salamo nataon'i Davida.Magnomeza fandrengea an'i Yaveh,nareo anak'Andranagnahary! magnomeza fandrengea an'i Yaveh nohon'ny gny voninahiny ndraiky gny heriny. 2 Omeo an'i Yaveh gny voninahitsy zay magneva gny agnarany. Mihohofa agnamin'i Yaveh ami-gny famirapiratany gny fahamasignany. 3 Gny feon'i Yaveh la janjy agnambony gny rano ; ry an-Dranagnahary ny voninahitsy gny hotroky,sady Yaveh mikotroky ami-gny rano maro. 4 Gny feon'ny Yaveh la mahery;gny feon'i Yaveh la be voninahitry. 5 Gny feon'i Yaveh la mamaky reo sedera ;sady potepotehin'i Yaveh reo sedera agny Libanona. 6 Mampitsamboko gnan'i Libanona manahaky gnanak'aomby voho Siriona manahaky gny vanton'aomby Ie. 7 Gny feon'i Yaveh la mamoky lelam-bolo. 8 Gny feon'i Yaveh la mapihozongozo gny tany efitry ;Yaveh mampangozohozo gny efitr'i Kadesy. 9 Gny feon'i Yaveh la mahavy gny hazo terebinta hihetsiky sady la magnofy gny holiny gny ala. Gny olo iaby agny am-piangonany la mivola hoee: " voninahitry! 10 Yaveh la mipetraky manahaky gny mpanjaka eo amin'ny tondra-drano; Yaveh la mipetraky manahaky gny mpanjaka mandrakizay. 11 Yaveh la magnome hery gny olony ;Yaveh la mitahy gny olony amim-piandana.