Faha 27

1 Yaveh ro fahazavako sady mpandomba gnahy;Ia ro havakako? Yaveh ro fialofany gnaiko;ia ro hangitikitihako? 2 Laha mamonjy gnahy hanimba gny nofoko reo mpanao raty ,reo mpandrafy gnahy voho reo fahavaloko la ho totohatsy ka ho tonta. 3 na misy tafiky mikasa hanohitsy gnahy aza,ka la tsy havaka gny foko ;na la misy aza gny aly hanohitsy gnahy,ndra amizay aza la mbo hijano matoky zaho. 4 Raha raiky ro nangatahako tamin'i Yaveh ,sady hila an'izay zaho: mba hahafaky gnahy hipetraky an-tragnon'i Yaveh , ka hila an' izay zaho; mba hahafaky ahy mipetraky an- tragnon'Yaveh mandraky amign'andro iaignako, mba hahajery gny hasoan'i Yaveh ndraiky hametsivetsy an-mpiangonany. 5 Fa amign' androm- pijaleako la magnetaky ahy ami- gny fialofany ie ; ami- gny firakotsiny gny lainy ro hagnetahany ahy. Hampiakatsy gnahy ho egny amin'ny vatolampy Ie! 6 voho gny kabesoko hisondrotsy amboniny fahavaloko magnodidy gn' ahy iaby , hagnomea gny fagnati-pisaoram-pifalia an-dainy ao aho!Hiantsa ndraiky hanao fiantsa ho an' i Yaveh aho! 7 Mijanjigna gny feoko, Yaveh o, lafa mikaiky mare aho! mamindra fo amiko, ka valio aho! 8 Gny foko mivola momba Anao hoe: " Tiarovo gny tarehiny! " Mila gny tarehinao aho, ry Yaveh! 9 Ka magnetaky gny tarehinao amiko ; ka mangala an-kasiaha gny mpanomponao! Iha ro fa nandomba ahy ; ka mahafoy na manenga ahy, ry an-Ndranagnahary mpandomba ahy! 10 Fa na mahafoy ahy aza gny raiko ndraiky gny reniko, Yaveh ro handramby ahy. 11 11 Ampianaro gnahy gny lalanao ,Yaveh! tariho amign'ny lala to aho noho gny fahavaloko reo. 12 Ka magnary gnahy ho amign' ny fikasan'ireo fahavaloko , fa reo gny vavolombelo sandoky fa mitsanga hanendriky gnahy. 13 Ino ro ho nahazo gnahy laha tsy nino zaho fa la hahita gny hasoan'i Yaveh eo ami-gny tany hipetraha? 14 Mandignisa an'i Yaveh; voho mifatrara,ao gny fonao hahery!Mandignasa an'i Yaveh!