Toko faha 5

1 Bakeo tegny ampiatan'ny ranomasina rozy, tao amin'ny farits'i Gerasena. 2 Lafa niala bakao amin'ny sambokely Jesosy, avy hatragny la nisy johary raiky azon'ny fagnahy maloto namonjy Gnazy bakegny amin'ny fasana. 3 Nipetraky tegny amin'ny fasana toy johary toy. tsy nisy afaky nitanjaky gnazy sasy, ndra la tamin'ny rojo vy aza. 4 Voafehy gny maro tamin'ny gadra vy voho rojo ie. Nitapahany reo rojo sady potiky reo gadra vy. Tsy nisy nana hery nifehy gnazy. 5 Isaka'alina voho isan'andro tegny amin'ireo fasana voho tegny an-tendrombohitsy, la nikoraky ie sady nandratsy gny vatany tamin'ny vato maragnitsy. 6 Lafa nahajery gnan'i Jesosy bakagny lavitsy ie, la nilay nandeha aminy sady niankohoky teo agnatrehany. 7 Sady nikokary tamin'ny feo mahery ie hoe:" Ino moa ro ifandraisako aminao, ry jesosy, anakin-dranagnahary agnabo Mare? Miangavy gnanao amin'ny agnaran-Dranagnahary raiky avao aho, ka mampijaly gnahy." 8 Fa Ie niresaky taminy hoe:" Miboaha amin'io johary io, fagnahy maloto." 9 Sady Ie nagnontany gnazy hoe:" ia ro agnaranao?" ka nivaliany hoe:" Legiona ro agnarako, fotony maro mare rahay." 10 Voho niangavy mare Taminy hatragny hatragny ie tsy handroaky gnan-drozy agny ivelan'ny faritsy. 11 Sady nisy andian-koso niraoky tegny an-tedrombohitsy , 12 sady niangavy taminy rozy, nanao hoe:" alefao ao amin'ireo koso rahay; engao rahay hilitsy ao amin'ireo." 13 ka la nengany rozy; ka niboaky reo fagnahy maloto ka la nilitsy tao amin'ireo koso, sady avy la nirifatsy tegny amin'ny hantsana ho agny an-dranomasina rozy, sady koso teo amin'ny roa arivo ro maty an-dranamomasina. 14 Nitsoaky nandositsy reo nampihina gny koso sady nitatitsy gny raha niseho tao an-tana voho tagny ambanivohitsy, ka olo maro ro niboaky hanenty gny raha niseho. 15 Bakeo rozy nandeha amin'i Jesosy ka jerin-drozy gny johary nipetrahan'ny demonia, gny raiky zay nipetrahan'ny legiona, nipetraky teo, nisiky voho vory saina; ka la natahotsy rozy. 16 Reo zay nahajery gny raha niseho tamin'ny gny johary nipetrahan'ny demonia la nitantara tamin-drozy gny mikasiky gnan'io tamin'ny antsipiriany, sady koa nitantara momba reo koso tamin-drozy. 17 la nanomboky niangavy Gnazy rozy mba hialany eo amin'ny faritsin-drozy. 18 Lafa hiakatsy tao amin'ny sambokely Ie, la niangavy taminy gny johary nipetrahan'ny demonia mba hiaraky aminy. 19 fa zao tsy namela gnazy anefa Jesosy, fa nanao taminy hoe:" Mandehana moly agny amin'ny tragnonao voho gny longonao ka tantarao amin-drozy zay nataon'ny Tompo taminao, voho namindrany fo taminao!" 20 la lasa noly ie ka nanomboky nagnambaragny raha bevata zay nataon'i Jesosy taminy tagny Dekapolisy, sady tandregna gn'olo. 21 sady lafa nandeha tegny am-pita ndraiky Jesosy , tamin'ny sambokely, la ndreo nisy vahoaky maro la maro nivory nagnodidy Gnazy, laha teo amoron'ny ranomasina igny Ie. 22 bakeo avy gny raiky amin'ireo mpitariky gny Synagoga, atao hoe Jairo, ka raha vao nahita Gnazy, la niantoraky teo an-tombony. 23 Nitalaho hatragny hatragny ie, nanao hoe:" marary mare fa ho maty gny anakampelako. Mitalaho aminao aho, avia ka apetraho aminy gny tagnanao mba ho janga voho ho velo ie." 24 la lasa niaraky taminy Ie, sady vahoaky lako ro nagnaraky voho nanery nagnodidy Gnazy. 25 Sady nisy ampela raiky teo agnivon'ny fahaverezan-dra nandritsy gny folo roamby tao. 26 Nijaly mareo tokoa ie sady nitety mpitsabo maro voho nandany gny fanagnany manontolo, nefa tsy nahajery fahasitsana fa vao maika aza hiharaty. 27 Lafa nahare reo tatitsy momban'i Jesosy ie, la nandeha afarany tao agnatiny vahoaky ie sady nikasiky gny fisikinany. 28 Fotony hoy ie hoe:" Laha mahakasiky gny sikiny avao aho, la ho janga." 29 Lafa nikasiky Gnazy ie, la nijano gny fahatroboan-dra, sady tsapany hatrany agnaty fa janga tamin'ny aretiny ie. 30 hain'i Jesosy niaraky tamin'izay fa nisy hery niala bakaminy. Nitoliky tagny amin'ny vahoaky Ie sady niresaky hoe:" Ia ro nikasiky gny fisikinako?" 31 La namaly Gnazy reo mpianany hoe:" Hitanao reo vahokay lako mifanesiky aminao reo, ka hoy Iha hoe:" Ia ro nikasiky Gnahy." 32 Fa nijery gny magnodidy Gnazy Jesosy mba hahitany zay nanao gnan'io. 33 Gny sevaky, nahay zay nitranga taminy, la natahotsy voho nangovitsy. nandeha ie sady niantoraky teo agnatrehan'i Jesosy ka nilaza taminy gny marina iaby. 34 la hoy Jesosy taminy hoe:" anaka, gny finoanao ro nahasitsana gnanao. mandehana amin'ny fiadagna fa janga amin'ny aretinao." 35 Laha mbo niresaky Ie, la avy gny olo sasany bakagny amin'ny mpitariky gny synagoga, nanao hoe:" fa maty gny anakao. Nagnino ro mbo manahira gny mpampianatsy avao?" 36 Fa lafa nahare zay niresahan-drozy Jesosy, la hoy Ie tamin'ny gny mpitariky gny synagoga hoe:" Ka matahotsy . Minoa fotsiny avao." 37 Sady tsy nengany hiaraky aminy, afa-tsy Petera, Jakoba voho Jaona rahalahin'i Jakoba. 38 Bakagny an-tragnon'ny gny mpitariky gny synagoga rozy ka nahajery olo nitabataba mare teo Ie, nitagny voho nidradradra mare rozy. 39 Lafa nilitsy gny tragno Ie, la hoy Ie tamin-drozy hoe:" nagnino nareo ro mitoretoreo voho tomagny? Tsy maty gny aja fa miroro." 40 Nihehy Gnazy rozy. Nefa naboakiny tagny ivelany rozy iaby sady nangalaky gny ray voho gny renin'ny gny aja voho reo zay niaraky taminy, ka nilitsy tao amin'ny efitsy nisy gny aja Ie. 41 Nirambesisny gny tagnan'ny gny aja ka niresaky taminy hoe:' Talita, Komy!" zay adika hoe:' razazavavy, miresaky aminao Aho, mitsangana." 42 Avy hatragny la nitsanga razazavavy ka nandeha ( fotony folo roamby tao ie) . Tandregna avy hatrany rozy. 43 Nirarany mare rozy mba tsy hisy na ia ia hahay gny momba gnan'izao. Bakeo la nasainy namea hany razazavavy.