Toko faha 9

1 Nikaiky gny foloroamby lahy Ie ka nagnome gnan-drozy gny hery voho gny fahefa amin'ny gny demonia iaby voho hagnasitra gny arety iaby. 2 Nalefany rozy hitory gny fanjakan-Ndranagnahary voho hagnasitra gny marary. 3 Hoy Ie tamin-drozy hoe:"Ka manday ndra ino ndra ino amin'ny gny lianareo,tsy misy tehy, tsy misy kitapom-batia,tsy misy mofo,tsy misy drala,voho tsy misy akanjo fagnampiny. 4 Ze tragno iliranareo,la mijanogna ao zisiky hialanareo. 5 Ndra aia ndra aia tsy andrambesan-drozy gnanareo,lafa magnendga zay tana zay nareo, la ahitsagno hiala amin'ny gny tombokareo gny bontany mba ho fijoroa vavolombelo anohera gnan-drozy." 6 Bakeo la lasa rozy ka namakivaky reo tana reo,nitory gny filazantsara voho nagnasitra tegny . 7 Ka jan'i Eroda mpanapaky gny raha iaby niseho,ka la veri hevitsy ie,fotony voavolan'ny gny sasany fa Jaona mpanao batisa la nitsanga tamin'ny maty, 8 sady voavola fa niseho Elia,voho gny sasany koa mivola fa raiky amin'ny gny mpamimany taloha ro nintsanga tamin'ny maty. 9 Hoy Eroda hoe:"Zaho ro nanapaky gny lohan'i Jaona,ka ia ndraiky zao olo aharezako raha manahaky gnan'izao?Voho niezaky gny ahita Gnazy ie. 10 Lafa nimpoly gny apostoly,la nitantara tagnaminy gny raha iaby vitan-drozy.Bakeo nandesiny nisondry agnaminy rozy,ka nandeha nitoka ho amin'ny tana atao hoe Betsaida. 11 Lafa vo nahare gny momba gnan'izay gny vahoaky,la nagnaraky Gnazy.La nirambesiny rozy voho nambarany gnan-drozy gny momban'ny gny fanjakan-Ndranagnahary,voho nagnasitra reo ze nila fagnasitragna Ie. 12 Ka lafa ho hariva gn'andro,la namonjy Gnazy gny roambin'ny folo lahy ka nivola hoe:"Alefaso handeha gny vahoaky mba hahafahan-drozy mandeha amin'ireo tana magnodidy voho ambanivohitsy mba hila fatoria voho hany,fotony atoy amin'ny tany tsy misy raha tsika." 13 Fa hoy Ie tamin-drozy hoe:"Ameanareo raha hohany rozy."Ka nivola rozy hoe:"Tsy mana ankoatsin'ny mofo limy voho hazandrano rao rahay,laha tsy mandeha zahay ka hivily hany ho gnan'olo maro reo." 14 (Teo la nisy olo tokony ho johary dimy arivo teo ho eo).Ka nivola tamin'ny mpianany Ie hoe:"Apetraho ho tokon'olo dimampolo isany rozy." 15 Ka la nanao gnan'izay rozy,sady nampetrany gny vahoaky. 16 Nandramby gny mofo dimy voho gny hazandrano roe,la niandrandra gny lagnitsy Ie,nisaotsy le nizarazarany,ka la nameany gny mpianany reo mba hozarany amin'ny vahoaky. 17 Nihina rozy iaby ka afa-po, ka navory gny sisa tsy lany ka nisy foloroamby sobiky. 18 Ka lafa nivavaky manoka Jesosy,la nisondry agnaminy gny mpianany.La nagnotany gnan-drozy Ie,nanao hoe:"Ataon'ireo olo reo ho ia moa Zaho?" 19 Namaly rozy hoe:"Jaona mpanao batisa.Fa gny sasany nivola hoe Elia, voho gn'ilany mivola fa nitsanga tamin'ny maty gny raiky tamin'ireo mpaminany taloha." 20 Ka nivola tamin-drozy Ie hoe:"Fa nareo koa manao ahy hoe ia?"Namaly Petera hoe:"Kristin'Andriamanitra." 21 Fa nirarany mare rozy tsy hivola gnan'izay ndra amin'ia ndra amin'ia, nanao hoe:"Gn'anak'olo la tsy maintsy hijaly amin'ny raha maro sady ho halan'ireo loholona voho gny lohan'ny mpisoro voho gny mpanora-dalana,ho vonoany Ie ka amin'ny andro fahatelo la hitsanga." 23 Sady hoy Ie tamin-drozy iaby hoe:"Laha misy ta hanaraky gnahy,la tsy maintsy manda gny vatany ie voho handay gny hazofijaliany isan'andro ka hagnaraky Gnahy. 24 Ndra ia ndra ia ta hagnavotsy gn'ainy la hanary gnazy,fa ndra ia ndra ia magnary gnainy nohon'ny hateany Gnahy la hanavotsy gnan'izay. 25 Ino ro soa azon'ny gn'olo amin'ny fanagna gnan'izao tontolo izao,fe trobo gny fagnahiny? 26 Fa na ia na ia megnatsy gny agnamiko voho reo safako, la ho megnatsy gnazy koa gny Anak'olo lafa avy amin'ny voninahiny, voho gny gny Babany voho reo anjely masy Ie. 27 Fa ambarako to agnaminareo, fa gny sasany agnamin'ireo zay mitsanga eto la tsy hahajery fahafatesa mialohan'ny ahajerea gny fanjakan-Dranagnahary." 28 Sady valo andro teo ho eo tafaran'ny nivolagnan'i Jesosy reo safa reo, la nandesiny niaraky tagnaminy Petera voho Jaona voho Jakoba ka niakatsy gny tendrombohitsy hivavaky. 29 Laha nivavaky igny Ie, la niova gny endriky gny tarehiny, sady nivaliky foty manjelanjelatsy gny akanjony. 30 Ingo, nisy roe lahy niresaky tagnaminy, Mosesy voho Elisa, 31 zay niseho tamim-boninahitsy mamirapiratsy. Niresaky mikasiky gny fialany Ie, zay ho andesiny ho tanterahy agny Jerosalema. 32 Sady Petera voho reo zay niaraky tagnaminy la navesatrin'ny torimaso, fa lafa tena taitsy tanteraky rozy, la nahajery gny voninahitsy voho reo johary roe zay nitsanga niaraky tagnaminy. 33 Sady lafa niala nanalavitsy gnan'i Jesosy rozy, la hoy Petera tagnaminy hoe: " Tompo, soa agnamintsika gny mijano eto. Engao rahay hagnamboatsy fialofa telo, raiky ho Gnanao, raiky ho gnan'i Mosesy, voho raiky ho gnan'i Elia." ( Tsy hainy zay volagniny.) 34 Tam-pivolagnany gnan'izay ie,la nisy sobiky niavy nisaro gnan'ireo, ka la natahotsy rozy lafa nilitsy tao amin'ny rahona. 35 Nisy feo niboaky bakagny amin'ny rahona, nanao hoe: " Toy ro Anaky Lahiko, gny Raiky zay voafily; njanjigno Ie." 36 Lafa nivola gny feo, la Jesosy regny ro hita teo. Nitandraky gny fahanginany rozy sady tsy nivola tamin'ia na ia tamin'izay andro izay gny mikasiky zay iaby jerin-drozy. 37 Sady gny andro magnaraky an'io, lafa nizotso bakagny an-tendrombohitsy rozy, la vahoaky maro nifanena taminy. 38 Ingo, nisy johary raiky tao amin'ny vahoaky ro nihiaky mare, nanao hoe: " Ry mpampianatra o, mitalaho agnaminao aho mba hagnenty toy anako johary toy, fa anako toka ie. 39 Jerinao, misy fagnahy mibaiko gnazy la mikoraky tampoky ie; mampifaninto gnazy izay ka mampamoaky roatsy gny vavany. Tsy miala aminy izay sady mahatorova tanteraky gnazy. 40 Nitalaho tamin'ireo mpianatrao aho mba hangalaky, izay fa tsy afakin-drozy." 41 Namaly Jesosy ka nanao hoe: " Nareo tsy mpino voho avorohota raty fitondran-tena, hafiria ro tsy maintsy hipetrarako miaraky agnaminareo voho hiaretako miaraky agnaminareo? Andeso atoy gny anakao johary." 42 Lafa namonjy gny aja johary, la natoran'ny demonia tamin'ny tany ie sady nampihinjitsinjitsy gnazy. Fa Jesosy nivola mare gny fagnahy maloto sady nanasitra gny aja johary, sady nampimpoly gnazy tagny amin'ny babany. 43 Sady bakeo la treriky iaby rozy iaby nahajery gny halehiben-Dranagnahary. Laha treriky tamin'ny raha iaby nataony igny rozy, la hoy Ie tamin'ny mpianany hoe: 44 " Engao reto safa reto ho avy laliky ao an-tsofinareo: gny Anak'olo la ho valihana ho eo an-tagnan'olo." 45 Fa tsy azon-drozy izany fanambara izany. Izany la naetaky tamin-drozy, noho izay la tsy azon-drozy gny dikan'izay, sady mbo natahotsyrozy gny hanontany gny mikasiky izay fanambara izany. 46 Sady bakeo la nisy fifandira nanomboky amin-drozy gny amin'izay ho lehibe mare amin-drozy. 47 Fa Jesosy, nahay gny fihevitsy tagny am-pon-drozy, la nangalaky aja kelikely raiky ka napetrany teo agnilany 48 sady nivola tamin-drozy hoe: " Fa na ia mandramby toy aja toy amin'ny agnarako, la mandramby Gnhy; sady na ia na ia mandramby Gnahy, la mandramby gny Raiky zay naniraky Gnahy. Fa zay kely mare agnaminareo iaby ro bevata." 49 Jaona namaly hoe: " Tompo o, nahajery olo raiky rahay nangalaky demonia tamin'ny agnaranao la nisakananay ie, fotony ie tsy manara-dia miaraky agnaminay." 50 " Ka rara ie," hoy Jesosy, " fotony zay tsy manohitsy gnanareo la mikasiky gnanareo. 51 Lafa nariniky gny andro ampiakara Gnazy, la niatriky ho agny Jerosalema Ie. 52 Nandefa mpitondra hafatsy Ie hialoha Gnazy, sady nandeha rozy ka nilitsy tao amin'ny tana Samaritana raiky mba hanoma gny raha iaby ho Gnazy. 53 Fa gny vahoaky tao tsy nandramby Gnazy, fotony nitoliky ho agny Jerosalema Ie. 54 Lafa nahajery izay Jakoba voho Jaona mpianatsy, la hoy rozy hoe: " Tompoko, teanao va rahay laha handefa bolo milatsaky bakagny an-dagnitsy mba hamotiky gnan-drozy?" 55 Fa nitoliky Ie sady nivola mare tamin-drozy, 56 sady roso tagny amin'ny tana hafa rozy. 57 Sady lafa nandeha tegny an-dala rozy, la nisy olo raiky nanao tagnaminy hoe: " Hagnaraky Gnanao aho na aia na aia andehanao." 58 Jesosy nivola tagnaminy hoe: " Gny amboahaolo manan-davaky, sady reo voro egny an-dagnitsy la mana gny akaniny, fa gny Anak'olo tsy mana toera asia gny kabesony." 59 Sady hoy Ie tamin'ny hafa hoe: " Magnaraha Gnahy." Fa hoy ie hoe: " Tompoko, engao aho aloha handeha handevina gny babako." 60 Fa hoy Ie tagnaminy hoe: " Engao gny maty handevina gny maty ao aminy. Fa ho gnanao, mandehana ka mitoria agny lavitsy agny sady hitaro gny fanjakan-Dranagnahary." 61 Sady nisy olo hafa nanao hoe: " Hanaraky Gnanao aho, Tompo, fa engao aho aloha hanao veloma reo agny an-tranoko." 62 Jesosy namaly gnazy hoe: " Tsy misy olo mitandraky fangaly sady miheriky ka mendriky ho ao amin'ny fanjakan-Dranagnahary."