Toko faha 8

1 Sady tafara kelin'izay la nanomboky nandeha nitety tana voho vohitsy sambihafa Jesosy, nitory voho nagnambara gny filazantsara mahakasiky gny fanjakan-Dranagnahary. Niaraky tagnaminy reo roa ambin'ny folo lahy, 2 manahaky reo sevaky sasany zay sitrana tamin'ny fagnahy raty voho gny arety: Maria zay kinaiky hoe Magdalena, zay fa namoaha demonia fito; 3 Johana, valin'i Koza, zay mpitandraharahan'i Heroda, sady Sosana; voho reo maro hafa koa, zay, tamin'ny fananan-drozy, la nagnome zay nilan-drozy. 4 Laha mbo nisy vahoaky maro nivory, la avy namonjy Gnazy reo olo bak'amin'ny isan-tana, La nanao fanohara ie hoe: " Nisy mpamboly niboaky mba hamafy gny voany. Laha ie namafy igny, la voafafy tegny amoron-dala gny sasany sady la voakitsakitsaky izany, sady lanin'ny voron'ny lagnitsy. 6 Gny sasany koa voafafy tegny amin'ny vatolampy, ka laha vo nitsimoky, la nalazo izany, fotony tsy nisy hamandoa. 7 Sady gny sasany la voafafy teo amin'ny fatiky, sady gny fatiky niaraky nitiry tamin'ny voa ka nangeja izany. 8 Gny sasany voafafy tegny amin'ny tany lonaky ka namoa vokatsy izay soa lavitsy abo zato heny." Tafaran'i Jesosy nivola reo raha reo, la nikaiky mare Ie hoe: " Ze manan-tsofy hinjanjigna, aoka ie hijanjy." 9 Nanontany Gnazy reo mpianany gny amin'ny tean'izay fanohara izay hambara. 10 Hoy Ie hoe: " Gny fahalala gny raha-mietakin'ny fanjakan-Dranagnahary la nomea gnanareo, fa ho gnan'ny hafa la miresaky amin'ny fanohara Zaho, mba tsy ahita rozy na la mahita aza, sady tsy hahay na la mahare aza." 11 Sady zao ro dikan'ilay fanohara: gny voa la gny tenin-Dranagnahary. 12 Reo voafafy tegny amin'ny sisin-dala la reo zay nahare, nefa bakeo la avy gny devoly ka nangalaky gny teny tao am-pony, mba tsy hino voho ho voavonjy rozy. 13 Sady reo teo amin'ny vatolampy koa la reo zay, lafa mahare gny teny, la mandray izay amin-kafalia. Nefa tsy misy fakany reo; tselatsela avao gny finoan-drozy, sady amin'ny fotoa fitsapa la lavo rozy. 14 Reo voa voafafy teo amin'ny fatiky la reo olo mahare gny safa, fa lafa mandeha amin'ny lalany rozy, la voagejan'ny fiahia voho gny hanagna sady gny fahafinaretan'izao fiaigna zao, ka tsy matoy gny voany. 15 Fagny voa voafafy tamin'ny tany soa, la reo ro, mahare gny safa tamin'ny fo to voho soa, sady rozy mitandraky gnazy soa sady namokatsy am-pahareta. 16 Sady tsy misy olo, lafa nandrehitsy jiro, la manaro gnazy amin'ny sarony na mametraky izay ao ambany fandria. Fa koa, mametraky gnazy eo amin'ny fanaovan-jiro, mba ho jerin'ny olo iaby zay militsy gny hazava. 17 Fotony tsy misy tako zay tsy ho ampahafantary, na raha mietaky zay tsy ho hay sady hiseho eo amin'ny hazava. 18 Koa mijanjigna soa, zay mana, la mbo homea maro mare, fa ho gnan'izay tsy mana kosa, na zay heveriny hanagnany aza la ho ala agnaminy." 19 Bakeo gny reniny voho gny rahalahiny namonjy Gnazy, nefa tsy afaky nagnariny Gnazy nohon'ny vahoaky. 20 Nisy nivola tagnaminy hoe: " Gny reninao voho gny rahalahinao la mijoro ao amonto, te hahita gnanao." 21 Fa Jesosy namaly voho nisafa tamin-drozy hoe: " Gny reniko voho gny rahalahiko la reo zay mahare gny safan-Dranagnahary voho manao izany." 22 Sady ndraiky andro la nandeha an-tsambo kely Ie niaraky tamin'ireo mpianany, sady Ie nivola tamin-drozy hoe: " Andeha tsika ho egny ampitan'ny farihy." La roso rozy. 23 Fa laha nandeha igny rozy la resi-tory Jesosy. Sady nisy tafio-tsioky avy teo amin'ny farihy, ka feno rano gny sambo kely, sady notandindonin-doza rozy. 24 Bakeo nagneo aminy ka namoha Gnazy reo mpianatr'i Jesosy, nanao hoe: " Tompo o! Ho maty tsika!" Sady nifoha Ie ka nivola mare gny tsioky voho gny rano manonja, sady nitsahatsy reo, ka nisy fitonia teo. 25 Sady nivola tamin-drozy Ie hoe: " Aia gny finoanareo?" sady natahotsy mare rozy. Voho natahotsy ro sady treriky avao koa rozy, sady nifampanontany hoe: Ia moe ilay io, ro mandidy na gny tsioky voho gny rano aza, sady magneky Gnazy reo?" 26 Rozy la nitandraky gny faritr'i Gerasena, zay tandrifin'ny farihin'i Galilea. 27 Sady lafa niakatsy hagnegny an-tanety Jesosy, la nifanena tamin'ny johary raiky bakao an-tana zay nisy demonia. Sady fa ela ie ro tsy niakanjo, voho tsy nipetraky tao an-tragno fa tegny amin'ny fasana. 28 Lafa nahajery gnan'i Jesosy ie, la nikoraky mare voho niankohoky teo agnatrehany ka nivola tamin'ny feo mafy hoe: " Ino ro iraisanao agnamiko, ry Jesosy, anakin-Dranagnahary abo indrindra o? Miangavy Gnanao aho, ka mampijaly gnahy." 29 Fa Jesosy nandidy gny fagnahy maloto hiala amin'ilay johary. Fa efa tagnatiny gny fotoa maro ro nangeja gnazy izany, ka na la nifatora tamin'ny rojo voho gadra vy sady nambena aza ie la nipotehiny reo rojony sady nandesin'ny demonia tagny agn'efitsy ie. 30 Jesosy nagnontany gnazy hoe: " Ia ro agnaranao? Sady hoe ie hoe:" Legiona," fa maro gny demonia zay fa nilira tao aminy. 31 Rozy niangavy Gnazy hatrany mba tsy handefa gnazy ho agny amin'ny lavaky tsy hita noanoa. 32 Sady nisy andian-kisoa maro nisakafo teo agnilan'ny vohitsy. Ka niangavy Gnazy gny demonia mba hagnenga gnazy reo ho ao amin'ireo, ka namela gnazy Ie. 33 Koa niboaky tao amin'ilay johary reo demonia sady nifindra tao amin'ireo koso, sady nitratreva tagny amin'ny kintsy nagnao amin'ny farihy reo andian-koso ka maty. 34 Sady nohon'ny nahita gny raha nitranga reo mpiamby gny koso, la nilay ka nivola izany tao an-tana voho tagny an-tsaha. 35 Noho izany la niboaky gny mponina tao an-tana mba hagnenty gny raha niseho, sady namonjy gnan'i Jesosy rozy ka nahajery gny johary zay niboahan'ny demonia. Sady ie nipetraky teo an-tombon'i Jesosy, nisiky sady vory say; voho raiki-tahotsy rozy. 36 Bakeo ze nahajery nivola reo gny fomba nahasitrana gny johary nanjakan'ny demonia. 37 Sady gny vahoaky iaby teo amin'ny faritanin'i Gerasena la nangataky gnan'i Jesosy mba hiala eo amin-drozy, fotony feno gny tahotsy mare rozy. Noho izay la nandeha an-tsambo kely Ie mba afahan-drozy mimpoly. 38 Gny johary niboahan'ny demonia la niangavy taminy mba hamela gnazy handeha hiaraky aminy, fa Jesosy nandefa gnazy, nivola hoe: 39 " Mimpolia agny an-tragnonao ka manomeza tatitsy feno mikasiky zay nataon-Dranagnahary tagnaminao." Sady gny johary nandeha tamin'ny lalany, la nagnambara manera gny tana iaby zay nataon'i Jesosy taminy. 40 Sady lafa nimpoly Jesosy, la nandramby gnazy gny vahoaky, fa rozy fa niamby Gnazy. 41 Ingo, nisy johary raiky atao hoe Jairo, zay raiky tamin'ireo mpitariky tao amin'ny Synagoga, namonjy voho niankohoky teo an-tombon'i Jesosy, ka niangavy gnazy mba ho agny an-tragnony, 42 fotony gny anany ampela toka, zay zazavavy teo amin'ny roe ambin'ny folo tao teo ho eo, la eo ambavahoanan'ny fahafatesa. Laha nandeha tamin'ny lalany Jesosy, la niara-nifaneritery nagnodidy Gnazy gny vahoaky maro. 43 Sady nisy vehivavy raiky teo zay fa nandeha lio tagnatiny gny roe ambin'ny folo tao sady fa nandany gny jalany iaby, [ Fanamariha: Reo manam-pahaiza la mizarazara hevitsy laha tokony ampilira eto gny fehezanteny hoe: " Nandany gny jalany iaby (ie)] sady tsy nisy nahasitrana gnazy na ia na ia. 44 Sady ie la nagneo afaran'i Jesosy ka nikasiky gny rambon-dambany, la niegny avy hatrany gny liony. 45 Jesosy nivola hoe: " Ia gny nikasiky Gnahy teo?" Lafa nanda gny iaby, la hoy Petera hoe: " Tompo, magnodidy Gnanao iaby gny vahoaky iaby sady manery Gnanao." 46 Fa Jesosy nivola hoe: " Nisy nikasiky Aho, fotony haiko fa nisy hery niala baka agnamiko ato." 47 Lafa jerin'ilay vehivavy fa tsy takona ie, la nangitikitiky ie sady niankohoky teo Aminy. Nambarany teo imason'ny olo gny antony nikasihany Gnazy, voho gny fomba nahasitrana gnazy avy hatrany. 48 Sady Ie nivola tagnaminy hoe: " Ry zanaka vavy, gny finoanao ro nahasitrana gnanao. Mandehana am-piadagna." 49 Bakeo laha mbo nivola ie, la nisy olo raiky avy amin'ny tragnon'ny mpitariky synagoga, nanao hoe: " Maty gny anakao vavy. Ka manahira gny mpampianatsy sasy." 50 Fa lafa nahaja izay Jesosy, la namaly gnan'i Jairo Ie hoe: " Ka matahotsy; minoa avao, la ho sitrana ie. 51 Lafa nagneo an-tragno Ie, la tsy nagnenga na la olo raiky aza hiaraky hilitsy agnaminy ankoatran'i Petera voho Jaona voho Jakoba, voho gny baban'ilay zaza sady gny reniny. 52 Sady gny iaby la nisaona voho nitomany gnazy, 53 Fa Ie nivola hoe: " Ka mitagny; tsy maty ie fa matory." La nihomehy Gnazy rozy, fotony hainy fa maty gny zaza vavy. 54 Fa nirambesiny tamin'ny tana ie ka kinaiky mare, nivola hoe: " Anaky, mitsangana!" 55 Sady nimpoly gny fagnahiny, ka niarinaavy hatrany ie. Sady nibaiko an-drozy Ie mba hagnome hany ho gnazy. 56 Sady treriky gny Ray aman-dreniny, fa Ie koa nandra gnan-drozy mba tsy hivola na amin'ia na amin'ia raha zay niseho.