Toko faha folo

1 Lafa tafaran'iregny raha regny, la nifily fitopolo lahy [ Fagnamariha : Maro amin'ireo fandika taloha soa vatany la mizara hoe: "Fitopolo", Fa gny ilany mizara mizara hoe:"roa ambi-fitopolo."] hafa gny Tompo, sady nandefa azy regny kiroadroa nialoha gnazy tagny amin'ny tanà iaby voho gny toera zay fa handehanany. 2 Izao gny nataony tamin-drozy hoe:" Maro gny vokatsy, fa tsy ampy gny mpiasa. Lafa izay angataho gny Tompogn'ny vokatsy mba handefa mpiasa mba egny amign'ny vokatsy. 3 Mandehana amign'ny lalanareo. heteo, alefako manahaky gny zanak'ondry eo agnivon'ny amboadia nareo. 4 Ka manday fisian-drala, na gny fipetrahagn'enta, na gny kapa, sady ka mirahaba na ia ia egny an-dala. 5 Izay tragno hiliranareo, volagno aloha hoe: 'Fiadagna anie ho amin'ny toy tragno toy!' 6 Laha misy ologn'ny fiadagna ao, la hipetraky amign'ny fiadagna zay volagninareo, fa laha tsy misy koa, la himpoly aminareo izany. 7 Mipetraha ao amin'io tragno io avao, mihinana sy minoma zay omean-drozy, fa gny mpiasa la mendriky gny karamany. Ka mifalofalo tragno. 8 Fa amign'izay tanà iliranareo, ka mandray anareo, hano zay asozoky eo alohanareo, 9 sady sitragno gny marary zay ao. Volagno rozy hoe: 'fa mariniky anareo gny fanjakan'Andriamagnitsy.' 10 Ndra ombiambia nareo militsy tanà ka tsy mandramby anareo rozy, la miboaha egny an-dala sady volagno hoe: 11 Fa ndra gny vovoky gny tanànareo mifanoky amign'ny tombokinay la ho fafanay hanohitsy gnanareo! Haizo anefa izao: Fa mariniky gny fanjakan'Andriamatsy.' 12 Volagniko aminareo fa amign'ny androgn'ny fitsara la ho azo lefery vatany gny an'i Sodoma sady gny an'izay tanà izay 13 Loza ho gnanao, Korazina! Loza ho gnanao, Betsaida! Fa laha gny asa bevata zay natao tao aminao ro natao tagny Tyro voho Sidona, la fa ela rozy ro nibebaky, nipetraky tamign'ny lamba fisaona voho lavenoky. 14 Fa ho azo lefery vatany gny an'i Tyrio voho gny Sidona amign'ny fitsara voho gny aminareo. 15 Iha, Kapernaomy, mihevitsy va iha fa ho hasandratsy agny an-dagnitsy? Aha , handesy mizotso agny amign'ny Hadesy iha. 16 Zay mijanjy anareo la mijanjy Gnahy, sady izay mandà gnareo la mandà Gnahy, sady zay mandà Gnahy la mandà gny nagniraky Ahy." 17 Nimpoly an-kafalia reo fito-polo, ka nivola hoe: " Tompo, na la gny demonia aza la nisiziky anay tamin'gny anaranao." 18 Jesosy nivola tamin-drozy hoe: " Nagnenty an'i Satana nilatsaky bakan-dagnitsy manahaky gny helatsy Aho." 19 Henteo, fa nomeako gnanareo gny fahefa hanitsaky gny menarana, gny maingoka, sady agnabogn'ny hery iaby gny fahavalo, sady ndra ino ino la tsy hisy handratsy gnanareo amign'ny fomba iaby. 20 Ndra la izay la ka mifaly amin'izay avao, hoa nagneky anareo gny fanahy, fa mifalia vatany hoe voasoratsy agny andagnitsy gny agnaranareo." 21 Tamin'io fotoa io avao la nifaly vatany tao amin'ny Fagnahy masy ie, sady nivola hoe:" Midera Anao Aho, Ray, Tompogn'ny lagnitsy voho gny tany, fa nahajarinao regny raha regny tamign'ny hendry voho gny manan-tsay, sady nambara tamin'ireo ts manam-pahalala, manahaky gnaja maliniky. Eka, Raiko, fa zay ro ankasitraha soa eo imasonao." 22 Gny raha iaby la nankignin'ny Ray agnamiko, sady tsy misy mahay hoe ia gny Gnanaky ankoatsy gny Ray, sady tsy misy mahay hoe ia gny Ray ankoatsy gny Gnanaky voho zay nifilign'ny Gnanaky haseho Gnazy." 23 Lafa bakeo la niodiky tamin'ireo mpianatsy Ie ka nivola moramora hoe:" Sambatsy zay mahajery reo raha zay jerinareo. 24 Volagniko aminareo, mpaminany voho mpanjaka maro ro nagniry hahajery zay raha jerinareo, fa tsy jerin-drozy zay, sady hahajanjy reo raha janjinareo, fa tsy janjin-drozy zay." 25 Io, nisy mpampianatsy gny lalàgn'ny Jiosy raiky nitsnga mba hitsapa Gnazy, ka nivola hoe:" mpampianatsy o, ino ro tsy maintsy hataoko mba handova gny fiaigna mandrakizay?" 26 Jesosy nivola taminy hoe:"Ino ro voasoratsy ao amign'ny lalàna? 27 Nagnome valin-dresaky ie la nivola hoe:" Tiavo gny Tompo Dranagnaharinao amign'ny fonao iaby, amign'ny fagnahinao iaby, amign'ny herinao iaby, sady amign'ny fisaignanao iaby, sady gny namanao manahaky gny vatanao." 28 Jesosy nivola taminy hoe:" To gny navalinao. Ataovo zay, la ho velo iha." 29 Fa gny mpampianatsy, nagniry hagnamarina gny vatany, la nivola tamini Jesosy hoe:"Ia ro namako?" 30 Namaly gnazy Jesosy ka nivola hoe:"Nisy johary raiky nizotso bakagny jerosalema ho agny Jeriko. Ie la azon'ireo mpandrobaky, zay nagnendaky reo fanagna iaby tegny aminy, voho namango azy, sady nagnenga azy fa ho maty. 31 Sady nisy mpisoro nandrio tamign'izay lala izay, sady laha nahita azy ie, la nandeha tegny am-pita. 32 Manahaky zay avao koa gny Levita raiky, lafa nandalo tamin'ilay toera ka nahajery azy, la nandeha tegny am-pita. 33 Fa nisy Samaritagna raiky, lafa nandeha tamign'ny nandehanany ie, la avy teo amign'ny nisy gnazy. Lafa nahajery gnazy ie, la nitsetra azy. 34 La namonjy gnazy ie ka namehy gny ratsiny, sady nandraraky menaky voho divay tamign'izay. Nampiondra gny bibiny ie, ka nandesiny tagny amign'ny tragnom-bahiny, sady nokolokoloiny. 35 Gny hamaray la nangalaky denaria roa ie, sady nagnolotsy zay tamign'ny mpampiatragno, sady nanao hoe:" kolokolo ie, sady ndra hotsino ndra hotsino laninao mihoatsy, lafa mipoly aho, la haloako.' 36 Ia amin-drozy telo reo, laha gny vetsivetsinao, ro naman'ilay azogn'ny mpandrobaky?" 37 Namaly gny mpampianatsy hoe:" Gny raiky zay naneho fiantra gnazy." Jesosy nivola taminy hoe:" Mandehana sady manaova manahaky izay koa." 38 Sady laha niaraky nandeha rozy, la nilitsy tao amign'ny tanà raiky ie , sady nisy vehivavy raiky atao hoe Marta nampandroso Gnazy tao an-tragnony. 39 Nana rahavavy atao hoe Maria ie, zay nipetraky teo an-tomboky gny Tompo sady nahajanjy gny resakiny. 40 Fa Marta sahira vatany tamign'ny fagnamboara hany hasozoky. Namonjy gnan'i Jesosy ie, la nanao hoe:"Tompo, tsy mampagnino Gnanao va gny namelan'ny rahavaviko gnahy hanompo raiky? ka volagno ie mba hagnampy gnahy." 41 Fa namaly gny Tompo la nanao taminy hoe:" Marta, Marta, manahy amign'ny raha maro bevata iha, 42 Nefa raha raiky avao ro tegna ila. Maria la fa nifily zay soa mare, zay tsy ho hala aminy."