Toko faha 11

1 La zao ro niseho lafa nivavaky tao amin'ny toera raiky Jesosy, nisy raiky tamin'ireo mpianany nivola tagnaminy hoe: " Tompo, mba hampianaro mivavaky rahay manahaky gny nampianaran'i Jaona reo mpianany." 2 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe: " Lafa mivavaky nareo la volagno hoe: ' Ray o, ho hamasiny anie gny agnaranao. Ho avy anie gny fanjakanao. 3 Omeo gnanay gny haninay isan'andro. 4 Avelao gny fahotanay, manahaky gny namelanay zay meloky tagnaminay. Ka minday gnanay ho agny amin'ny fakam-pagnahy."' 5 Jesosy nivola tamin-drozy hoe: " Ia agnaminareo ro hana nama, sady handeha ho agny aminy amin'ny misasakaly, sady hanao aminy hoe: " Ry namana, mba ampindramo mofo telo aho, 6 fa misy namako raiky vo avy lavitsy, voho tsy mana na ino na ino haroso gnazy aho.' 7 Sady mety hamaly gnazy gny raiky tao an-tragno ka hanao hoe: ' Ka manelingely gnahy.' Fa mihily gny varavara, sady gny anako, fa eo ampandria, miaraky agnamiko. Tsy afaky mitsanga aho hagnome mofo gnanao.' 8 Mivola agnaminareo Aho, fa na la tsy mitsanga voho manome mofo anareo aza ie fotony namany nareo, la nohon'ny fikirizanareo tsy misy hegnatsy, la hitsanga ie sady hagnome gnanareo gny mofo iaby zay ilanareo. 9 Mbo mivola agnaminareo aho, Mangataha, la homea nareo izay; mitadiava, la hahita nareo, dondomy, la ho voha nareo. 10 Fa gny olo iaby zay mangataky la mahazo, sady zay mila la mahita; voho zay olo mandodo, la ho voha. 11 Ia agnaminareo raim-pianakavia reo ro laha mangataky fia gny anakareo, la hagnome gnazy bibilava fa tsy fia? [ Fanamariha: Reo fandika soa mare misy vaki-teny kelikely mare, zay arahintsika eto. Gny fandika taloha sasany la misy vakin-teny lavalava kokoa, zay hita ao amin'ny matio 7: 9 avao koa: " Raim-pianakavia ia agnaminareo, laha mangataky mofo gny anakareo, ro hagnome gnazy vato? Na fia, la hagnome gnazy bibilava?"] 12 Na laha mangataky atoly ie, la homeanareo maingoka va ie? 13 Noho izay, laha nareo raty fagnahy aza mahay magnome fanomeza soa ho gnan'ny gnanakareo, la manao akory gny haben'ny Fagnahy Masy homen'ny babanareo zay agny an-dagnitsy ho gnan'ireo zay mangataky aminy?" 14 Sady Jesosy nandroaky devoly moa. Lafa niboaky gny devoly, la lasa nahay nivola gny johary zay moa, sady la treriky gny vahoaky. 15 Fa gny olo sasany nivola fa: " Amin'ny alalan'i Belzeboba, zay mpitariky gny devoly, ro androahany devoly." 16 Gny sasany nitsapa Gnazy sady nila famantara bak'agny an-dagnitsy taminy. 17 Nefa hain'i Jesosy zay tao an-tsain-drozy ka nivola tamin-drozy Ie hoe: " Reo fanjaka iaby zay mizarazara la ho rava, sady gny tragno zay mizarazara la hiropaky." 18 Koa laha mialy an-tragno ary Satana, manao akory ro hampaharitsy gny fanjakany? Fa hoy nareo hoe mandroaky devoly amin'ny alalan'i Belizeboba Aho. 19 Fa laha mandroaky devoly amin'ny alalan'i Belzeboba ary Aho, amin'ny alalan'ia kosa ro androahan'ny mpagnara-dia anareo gnazy? Noho izay, la rozy ro hitsara gnanareo. 20 Fa laha mandroaky gny devoly amin'ny alalan'ny ratsan-tagnan-Dranagnahary Aho, la avy agnaminareo gny fanjakan-Dranagnahary. 21 Lafa ampy fitaova soa gny johary mahery raiky miamby gny tragnony, la voaaro gny hanagnany, 22 nefa kosa laha mahery noho ie gny johary raiky ka mandresy gnazy, la alain'ny johary mahery kokoa amin'ny johary gny fialiany, sady ho robainy gny fanagnan'ny johary. 23 Zay tsy miaraky agnamiko la manohitsy Gnahy, sady zay tsy miango miaraky agnamiko la misaraky. 24 Lafa mialy amin'ny olo raiky gny fagnahy raty, la roso ie mamakivaky toera tsy misy rano sady mila fitsahara. Sady lafa tsy mahita, la hoy ie hoe: ' Andeha himpoly agny amin'ny tragno niaviako aho.' 25 Lafa tafampoly, ie la mahita izay tragno izay voalio voho voalamy. 26 Bakeo la roso ie sady nangalaky fagnahy hafa raty mihoatsy gny vatany miisa fito miaraky aminy ie sady la militsy mba hipetrara ao rozy iaby. Ka raty kokoa noho gny voalohany gny fiafaran'ny izay olo izay." 27 Sady laha nivola reo raha reo Ie, la nisy sevaky raiky nanandratsy gny feony tao agnaty vahoaky sady nanao taminy hoe: " Sambatsy gny kibo zay niteraky Gnanao voho gny nono zay ninonoanao." 28 Fa hoy kosa Ie hoe: " Sambatsy, kokoa aza, reo zay minjanjy gny safan-Dranagnahary voho mitandraky izay." 29 Sady laha mbo mitombo gny vahoaky la nanomboky nivola Jesosy hoe: " Toy avorohota toy la avorohota raty. Mila famantara ie, nefa tsy hisy famantara aseho gnazy afa-tsy gny famantaran'i Jona. 30 Fa manahaky gny nahavy gnan'i Jona ho famantara tamin'ireo Ninivita, manahaky izay koa la ho famantara gny Anak'olo amy toy avorohota toy. 31 Gny Mpanjaka vavin'ny Atsimo la hitsanga amin'ny fitsara miaraky amin'ireo johary amy toy avorohota amy toy avorohota toy ka hanameloky gnan-drozy, fa avy agny amin'ny faran'ny tany ie mba hijanjy gny fahendren'i Solomona, sady ingo, eto gny olo bevata noho Solomona. 32 Gny joharin'i Ninive la hiaraky hitsanga amy toy avorohota toy amin'ny fitsara sady hagnameloky gnazy, fotony nibebaky tamin'ny nitorian'i Jona an-drozy, sady ingo, misy olo bevata noho Jona eto. 33 Tsy misy olo raiky, laha avy nandrehitsy jiro, la mametraky izay amin'ny toera tako na ao ambanin'ny haro, fa atao eo amin'ny fitoeran-jiro, mba ho hitan'izay militsy gny hazava. 34 Gny fijerinao ro jiron'ny vata. Lafa soa gny fijerinao, la rakotsy hazava gny vata iaby. Fa laha raty kosa gny fijerinao, la feno fahikia gny vatanao. 35 Noho izay, mitandrema nareo mba tsy ho maiky gny hazava ao agnaminareo. 36 Sady, laha feno hazava ary gny vatanao iaby, ka tsy misy ampahan'izay ao agnaty maiky, la ho manahaky gny jiro zay mampamiratsy gny hazavany eo agnaminao gny vatanao iaby. 37 Lafa vita gny safany, la nisy Fariseo nanasa gnazy hiaraky hihina agnaminy agny an-tragnony, la nilitsy Jesosy ka nipetraky. 38 Treriky gny fariseo fa tsy nisasa aloha Jesosy alohan'ny hihina. 39 Fa hoy gny Tompo tagnaminy hoe: " Henanio, Nareo Fariseo, la magnalio gny ivelan'ny kaopy voho gny finga, nefa gny ao agnatinareo la feno rombaky voho faharatia." 40 Nareo ry kelikely say! Tsy nanao zay ao agnatiny avao koa va zay nanao gny ivelany? 41 Omeo gny mahantra zay ao agnatiny, la ho malio ho gnanareo iaby gny raha iaby. 42 Fa loza ho gnanareo ry Fariseo, fotony mandoa gny ampahafolon'ny solila voho gny rota sady gny hazo hafa egny an-tsaha nareo, nefa tsy norarahinareo gny fahamarigna voho gny fitiavan-Dranagnahary. Ila gny manao gny to voho mitea an-Dranagnahary, ro sady tsy magnalino gny manao reo raha hafa avao koa. 43 Loza ho gnanareo ry Fariseo, fa teanareo gny toera voalohany egny amin'ny synagoga voho gny fiarahabana feno fanaja gnanareo egny an-tsena. 44 Loza ho gnanareo, fa nareo la manahaky gny fanasa tsy misy famantara zay hitsahin'ny olo fa tsy hainy izay. 45 Gny raiky tamin'ireo mpampianatsy lalagna nivola tagnaminy hoe: " Mpampianatsy o, izay ambaranao izay la maniratsira gnanay koa." 46 Jesosy nivola hoe: " Loza ho gnanareo, ry mpampiana-dalana! Fa mampitondra enta-mavesatsy tsy zakan'ny olo nareo, nefa tsy mikasiky izay enta-mavesatsy izay akory na la gny ratsan-tagnanareo raiky aza. 47 Loza ho gnanareo, fotony manorina fasana ho gnan'ireo mpaminany nareo, nefa gny razambenareo ro namono gnan-drozy. 48 Koa vavolombelo sady manaiky gny asan'ny razanareo nareo, fa namono gnan-drozy tokoa rozy sady nareo ro manory gny fasany. 49 Noho izay avao koa, ro nagnambaran'ny fahendren-Dranagnahary hoe: ' Handefa mpaminany voho apostoly amin-drozy Aho, sady rozy hamono voho hanenjiky gny sasany amin-drozy." 50 Toy avorohota toy, izay, ro ho tompon'andraikitsy amin'ny lion'ireo mpaminany iaby nilatsaky hatramin'ny naharian'izao tontolo zao, 51 nanomboky teo amin'ny lion'i Abela ka hatramin'ny lion'i Zakaria, zay nivonoy teo anelanelan'ny alitara voho gny fitoera masy. Eny, ambarako marina agnaminareo, fa toy avorohota toy ro ho tompon'antoky. 52 Loza ho gnanareo ry mpampianatsy gny lalan'ny Jiosy, fotony nalainareo gny fanalahilin'ny fahalala; tsy militsy ao gny vatanareo, sady sakananareo reo zay militsy." 53 Tafaran'ny nialan'i Jesosy teo, la nanohitsy Gnazy gny mpanora-dalana voho gny Fariseo sady nialy hevitsy taminy mahakasiky gny raha maro, 54 sady niezaky gny hamandriky Gnazy tamin'ny teniny avao.