Toko faha 12

1 Tamin'izay, lafa niara-niango gny vahoaky agn'arivony maro, maro loatsy hany ka nifanitsa-kitro rozy, voalohany mare la nanomboky nivola tamin'ireo mpianany Ie hoe: " Tandremo gny masirasiran'ireo Fariseo, zay fiatsarambelatsihy. 2 Fa tsy misy tako zay tsy haseho, sady tsy misy miafy zay tsy ho hay. 3 Ka na ino na ino nivolagninareo tao amin'ny maiky la ho re ao amin'ny fahazava, sady zay nivolagninareo teo an-tsofy tao agnaty efitragno la hambara egny an-tampon-tragno. 4 Mivola agnaminareo Aho ry namako, ka matahotsy reo zay mamono gny tena, sady afaran'izay la tsy misy na ino na ino azony atao sasy. 5 Fa hampitandry gnanareo Aho gny amin'izay hatahora. Matahora gny Raiky zay, zay lafa avy mamono, la mana gny fahefa gny hanary gnanareo agny amin'ny helo. Eny, mivola agnaminareo aho, matahora Gnazy. 6 Tsy avily farantsa kely roe va gny tsitsina limy? Nefa tsy misy raiky amin'iregny zay halino eo imason-Dranagnahary. 7 Fa na gny volon-dohanareo aza la voaisa iaby. Ka matahotsy. Fa manan-danja mihoatsy nohon'ny tsitsina maro nareo. 8 Hoy Aho agnaminareo, zay iaby manainky Gnahy eo agnatrehan'ny olo, gny Anak'olo avao koa la hanaiky gnazy eo agnatrehan'ireo anjelin-Dranagnahary, 9 fa zay manda Gnahy eo agnatrehan'ny olo la ho lavy eo agnatrehan'ireo anjelin-Dranagnahary. 10 Zay iaby mivola manohitsy gny Anak'olo, la ho enga aminy izay, fa zay rehetra mivola raty manohitsy gny Fagnahy Masy kosa, la tsy ho voavela izay. 11 Lafa manday gnanareo eo agnatrehan'ny synagoga, reo mpanapaky, voho reo manam-pahefa rozy, la ka manahy gny amin'izay ho fomba fivolagnanareo ho fiarovan-tenanareo, na zay ho ambaranareo, 12 fotony gny Fagnahy Masy ro hampianatsy gnanareo zay tokony ho ambaranareo amin'izay fotoa izay." 13 Bakeo nisy olo raiky tao amin'ireo vahoaky nivola tagnaminy hoe: " Ry mpampianatsy, volagno gny rahalahiko mba hizara gny lova agnamiko." 14 Jesosy nivola tagnaminy hoe: " Ralehilahy, ia ro nanao Gnahy ho mpitsara na mpanelanela gnanareo?" 15 Hoy Ie tamin-drozy hoe: " Miambena mba hihazonanareo gny vatanareo lavitsy reo fagnirian-draty iaby, fotony gny fiainan'olo raiky la tsy mianky amin'ny fitobaky gny fananany." 16 Bakeo Jesosy nanao fanoha raiky tamin-drozy, nanao hoe: " Namokatsy be gny sahan'ny johary mpanankanagna raiky, 17 sady nanonaty vata ie, nivola hoe: ' Ino ro ho ataoko, fa tsy mana toera hitahiriza reo vokatriko aho?' 18 Hoy ie hoe: ' Zao ro ataoko. Hatontako reo tragno fipetram-bokatro la hananga bevata kokoa aho, sady ao amin'ireo ro hamoriako gny voako voho reo vokatsy hafa. 19 La hivola amin'ny fagnahiko aho hoe: " Ry fagnahy, iha la mana vokatsy maro voatahiry ho amin'ny tao maro. Mitsahara soa mihinana, minoma, mifalia."' 20 Fa Ndranagnahary nivola tagnaminy hoe: ' Ralehilahy adala, androany haliky gny fagnahinao ro hala agnaminao, ka reo raha zay nomaninao, ho an'ia reo?' 21 Izay gny olo zay mamory hanagna ho gnan'ny vatany sady tsy manan-kanagna manoloa an-Dranagnahary." 22 Jesosy nivola tamin'ireo mpianany hoe: " Noho izay la ambarako agnaminareo aza manahy gny amin'ny ainareo- zay ho haninareo, na gny mikasikin'ny vatanareo- zay ho sikinareo. 23 Fa gny ay la mihoatsy noho gny hany, sady gny vata la mihoatsy noho reo fisikina. 24 Diniho gny goaiky, tsy mamafy regny na mijinja. Tsy mana fitoeram-bokatsy regny na tragno fitahiriza, nefa omen-Dranagnahary hany regny. Manahaky gny ahoaa gny fihoaranareo lanja mihoatsy noho reo voro! 25 Ia agnaminareo ro afaky manampy hakiho raiky gny andro iainany amin'ny fanahia? 26 Koa laha izay raha kelikely mare izay aza tsy ainareo atao, nagnino nareo ro miahiahy gny amin'ny sisa? 27 Diniho reo lili_ manao akory gny fitiriny. Tsy miasa rozy regny, na mamoly. Nefa ambarako agnaminareo, na Solomona tamin'ny voninahiny manontolo aza tsy nisiky manahaky gny raiky tamin'iregny. 28 Laha tafian-Dranagnahary manahaky izay reo ahitsy egny an-tsaha, zay eo androany, sady gny hamaray la aria agnaty fatana, manao akory gny hanafiany gnanareo mihoatsy lavitsy noho izay, nareo ry kely finoa o! 29 Ka mila zay ho haninareo voho zay ho inominareo, sady ka miahiahy. 30 Fa reo firenena iaby eto amin'izao tontolo zao reo la mila regny raha regny, sady hainy gny Babanareo fa mila regny nareo. 31 Fa katsaho gny fanjakany, la homea ho fanampiny ho gnanareo regny raha regny. 32 Ka matahotsy, ry andian'aondry vitsy, fotony gny Babanareo la tena faly gny hanome gnanareo gny fanjaka. 33 Avilio reo fanagnahareo sady omeo gny mahantra. Manaova fitoeram-bola ho gnan'ny vatanareo zay tsy mety ho tonta-hanagna agny an-dagnitsy zay tsy mety lany, zay tsy misy mpangalatsy magnariny, sady tsy misy kalalao manimba. 34 Fa agny amin'izay hipetrahan'ny hanagnanareo, la ho agny avao koa gny fonareo. 35 Ao gny akanjo lavanareo ho hasikinareo gny valahanareo, sady ao gny jironareo hirehitsy avao, 36 sady manaova manahaky reo olo zay miamby reo tompony himpoly bakagny amin'ny lanonam-pampakaram-baly, mba lafa avy ie ka mandodo, la ho afaky hanokatsy gny varavara ho gnazy avy hatrany rozy. 37 Sambatsy reo mpanompo, zay hitan'ny tompony fa niamby lafa avy ie. Ambarako marina agnaminareo, fa hisiky gny lamba lavany amin'ny valahany ie, sady hampirehitsy gnan-drozy an-databatsy, ka ho avy ie sady hanompo an-drozy. 38 Laha ho avy amin'ny fotoa faharoe amin'ny haliky gny tompo, na amin'ny fotoa fahatelo aza, ka mahita gnan-drozy vonona la ho sambatsy reo mpanompo reo 39 Ho fanampin'izay la fantaro zao fa laha hay gny tompon-tragno gny fotoa hiavian'ny mpangalatsy, la tsy namela gny tragnony ho vaky ie. 40 Mivonona avao koa, fa tsy hainareo gny fotoa hiavian'ny Anak'olo." 41 Petera nivola hoe: " Tompo o, agnaminay avao va ro ivolagnanao izay fanohara izay, sa amin'ny olo-iaby avao koa?" 42 Gny Tompo nivola hoe: " Ia ary ro mpitanta mahatoky voho hendry zay ho tendren'ny tompony ho ambinin'ireo mpanompony hafa mba hagnome gnan-drozy gny anjara hanin-drozy amin'ny fotoa mety? Sambatsy izay mpanompo izay, zay hitan'ny tompony manao izay lafa avy ie. 44 Ambarako marina agnaminareo fa ho tendreny hanapaky gny fanagnahany iaby ie. 45 Fa laha mivola ao am-pony izay mpanompo izay hoe: ' Nahemotsy gny tompoko gny fimpoliany,' ka manomboky mamono reo mpanompo johary voho sevaky, sady mihina voho mino, ka lasa mamo, 46 gny tompon'izay mpanompo izay la ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny, sady amin'ny fotoa tsy hainy, sady hanapatapaky gnazy ka hanoma toera ho gnazy miaraky amin'ireo tsy mahatoky. 47 Izay mpanompo izay, nahay gny sitrapon'ny tompony, nefa tsy nioma na nanao araky gny sitrapony, la ho vangoa amin'ny famangoa maro. 48 Fa zay tsy nahay sady nanao zay mendriky ahazoa kapoky kosa, la ho kapohy amin'ny fikapoha kely. Fa reo iaby zay nomea be, la ho be kokoa ro ho taky aminy, sady reo zay nanankina be , la ho be lavitsy aza ro hangatahy agnaminy. 49 Avy Aho hanoraky bolo egny agnabon'ny tany sady manao akory gny faniriako mba hirehetan'izay sahady. 50 Fa mana fanaovam-batisa mba hanaova batisa aho, sady manao akory gny fahoriako mandra-pahatanterak'izay! 51 Mihevitsy va nareo fa avy Aho mba handay fiadagna eto an-tany? Tsia, mivola agnaminareo aho, fa fisarahana aza. 52 Manomboky zao la hisy limy ao amin'ny tragno raiky zay hisaratsaraky_ olo telo manohitsy gny telo. 53 Hisaratsaraky rozy, gny ray hanohitsy gny anaky johary, sady gny anaky lahy hanohitsy gny ray; gny reny hanohitsy gny anaky ampela sady gny anaky ampela hanohitsy gny reny; gny rafozam-bavy hanohitsy gny vinanto ampela sady gny vinanto vavy hanohitsy gny rafozam-bavy." 54 Nivola tamin'ireo vahoaky koa Jesosy hoe: " Lafa mahita rahona miforo egny andrefana nareo, la hoy avy hatrany nareo hoe: ' Hisy ranon'ora ho avy', sady la mitsanga izay. 55 Lafa misy tsioky mitsoka avy agny atsimo, la hoy nareo hoe: ' Hisy hafanana be ho avy,' sady mitranga izay. 56 Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo gny mandika gny toetoetry gny tany voho gny lagnitsy, fa ahoana ro tsy ahaizanareo mamantatsy zao andro henanizao zao? 57 Nahoana nareo ro tsy mitsara zay marina ho gnan'ny vatanareo? 58 Fa lafa mandeha miaraky amin'ny mpifanandrina aminareo eo agnatrehan'ny mpitsara ambony nareo, eny an-dalana la miezaha handamy gny olana miaraky aminy mba tsy handehandenany handriotsy gnanareo eo amin'ny mpitsara, sady mba tsy hanoloran'ny mpitsara gnanareo agny amin'ny mpanatotsy, sady mba tsy handefasan'ny mpamatotsy gnanareo agny am-ponja. 59 Hoy aho agnaminareo, tsy ho tafaboaky ao mihitsy nareo mandra-pandoanareo gny jala farany zay mandiniky mare."