Toko faha 22

1 Sady fa mariny gny Firavoravoa amin'ny Mofo tsy misy masirasira, zay kinaiky hoe Paska. 2 Nialy hevitsy reo lohan'ny mpisoro voho reo mpanora-dalana gny amin'ny fomba afahan-drozy mamono gnan'i Jesosy, fotony natahotsy gny olo rozy. 3 Bakeo Satana nilitsy tamin'i Jodasy Iskariota, zay raiky tamin'ireo roe ambin'ny folo. 4 Jodasy nandeha nagnagny amin'ireo lohan'ny mpisoro voho reo kapiteny sady nialy hevitsy tamin-drozy gny amin'ny fomba hamadihany gnan'i Jesosy eo amin-drozy. 5 Faly rozy, sady nagnenky gny hagnome jala gnazy. 6 Nagnenky ie, sady nila kendry toha mba hanolorany Gnazy eo amin-drozy lavitsy gny vahoaky. 7 Avy gny anddron'ny mofo tsy misy masirasira, zay tsy maintsy hanaova soro gny anank'ondrin'ny Paska. 8 Jesosy nagniraky gnan'i Petera voho Jaona, nanao hoe: " Mandehana sady homano ho gnantsika gny sakafon'ny Paska, mba afahantsika mihina izay." 9 Rozy nagnontany Gnazy hoe: " Aia ro teanao hanaovanay gny fanomana?" 10 Namaly gnan-drozy Ie hoe: " Njanjigno lafa militsy gny tana nareo, la hisy johary raiky manday sinin-drano hifakatojy agnaminareo. Magnaraha gnazy agny amin'izay tragno ilirany. 11 La volagno gny tompon-tragno hoe: ' Gny Mpampianatsy mivola agnaminao hoe: " Aia gny efi-tragno fandraisam-bahiny, zay hihinanako gny sakafon'ny Paska miaraky amin'ireo mpianatro?"' 12 Ie hampiseho gnanareo efitragno ambony rihana bevata misy enta. Atavo ao gny fanomana." 13 Ka la nandeha rozy, sady nahajery gny raha iaby araky zay nambarany tamin-drozy. Sady nanoma gny sakafon'ny Paska rozy. 14 Lafa avy gny fotoa, la nipetraky niaraky tamin'ireo apostoly Ie. 15 La nivola tamin-drozy Ie hoe: " Nagniry mafy gny hihina toy Paska toy miaraky agnaminareo Aho mialohan'ny hijaliako. 16 Fa ambarako agnaminareo, tsy hihina toy sasy Aho, mandra-pahatanterak'izay agny amin'ny fanjakan-Dranagnahary." 17 La nandray kapoaky Jesosy, sady lafa nisaotsy Ie, la nanao hoe: " Rambeso toy, sady zarao agnaminareo. 18 Fa ambarako agnaminareo, tsy hino gny vokatsy gny voaloboky sasy Aho, mandra-pahavin'ny fanjakan-Dranagnahary." 19 La nandramby gny mofo Ie, sady lafa nisaotra, la nitapahiny izay, sady nomeny gnan-drozy, la nivola hoe: " Toy gny vatako zay omea ho gnanareo. Atavo zao ho fahatiarova Gnahy." 20 Nirambesiny manahaky izay koa gny kapoaky lafa vita gny sakafo, la hoy ie hoe: " Toy kapoaky toy la gny fanekea vaovao amin'ny lioko, zay narotsaky ho gnanareo. 21 Fa mitandrema. Gny raiky zay hamaliky Gnahy la miaraky Agnamiko eto an-databatsy. 22 Fa gny Anak'olo la mandeha tokoa araky zay voatendry. Fa loza ho gnan'izay johary zay hamaliky Gnazy izay!" 23 Nanomboky nifapanontany rozy gny amin'ny raiky amin-drozy zay mety hanao izay. 24 La nisy fifandira nitranga koa teo amin-drozy mikasiky zay himpolia ho bevata mare amin-drozy. 25 Nivola tamin-drozy Ie hoe: " Reo mpanjakan'ny Jentilisa la tompon-drozy, sady reo zay mana fahefa amin-drozy la atao ho manahaky reo zay manao soa ho gnan'ny vahoakany. 26 Fa tsy manahaky izay gny agnaminareo. Mifanohitsy amin'izay, ao zay bevata mare agnaminareo ho lasa manahaky gny kelikely mare sady ao zay manan-danja mare ho avy manahaky zay manompo. 27 Fa ia ro bevata mare, zay mipetraky amin'ny latabatsy, sa zay manompo? Tsy izay mipetraky eo amin'ny latabatsy? Tsy zay mipetraky eo amin'ny latabatsy va? Nefa Zaho eto agnaminareo manahaky gny raiky zay manompo. 28 Fa nareo ro olo zay nanohy niaraky tagnamiko tao amin'ny fakam-pagnahy nianjady tagnamiko. 29 Omeko fanjaka nareo, manahaky gny Babako koa zay nagnome fanjaka ho Gnahy, 30 mba ho afaky hihina voho hino eo an-databatsiko agny amin'ny fanjakako nareo, sady hipetraky eo amin'ny seza fiandriana hitsara gny fokon'ny Israely roe ambin'ny folo nareo. 31 Simona, Simona, mitandrema, mila gny hazo gnanareo Satana, ,ba afahany maniva gnanareo manahaky gny vary. 32 Fa nivavaky ho gnanao Aho, mba tsy ho maty gny finoanao. Afaran'ny himpolianao ndraiky, la ampaherezo reo rahalahinao." 33 Petera nivola tagnaminy hoe: " Tompo vonona hiaraky Agnaminao aho na agny an-gandra na ho agny amin'ny fahafatesa." 34 Jesosy namaly hoe: " Ambarako agnaminao, ry Petera, tsy haneno gny akoho amin'izay andro zay, mialohan'ny handavana Gnahy intelo hoe mahafantantsy Gnahy iha." 35 La nivola tamin-drozy Jesosy hoe: " Lafa nandefa gnanareo tsy niaraky tamin'ny fitoeram-bola, kitapom-batsy, na kiraro Aho, nisy raha tsy ampy gnanareo va?" Namaly rozy hoe: " Tsy nisy." 36 La nivola tamin-drozy Ie hoe: " Fa zao, zay mana fitoeran-jala, ao ie hangalaky izay, na hitapom-batsy avao koa. Zay tsy mana meso la tokony hivarotsy gny lambany sady hivily raiky. 37 Fa Zaho mivola agnaminareo, zay voasoratsy mikasiky Gnahy la tsy maintsy tanteraky: ' Ie la nirambesy manahaky gny raiky amin'ireo tsy magnara-dalagna.' Fa zay nagnambara mialoha mikasiky gnahy la fa ho tanteraky" 38 La nivola rozy hoe: " Tompo, henteo! Reto misy meso roe." Ie nivola tamin-drozy hoe: " Ampy zay." 39 Tafaran'ny sakafo, la nandeha Jesosy, manahaky gny fataony matetiky, tagny an-tendrombohitr'Oliva, sady nagnaraky Gnazy reo mpianatsy. 40 Lafa avy rozy, la hoy Ie tamin-drozy: " Mivavaha mba tsy hiliranareo amin'ny fakam-pagnahy." 41 Niala teo amin-drozy teo ho eo amin'ny ndraiky mitora-bato Ie, la nandohaliky Ie sady nivavaky, 42 nanao hoe: " Ray o, laha sitrakinao, la engao agnamiko toy kapoaky toy. Na izay aza tsy gny sitrako, fa gny Anao ro hatao." 43 Lanisy anjely bakagny an-dagnitsy niseho tagnaminy, nampahery Gnazy. 44 Tao agnatin'ny fangirifiria, nivavaky tamin-kafanam-po mafy kokoa Ie, sady gny hatsembohany la lasa manahaly gny lio nitete tamin'ny tany. 45 Sady lafa nitsanga baka nivavaky Ie, la nagnagny amin'ny mpianatsy, sady nahajery gnan-drozy natory nohon'ny alahelon-drozy, 46 ka nagnontany gnan-drozy hoe: " Nagnino ro matory nareo? Mitsangana sady mivavaha, mba tsy hiliranareo amin'ny fakam-pagnahy." 47 Laha mbo nivola Ie, ingo, nisy vahoaky niseho, niaraky tamin'i Jodasy, raiky amin'ireo roe ambin'ny folo, nitariky gnan-drozy. Nagneky gnan'i Jesosy ie mba hagnoroky Gnazy, 48 fa Jesosy nivola taminy hoe: " Jodasy, mamaliky gny Anak'olo amin'ny oroky va iha?" 49 Lafa nahajery gny raha-niseho reo zay nagnodidy gnan'i Jesosy, la nivola rozy hoe: " Tompo, tokony hamely amin'ny meso va rahay? 50 Bakeo gny raiky tamin-drozy namango gny mpanompon'ny mpisoronabe, sady nanapaky hoe: " Ampy zay!"Nikasihiny gny sofiny, sady nisitraniny ie. 52 Jesosy nivola tamin'ny lohan'ny mpisoro, tamin'ireo kapitenin'ny tempoly, sady tamin'ireo loholo zay avy hanohitsy Gnazy hoe: " Avy manahaky gny hisambotsy mpangalatsy va nareo, miaraky amin'ny meso voho langilangy? 53 Tamy Zaho niaraky tagnaminareo isan'andro tao an-tempoly, tsy nisambotsy Gnahy nareo. Fa zao ro oronareo, voho gny fahefan'ny maiky." 54 Teo am-pipisambora Gnazy, la nitarihan-drozy Ie, sady nandesin-drozy tagny an-tragnon'ny mpisoronabe. Fa Petera nagnaraky avy tegny lavidavitsy. 55 Lafa avy nampirehitsy bolo teo agnivon'ny tokontany sady niaraky nipetraky rozy, la nipetraky teo agnivon-drozy Petera. 56 Nisy mpanompo vavy raiky nahajery gnazy laha nipetraky teo amin'ny fahazavan'ny bolo ie, sady nagnenty mahity gnazy voho nivola hoe: " Toy johary toy koa niaraky taminy." 57 Fa Petera nanda izay, nivola hoe: " Ry vehivavy la nisy olo hafa nahajery gnazy sady nivola hoe: " Iha koa raiky amin-drozy." Fa petera nivola hoe: " Ry johary, tsy ie aho." 59 Lafa afaky adiny raiky teo ho eo la nisy johary hafa manizingizy voho nivola hoe: " To fa niaraky tagnaminy koa toy johary toy, fa ie la Galilia." 60 Fa Petera nivola hoe: " Ry johary, tsy haiko zay valagninao." Teo noho eo, laha mbo nivola ie, la nisy akoho naneno. 61 Nitoliky, gny Tompo nagnenty gnan'i Petera, sady Petera nahatiaro gny tenin'ny Tompo, tamin'ny nivola tagnaminy Ie hoe: " Alohan'ny hanenoan'ny akoho henanio la handa Gnahy intelo iha." 62 Niboaky tagny amonto Petera sady nitomany mare. 63 Sady reo johary niamby gnan'i Jesosy la nagnanihany sady namango Gnazy. 64 Nasian-drozy saro Ie sady nagnontany Gnazy rozy, nivola hoe: " Maminania! Ia gny olo zay mamango Gnanao?" 65 Nivola raha hafa maro hanohitsy gnan'i Jesosy rozy, nivola raty Gnazy. 66 Laha vo nazava gny andro, la nivory reo loholo, gny lohan'ny mpisoro voho gny mpanora-dalana. Nandesin-drozy tagny amin'ny Synendriona Ie 67 sady nivola agnaminay." Laha Iha ro Kristy, la volagno agnaminay." Fa Ie nivola tamin-drozy hoe: " Laha ho volagniko agnaminareo, la tsy hino nareo," 68 Sady laha hagnontany gnanareo Aho, la tsy hamaly nareo. 69 Fa manomboky zao, gny Anak'Olo la hipetraky eo an-tana akavanan'ny herin-Dranagnahary." 70 Rozy iaby nivola hoe: " La Anakin-Dranagnahary izay Iha?" Jesosy nivola tamin-drozy hoe: " Voalazanareo fa Zaho ro Ie." 71 Rozy nivola hoe: " Nagnino ro mbo mila vavolombelo tsika? Fa tsika mihitsy ro nahanjanjy avy tamin'ny tsihoviny."