Toko faha 21

1 Jesosy nanopy maso ka nahajery reo johary manan-kanagna zay nandrotsaky gny fanatin-drozy tao amin'ny fandatsahan-drakitsy. 2 Nahajery mpanday vata mahantra raiky nandrotsaky farantsa roe tao Ie. 3 Ka hoy Ie hoe: " Ambarako marina agnaminareo, toy mpanday vata mahantra toy la nandrotsaky maro noho rozy iaby. 4 Reo iaby reo la nagnome fanatitsy araky gny haben'ny hanagnany. Fa toy mpanday vata toy, tamin'ny fahantrany, la nandrotsaky gny fivelomany iaby." 5 Laha nisy maro niresaky mikasiky gny tempoly, fa voaravaky vato soa tarehy voho fanatitsy izay, la hoy Ie hoe: 6 " Fa gny amin'ireo raha jerinareo reo, mbo ho avy gny andro zay tsy hisy na vato raiky aza hijano amin'ny hafa ka tsy ho rava." 7 Ka nagnontany Gnazy rozy, nanao hoe: " Ry mpampianatra, mbia reo raha reo ro hitranga? Ino ro famantara lafa hitranga reo raha reo?" 8 Jesosy namaly hoe: " Mitandrema mba tsy ho voafitaky nareo. Fa maro ro ho avy amin'ny agnarako, hanao hoe: ' Zaho ro ie,' sady ' Fa mariny gny fotoa.' Ka magnaraky gnan-drozy. 9 Lafa mahajanjy aly voho fikomia nareo, la ka mihorohoro, fa reo raha reo la tsy maintsy hitranga aloha, fa gny farany la tsy hitsanga eo noho eo." 10 Sady hoy Ie tamin-drozy hoe: " Gny firenena la hitsanga hanohitsy firenena, sady fanjaka hanohitsy fanjaka. 11 Hisy horohoron-tany bevata, sady mosary voho areti-mandringa agny amin'ny toera sambihafy. Hisy tranga mampatahotsy sady famantara bevata bak'agny an-dagnitsy. 12 Fa mialohan'ireo raha iaby reo, la hisambotsy gnanareo rozy sady hanenjiky gnanareo, hanolotsy gnanareo ao amin'ny synagoga voho gny figadra, handay gnanareo eo agnatrehan'ireo mpanjaka voho reo mpanapaky nohon'ny agnarako. 13 Izay la hagnome fahafaha ho amin'ny fijoroanareo vavolombelo. 14 Noho izay la manapaha hevitsy ao am-ponareo mba tsy hagnoma gny fiarovanareo mialohan'ny fotoa, 15 fa Zaho hagnome safa voho fahendrea gnanareo, zay tsy afaky tohery voho lavin'ireo mpanohitsy gnanareo. 16 Fa nareo koa la ho atolotsy gny ray aman-dreny, reo rahalahy, reo longo voho reo nama, sady rozy la hamono ho faty gny sasany agnaminareo. 17 Ho halan'ny kiraidraiky noho gny agnarako Nareoa. 18 Fa tsy hisy ho tsobo na la singam-bolo raiky eo amin'ny lohanareo aza. 19 Amin'ny faharetanareo ro hamonjenareo gny fagnahinareo. 20 Lafa jerinareo voadidy miaramila Jerosalema, la fantaro fa mariny gny faharavany. 21 La ao reo zay agny Jodia hilay agny an-tendrombohitsy, sady ao reo zay agny agnivon'ny tana hiala, sady ka enga hilitsy ao reo zay agny ambanivohitsy. 22 Fa Fa reo ro andron'ny valifaty, mba ho tanteraky reo raha iaby fa voasoratsy. 23 Loza ho gnan'ireo manday vohoky voho ho gnan'ireo mampinono amin'izay andro izay! Fa hisy fahoria bevata eo amin'ny tagny, sady hatezera amin'io vahoaky io. 24 Ho lavon'ny meso rozy sady ho andesy ho babo agny amin'ny firenena iaby, sady Jerosalema la ho voahosihosin'ireo Jentilisa, mandrapa-tenteraky gny andron'ny Jentilisa. 25 Hisy famantara egny amin'ny masoandro, egny amin'ny vola, voho egny amin'ny kinta, sady eto an-tany. Ho tra-pahoria reo firenena, hitaintay nohon'ny eron-dranomasy voho reo onja. 26 Hisy johary ho tsipikin'ny tahotsy voho gny fiandrasa reo raha zay ho avy eto an-tany. Fa ho voahozongozo gny haren'ny lagnitsy. 27 Bakeo la ho jerin'ny reo gny Anak'olo avy egny amin'ny rahona miaraky amin'ny hery voho voninahitsy bevata. 28 Fa lafa manomboky mitranga reo raha reo, la mitsanga sady hasandrato gny lohanareo, fotony, fa marigny gny fanafaha gnanareo." 29 Nanao fagnohara tamin-drozy Jesosy hoe: " Henteo gny hazon'aviavy, voho reo hazo iaby. 30 Lafa manaroky reo, la ho jerinareo manoka fa efa mariny gny lohatao. 31 Manahaky izay avao koa, lafa jerinareo mitranga reo raha reo, la hainareo fa mariny gny fanjakan-Dranagnahary. 32 Volagniko aminareo, marina tokoa, toy taranaky toy la tsy ho maty mandra-pisehon'ireo raha reo. 33 gny lagnitsy voho gny tany ho levo, fa reo volako la tsy ho levo mandrakizay. 34 Fa mitandrema amin'ny vatanareo, mba tsy ho vesaran'ny vokatsy gny finoma voho gny fahamamoa gny fonareo, voho reo ahiahin'ny fiaigna, ka bakeo la hitako tampoky aminareo manahaky gny fandriky izay andro izay. 35 Fa izay la ho avy amin'ny gn iaby zay miay aneran-tany. 36 fa mba fetsy amin'ny fotoa iaby, mivavaha mba ho ampy hery nareo hilaisa reo raha iaby zay hiseho, sady hitsangagna eo agnatrehan'ny ana'Olo." 37 Ka tagnatin'ny andro la nampagnanatsy tao amin'ny tempoly Ie, sady gny haliky la nandeha niboaky Ie sady nijnano teo an-tendrombohits'Oliva. 38 Reo vahoaky iaby la avy voho maangiran-dratsy mba hijanjy Gnazy tao amin'ny tempoly.