Toko faha 20

1 Sady tamin'ny gnandro raiky, laha nampagnanatsy gny vahoaky tao amin'ny tempoly Jesosy sady nitory gny filazantsara, la nagnato Gnazy reo lohan'ny mpisoro voho mpanora-dalagna nisondry tami'ireo loholo. 2 Nivola rozy, nanao tamin'ny hoe:"Volagno anay hoe amin'ny fahafatesa ino ro hanaovanao reo raha reo? Na koa ia ro nagnome anao zao fahefa zao?" 3 Namaly Ie sady nivola gnazy reo hoe:" Zaho koa la hametraky fagnonbtania aminareo. Volagno Gnahy gny mahakasiky 4 gny batisan'i Jaona. Moa va zay bakaagny an-dagnitsy sa bakamin'ny olombelo?" 5 Nialy hevitsy rozy, nivola hoe:"Laha hamaly tsika hoe:' Bakagny an-dagnitsy' la hivola Ie hoe:' ka nagnino nareo ro tsy nino Gnazy?' 6 Fa laha mivola tsika hoe:' Bakami'ny olombelo,' la hitora-bato antsika gny vahoaky iaby, satria rozy la resy lahatsy fa Jaona la mpaminany." 7 Lafa izay la namaly rozy fa tsy hain-drozy zay nahaviany. 8 Jesosy nivola tamin-drozy hoe:"Zaho koa tsy hivola aminareo zay fahefa hanaovako zao raha iaby zao." 9 Novolagniny tamin'ny vahoaky zao fagnohara zao:"Nisy johary raiky nanao tanim-boaloboka, nampagnofa izay tamin'ny mpamboly voaloboky, sady nandeha tagny amin'ny firenena hafa tagnatiny gny fotoa maharitsy. 10 Tamin'ny lera voatondro la nandefa mpanompo ie ho agny amin'ireo mpamboly voaloboky, fa tokony hagnome gnazy gny voankazogn'ny tanim-boloboky rozy. Novangoan'ireo mpamboly anefa ie, sady nalefany nipoly tagnam-polo. 11 Bakeo la nandefa mpanompo hafa ndraiky ie sady la novangoan-drozy avao koa, nalainy baraka, sady nalefan-drozy tagnam-polo. 12 Mbo nandefa fagnintelony ie sady niratran-drozy koa ie, sady noroasiny. Lafa izay la nivola gny tompogn'ny tanim-boaloboky hoe:'Ino ro ho ataoko? Halefako agny gny anaky lahy malalako. Mety mba ho hajain-drozy ie." 14 Fa lafa jerin'ireo mpamboly voaloboky ie, la nifampiresaky rozy, nivola hoe:' Io gny mpandova. Ndao hovonoantsika ie, mba ho lasantsika gny lova.' 15 Noroasin-drozy niala gny tanim-boaloboky ie sady novonoan-drozy. Ino zany ro ho ataon'ny tampogn'ny tanim-boaloboky amin-drozy? 16 Ho avy ie sady hamotiky reo mpamboly voaloboky, sady hagnome gny tanim-boaloboky ho gnan'ny hafa." Lafa nahajanjy izay rozy, la nivola hoe:"Sagnatria amin'Andranagnahary!" 17 fa nijery gnazy reo Jesosy, nivola hoe:"Ino ro hevitsign'ny voasoratsy hoe:"Gny vato zay tsy nenkegnin'ireo mpagnorin-tragno ro lasa vato fehizoro'? 18 Gny olo iaby zay milavo eo amin'io vato io la ho torotoro. Fa na ia na ia hilavoany, la ho potiky." 19 Ka nila hisambotsy Gnazy tamin'io lera io reo mpanora-dalagna voho reo mpisoro, fa hain-drozy fa nivolagninny io fanohara io hanohitsy gna-drozy. Nefa natahotsy gny vahoaky rozy. 20 Teo am-pandiniha Gnazy soa, la nandefa mpi tsikilo mody ho marina rozy, mba hahazoan-drozy mahajery tsiny amin'ny volany, ka hanolotsy Gnazy eo amin'ny fanapaha voho gny fahefan'ny goverinora. 21 Nagnontany Gnazy rozy, nivola hoe:"Mpampagnatsy o, hainay Iha fa mivola voho mampagnanatsy am-pahamarigna, sady tsy voasariky gny hevits'ia na ia, fa iha la mampagnanatsy gny fahamarigna mahakasikign'ny lalagn'Andranagnahary. 22 Ara-dalagna ho gnanay va gny mandoa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?" 23 Fa Jesosy la nahatakatsy gny hafetsen-drozy, sady nivola tamin-drozy hoe:" 24 Mampisehoa denaria raiky Agnamiko. An'ia io sary voho agnara eo aminy io?" Nivola rozy hoe:" An'i Kaisara." 25 Hoy Ie tamin-drozy hoe:"Noho izay omoe an'i Kaisara gny raha zay an'i Kaisara, sady an'Andranagnahary, reo raha zay an'Andranagnahary." 26 Tsy nahajery tsiny tamin'izay nivolagniny teo agnatrehan'ny vahoaky rozy, fa la nitseriky tamin'ny valin-dresaky ka tsy nivola. 27 Lafa avy teo amin'ny sasany tamin'ireo Sadoseo, reo zay nivola fa tsy misy gny fitsangagna amin'ny maty, 28 nagnontany Gnazy rozy, nivola hoe:"Mpampagnanatsy o, Mosesy la nanoratsy ho gnantsika fa laha maty gny rahalahin'ny johary raiky, manam-baly, sady tsy managn'anaky, la tokony hangalaky valy gnan'ny valin-drahalahiny gny johary, sady hagnome anaky ho gnan'ny rahalahiny. 29 Nisy mpirahalahy fito sady gny voalohany nanam-baly, sady tsy nanagn'anaky, 30 Nampakatsy gnazy gny fahatelo, sady manahaky izay iaby rozy fito samy tsy nanagn'anaky, sady maty. 32 Tafaran'izay la maty koa gny vehivavy. 33 Amin'ny fitsangagna amin'ny maty, ho valin'ia zany ie? Fa samby fa nanambaly Gnazy rozy fito." 34 Jesosy nivola tamin-drozy hoe:" Reo anak'izao tontolo zao la mampaka-bady voho ampakary. 35 Fa reo zay jery amin'izao fa mendiky gny handramby gny fitsara amin'ny maty la tsy hampaka-baly na hampakarina. 36 Tsy ho maty sasy rozy, satria mitovy amin'ireo anjely voho reo anak'Andranagnahary, zay anaky gny fitsangagna amin'ny maty. 37 Fa gny maty la natsanga, na Mosesy aza la nampiseho, teo amign'ny toera zay nisy gny voaroy, zay nikaiky gny Tompo ho Ndranagnaharin'i Abrahama voho Ndranagnaharin'Isaka sady Ndranagnaharin'i Jakoba. 38 Sady Ie la tsy Ndranagnahary gny maty, fa gny velo, satria gny iaby la velo ao aminy." 39 gny sasany tamin'ireo mpanora-dalagna namaly hoe:"Mpampagnanatsy o, namaly soa Iha." 40 Satria tsy mahasaky nametraky fagnontania hafa taminy sasy rozy. 41 Jesosy nivola gnan-drozy hoe:"Ahoa ro ivolagnan-drozy fa Kristy la anaky lahin'i Davita? 42 Davita vatany ro nivola tao amin'ny bokin'i Salamo hoe: Gny Tompo nivola tamin'ny Tompoko hoe:' Mipetraha eo an-tana ankavagnako, 43 mandra-panovako gny fahavalonao ho fitoeran-tombokinao.' 44 Lafa izay Davida la nikaiky an'i Kristy hoe:'Tompo', ka ahoa ro maha anak'i Davida Gnazy?" 45 Teo agnatrehan'ny olo iaby la nivola tamin'ireo mpianatsiny Ie hoe:" 46 Mitandrema amin'ny mpanora-dalagna zay magniry handeha misondry amin'ny akanjo lava, voho tea fiarahaba manoka egny an-tsena, voho seza voalohany ao agnaty synagoga, sady toera voalohany agny amin'ny fanasa. 47 Rozy koa la mandany gny tranon'ireo mpanday vata, sady manao vavaky lavaregny ho fisehosehoa. Gny johary manahaky izay la hahazo fagnameloha bevata vatany."