Toko faha 5

1 Laha misy olo taiky manota fotony tsy nijoro ie tamin'ny raha zay nila gny fijoroany vavolombelo, na fa nahita izay ie na nahare momban'izay, la ho tompon'andraikitsy ie. 2 Na laha misy olo mikasiky zay raha fa voatokan-Dranagnahary ho maloto, na gny fatin'ny bibidia maloto izay na gny fatin'ny biby fihare zay fa maty, na biby milaly, na la tsy hisaina gny hikasiky izay ka aza lay olo, la maloto vo meloky ie. 3 Na laha mikasiky gny fahalotoan'ny olo raiky, na ino na ino izay fahalotoa izay, sady laha tsy mahay izay ie, la ho meloky ie lafa mahay gny mikasiky izay. 4 Na laha misy olo mifanta mare amin'ny sogniny hanao raty, na hanao gny soa, na ino na ino ifantan'izay johary izay mare amin'ny fifanta na la tsy mahay izay aza ie, lafa mahay gny mikasiky izay ie la ho meloky, amin'ireo iaby reo. 5 Laha meloky amin'izay iaby izay gny olo raiky, la tsy maintsy migneky zay heloky iaby nataony ie. 6 La ao ie handay fagnatitsy noho gny heloky amin'i Yaveh nohon'ny fahota zay fa vitany biby vavy raiky bakamin'ny aondry aman'aosy, na anak'aondry na aosy, ho an'ny fagnatitsy nohon'ny ota, sady gny mpisoro la hanao fagnavota ho gnazy mahakasiky gny fahotany. 7 Laha toa tsy mahavita mivily anak'aondry ie, la mahazo manday domoina roa na voromailala vantony roa ho gnan'i Yaveh ie ho fagnatitsy nohon'ny heloky nohon'ny fahotany, raiky ho an'ny fagnatitsy nohon'ny ota sady raiky hafa ho fagnatitsy oroa. 8 Ao ie handay reo agny amin'ny mpisoro, zay hanolotsy raiky aloha ho an'ny fagnatitsy nohon'ny ota__hanolotsy gny lohan'izay ie nefa tsy hangalaky izay tanteraky amin'ny vata. 9 Bakeo la hanondraky ampahany amin'ilay lion'ny fagnatitsy nohon'ny ota eo amin'ny ilan'ny alitara ie, sady handraraky gny sisan'ny lio eo amin'ny fanambanin'ny alitara izay ro fagnatitsy noho gny ota. 10 Manarak'izay la ao ie hanolotsy gny voro faharoa ho fagnatitsy oroa, araky gny voafaritsy tao amin'ireo torolala, sady hanao fagnavota ho gnazy noho gny ota zay fa vitany gny mpisoro, ka la ho voavela gny helok'ilay olo. 11 Nefa laha toa tsy mahatakatsy domoina roa na voromailala roa ie, ho soro noho gny fahotany la ao ie, ho soro handay ampahafon'efaha amin'ny koba soa lisa ho an'ny fagnatitsy noho gny ota. Ao ie tsy hanisy diloilo na ditin-kazo magnitsy amin'izay, fotony fagnatitsy noho gny ota izay. 12 Ao ie handay izay agny amin'ny mpisoro, sady hangalaky raiky tagna amin'izay gny mpisoro ho fanati-pahatiarova sady bakeo hagnoro izay eo amin'ny alitara, eo an-tampon'ireo fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh. Izay ro fagnatitsy nohon'ny ota. 13 Hanao fagnonera ho an'izay fahota vitan'ny olo gny mpisoro, sady la ho voavela izay olo izay. Reo sisa bakamin'ny fagnatitsy la ho an'ny mpisoro, manahaky gny amin'ny fagnatitsy voa. "' 14 La nivola tamin'i Mosesy i Yaveh nanao hoe: 15 " Laha misy olo mandika lily vo manonta reo raha zay an'i Yaveh, nefa nanao izay tsy nahy, la ao ie handay gny fagnatiny nohon'ny heloky ho an'i Yaveh. Izay fagnatitsy izay la tsy maintsy aondry lahy tsy misy kilema bakamin'ireo aondry aman'aosy;gny lanjan'izay la ao ho tombana amin'ny sekely volafoty__gny sekelin'ny fipetraha masy__ho fagnatitsy nohon'ny heloky. 16 Ao ie hanao zay mahafapognan'i Yaveh noho zay raty fa vitany mifandramby amin'ny masy, sady ao ie hagnampy raiky ampahalimy amin'izay sady hagnome izay ho an'ny mpisoro. La hanao fanonera ho gnazy amin'ny aondrilahy fagnatitsy noho gny heloky gny mpisoro, ka la ho voavela izay olo izay. 17 Laha misy olo manota vo manao zay raha fa nodidian'i Yaveh tsy ho atao, na la tsy nahahay izay aza ie, la mbo meloky ie ka tsy maintsy hilanja gny helony avao. 18 Ao ie handay aondry lahy raiky tsy misy kilema bakamin'ireo aondry aman'aosy, zay mendriky gny tombam-biliny, ho fagnatitsy nohon'ny heloky ho an'ny mpisoro. Bakeo la hanao fanonera ho gnazy mahakasiky gny fahota zay fa vitany gny mpisoro, amin'izay tsy nahaizany ka la ho voavela ie. 19 Izay ro fagnatitsy nohon'ny heloky, sady la meloky vatany ie eo agnatrehan'i Yaveh."