Toko faha 6

1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 " Laha misy olo manota sady manika gny lalagna manohitsy gnan'i Yaveh, manahaky gny hoe mifampirahara ambaliky miaraky amin'ny namany mahasiky gny raha zay nankinina taminy, laha manitaky ie na mandrava gnazy, na nampijaly gny namany, 3 na nahita raha zay noverezin'ny namany ka mavandy gny amin'izay, sady mifanta amin'ny vandy, na gny amin'ireo raha manahaky gny hanotan'ny olo, 4 la, laha manota ie ka meloky, la tsy maintsy hampimpoly zay iaby nalany tamin'ny alalan'ny fandrava na fampijalia na nangalaky zay nankiny taminy na raha tsobo ka hita ndraiky. 5 Na navandy gny amin'ny raha iaby ie, la tsy maintsy hampipoly manontolo izay sady tsy maintsy hagnampy raiky am-pahalimy honera amin'izay tompon'izay, amin'ny andro zay naha meloky gnazy. 6 La tsy maintsy handay gny fanati-pagnonerany ho gnan'i Yaveh ie: aondry lahy tsy misy kilema bakamin'ny aondry aman'aosy zay mendriky gny tombam-bidiny, ho fanati-pagnonera ho an'ny mpisoro. 7 Hanao fagnavota ho gnazy eo agnoloan'i Yaveh gny mpisoro, sady ho voavela amin'izay iaby nahavy gnazy ho meloky amin'ny nataony ie." 8 La nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 9 ' Didio i Arona vo reo anany, safagno hoe: ' Zao ro lalan'ny fagnatitsy oroa: Tsy maintsy eo agnabo fatan'ny alitara mandritra gny haliky manontolo zisiky farany gny fagnatitsy oroa, sady gny bolon'ny alitara henga hirehitsy avao. 10 Hanao gny akanjo hasim-bazaha avao gny mpisoro, sady hanao gny atin'akanjo hasim-bazaha avao koa ie. Hangalaky reo lavenoky zay tavela tafaran'ny nandevenan'ny bolo gny fagnatitsy oroa eo agnabo alitara ie, sady hametraky reo lavenoky eo agnilan'ny alitara. 11 Hangalaky reo salony ie sady hampanday reo lavenoky hiboaky gny toby ho agny amin'ny toera zay malio. 12 Gny bolo eo amin'ny alitara la henga hirehitsy avao. Ao tsy hiboaky izay, sady reo mpidoro la hagnoro hazo eo agnabon'izay isaky maraindry. Handamy gny fagnatitsy oroa araky zay ilany amin'izay ie, sady hagnoro gny saboran'ny fanati-pilongoa ie. 13 Engao hirehitsy eo agnabo alitara mandrakariva gny bolo ao tsy hiboaky izay. 14 Zao ro lalan'ny fagnatitsy voa. Hanolotsy izay eo agnatrehan'i Yaveh magnatriky gny alitara reo anaky lahin'i Arona. 15 Hangalaky koba soa lisa eraky gny tagna amin'ny fagnatitsy voa vo amin'ny diloilo sady ditin-kazo magnitsy zay eo agnabon'ny fagnatitsy voa gny mpisoro, sady hagnoro izay eo agnabo alitara mba hamoaky fofo magnitsy manahaky gny fanati-pahatiarova izay. 16 Hihina zay sisa amin'ny fagnatitsy i Arona vo reo anany lahy. Tsy maintsy hohany tsy misy lalivay ao amin'ny fipetraha masy izay. Hihina ao amin'ny kianjan'ny tragno-lay fihaogna rozy. 17 Ao tsy hoketrehy miaraky amin'ny lalivay izay. Nameako ho anjaran-drozy amin'ny fagnatitriko natao tamin'ny bolo izay.Masy mare izay, manahaky gny fagnatitsy nohon'ny ota sady fanati-pagnonera izay. 18 Fa mandritra reo fotoa iaby hahavian'ireo avorohotanao fara mandimby, reo la ao avorohota lahy sasany bakamin'i Arona la ao hihina izay manahaky gny fizara, nala bakamin'ireo fagnatitr'i Yaveh natao tamin'ny bolo. Na ia na ia mikasiky izay la ho avy masy."' 19 Ka nivola tamin'i Mosesy ndraiky i Yaveh, nanao hoe: 20 " Zao ro fagnatitr'i Arona voho reo anany lahy, zay homen-drozy an'i Yaveh amin'ny andro zay hagnosora reo anaky lahy iaby: gny ampahafolon'ny afaha raiky amin'ny koba soa lisa ho fagnatitsy voa fanao mahazatsy, antsasany amin'izay amin'ny maraindray sady gny antsany amin'ny hariva. 21 Ho vita amin'ny menaky agnaty lasitsy mofo izay. Lafa vonto menaky izay, la ho andesinao militsy. Voaendy ro hanoloranao gny fagnatitsy voa mba hamoaky hagnitsy malemy ho gnan'i Yaveh. 22 Gny anaky lahin'ny mpisorombe zay avy ho mpisorombe vaovao amin'ireo anakilahy ro hanolotsy izay. Araky gny fa nandidia hatrizay, la horoa ho gnan'i Yaveh iaby izay. 23 Gny fagnatitsy voan'ny mpisoro la ho oroa manontolo. Ao tsy ho hany izay." 24 Nisafa tamin'i Mosesy ndraiky i Yaveh nanao hoe: 25 " Mivolagna amin'i Arona vo reo anany lahy, manao hoe: " Zao ro lalan'ny fagnatitsy noho gny fahota: Gny fagnatitsy nohon'ny fahota la tsy maintsy vonoa eo amin'ny toera zay namonoa gny fagnatitsy oroa eo agnatrehan'i Yaveh. Izay ro masy mare. 26 Gny mpisoro zay hanolotsy izay ho gnan'ny fahota la hihina izay. Tsy maintsy hohany agny amin'ny fitoera masy ao amin'ny kianjan'ny tragnolay fihaogna izay. 27 Na ia na ia mikasiky gny henan'izay la ho avy masy, sady laha misy lio mifafy amin'ny akanjo, la tsy maintsy sasa agny amin'ny toera masy gny faritsy zay nipitihany. 28 Fa gny valagny tanimanga zay nampangotraha izay la hovaky. Laha nampangotrahy tagnaty valagny saba izay, la ao hokosehy vo hosasa malio amin'ny rano izay. 29 GNy johary sasany amin'ireo mpisoro la mahazo mihina amin'izay fotony masy mare izay. 30 Fa laha misy fagnatitsy nohon'ny fahota ka andesy ao amin'ny tragno-lay fihaogna mba hanaova fanonera gny lio la ao tsy hohany. Ao horoa izay.