Toko faha 4

1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 " Lazao gny vahoakan'Israely hoe: ' Laha misy olo manota nefa tsy nagniry gny hanota, nanao reo raha zay gny hanota, nanao reo raha zay nandidian'i Yaveh mba tsy ho atao, sady laha manao raha zay voarara ie, la tsy maintsy atao reto. 3 Laha toa ka gny mpisorombe ro manonta ka manday fanameloha eo amin'ny vahoaky, la ao ie hanolotsy vantotr'aomby lahy tsy misy kilema ho gnan'i Yaveh ho fagnatitsy nohon'ny ota. 4 Ao ie handay aomby eo amin'ny filiran'ny tragno ao amin'ny lay fihaogna eo agnatrehan'i Yaveh, hametraky gny tagnany eo amin'ny kabesony, sady hamono lay ombilahy eo agnatrehan'i Yaveh. 5 Lay mpisoro voahosotay la hangalaky sombiny amin'ny ran'ilay aombilahy sady handay izay ho ao amin'ny lay fihaogna. 6 Hagnatsoboky gny tagnany ao amin'ilay lio lay mpisoro ka hanondraky im-pito bakamin'izay eo agnatrehan'i Yaveh, eo agnoloan'ny lamban'ny fipetraha masy mare. 7 Bakeo lay mpisoro la hangalaky amin'ilay lio ho eo amin'ireo tandrok'ilay alitaran'ny dinti-kazo magnitsy eo agnatrehan'i Yaveh, zay ao amin'ny lay fihaogna, sady handraraky gny sisa iaby agnabon'ny lion'ilay ombilahy agny amin'ny fanambanin'ilay ombilahy agny amin'ny fagnambanin'ilay alitara ie ho fagnatitsy oroa, zay eo amin'ny filiran'ny lay fihaogna. 8 Hanala gny sabora iaby amin'ilay aomby atao fagnatitsy nohon'ny ota ie; lay sabora zay mandrakotsy gny faritsy agnatiny, gny sabora iaby zay miraiktra amin'ny faritsy agnaty, 9 reo voany roa vo gny sabora zay eo amin'ireo, zay agnilan'ny valahina, sady gny ila-atiny, miaraky amin'ireo voa__hangalaky izay iaby izay Ie. 10 Ho alany iaby izay iaby izay, manahaky gny nangalany izay tamin'ilay aomby natao soron'ny fanati-pilongoa. Bakeo ilay mpisoro la handoro reo ampahany reo eo amin'ny alitara ho fagnatitsy oroa. 11 Gny angozin'ilay aomby vo zay hena tavela, miaraky amin'ny kabesony vo reo tomboky sady reo tao agnatiny vo gny reo tomboky sady reo tao agnaty vo gny zeziky, 12 gny ambin'ny vatan'ilay aomby iaby__ho entiny ivelan'ilay toby iaby reo ampahany reo ho agny amin'ilay toera zay fa nodiovin-drozy ho Gnahy, zay nandrarahan-drozy reo lavenoky; hagnoro reo ampahany reo eo ambonin'ny kata rozy. Ao reo ampahany reo ho oroan-drozy eo amin'ilay nandrarahan-drozy reo lavenoky. 13 Laha manota tsy nahy gny fiangonan'Israely iaby, sady tsy mahafantatsy gny fiangona fa nanota rozy sady nanao zay nandraran'i Yaveh tsy ho atao, sady laha meloky rozy, 14 la lafa fantatsy gny ota nataon-drozy, la ao gny fiangona hanolotsy vantotr'aomby ho fagnatitsy nohon'ny ota sady handay izay eo agnoloan'ny tragno lay fihaogna. 15 Reo loholon'ny foangona la hametraky gny tanan-drozy eo amin'ny lohan'ilay aomby agnoloan'i Yaveh, sady ho vonoy eo agnoloan'i Yaveh aomby lahy. 16 Gny mpisoro voahosotsy la handay sombiny amin'ilay lion'ilay amby ho agny amin'ny tragno lay fihaogna, 17 sady hampidrobo gny tagnany ao amin'ilay liosady hanodraky izay im-pito eo agnoloan'i Yaveh eo agnoloan'ilay lamba . 18 Hanositsy sombiny amin'ilay lio eo amin'ireo tandroky gny alitara zay eo agnoloan'i Yaveh ie zay ao amin'ny tragno lay fihaogna, sady handraraky lay lio iaby eo amin'ny fanambanin'ny alitara ho fagnatitsy oroa, zay eo amin'ny filiran'ny tragno lay fihaogna. 19 Hangalaky gny sabora iaby eo amin'izay ie sady hagnoro izay eo amin'ny alitara. 20 Izay ro ao ataony amin'ilay aomby. Manahaky gny fa nataony tamin'ilay aomby natao fagnatitsy nohon'ny ota, ro ho ataony amin'io, sady lay mpisoro la hanao fagnavota ho an'ny vahoaky, ka ho voavela rozy. 21 Ho andesy ivelan'ny toby sady hagnoro izay manahaky gny nagnoroany lay aomby voalohany ie. Izay ro fagnatitsy nohon'ny ota ho an'ny fiangona. 22 Lafa manota tsy nahy gny mpanapaky, amin'ny fanaova gny raiky amin'ireo raha zay nandidian'i Yaveh mba tsy atao, ka meloky ie, 23 la hampahaizy gnazy gny ota zay nataony, ao ie handay aosy, aosilahy tsy misy kilema ho sorony. 24 Hametraky gny tagnany eo amin'ny lohan'ilay aosy ie sady hamono izay eo amin'ny toera zay namonoan-drozy gny fagnatitsy oroa eo agnoloan'i Yaveh. Fagnatitsy nohon'ny ota izay. 25 Gny mpisoro la hangalaky lay lion'ilay fagnatitsy nohon'ny ota amin'ny tagnany sady alitara ho fagnatitsy oroa, sady handraraky gny lion'izay eo amin'ny fanambanin'ny alitaran'ny fanatitsy oroa ie. 26 Ho oroany eo amin'ny alitara gny sabora iaby, manahaky lay sabora tamin'ny soron'ny fanati-pilongoa. Gny mpisoro la hanao fagnavota ho an'ny mpanapaky mahakasiky gny otany, sady la ho voavela lay mpanapaky. 27 Laha misy raiky amin'ireo sarambabem-bahoaky manota tsy nahy, amin'ny fanaova reo raha nandidian'i Yaveh gnan-drozy tsy ho atao, sady lafa hainy gny helony, 28 la ho ampahaizy gnazy gny ota zay nataony, sady handay aosy raiky aosivavy tsy misy kilema ho soro ie, ho an'ny ota zay nataony. 29 Hametraky gny tagnany eo amin'ny lohan'ny fagnatitsy nohon'ny ota ie sady hamono lay fagnatitsy nohon'ny ota eo amin'ny toeran'ny fagnatitsy oroa. 30 Gny mpisoro la handramby sombiny amin'ilay lio amin'ny tagnany sady hametraky izay eo amin'ny tandroky gny alitara ho fagnatitsy oroa. Handraraky gny fanambin'ny alitara ie. 31 Hangaky gny sabora iaby ie, manahaky gny nangalany gny sabora tamin'ny soron'ny fanati-pilongoa. Ho oroan'ny mpisoro eo amin'ny alitara izay mba hamoaky fofo magnitsy ho gnan'i Yaveh. Hanao fanavota ho an'ilay olo lay mpisoro, sady ho voavela ie. 32 Laha manday anak'aondry ho ataony soro ho fagnatitsy nohon'ny ota lay johary, la handay aondry vavy tsy misy kilema ie. 33 Hametraky gny tagnany eo amin'ny lohan'ilay fagnatitsy nohon'ny ota ie sady hamono izay ho fagnatitsy nohon'ny ota eo amin'ny toera zay hamonoan-drozy gny fagnatitsy oroa. 34 Gny mpisoro la hangalaky gny sombiny amin'ilay lion'ny fagnatitsy nohon'ny ota amin'ny ratsan-tagnany sady hametraky izay eo amin'ireo tandroky gny alitara ho fagnatitsy oroa, sady ho ararany eo amin'ny fanambanin'ny alitara iaby gny lion'izay. 35 Hangalaky gny sabora iaby ie, manahaky gny nangalany gny saboran'ilay anak'aondry tamin'ny soron'ny fanati-pilongo, sady ho oroan'ny mpisoro eo amin'ny alitara eo agnabon'ny fagnatitr'i Yaveh natao tamin'ny bolo izay. hanao fanavota ho gnazy gny mpisoro nohon'ny ota zay nataony, sady ho voavela lay johary.