Toko faha 15

1 Gny anjara tanin'ny fokon'ny fokonolon'i Joda, namea gny fokon-drozy, la nihitatsy nagnantimo nagnagny amin'ny sisin-tanin'i edoma, niaraky tamin'ny efits'i Sina zay fefy lavitsy mare agny antimo. 2 Gny sisintanin-drozy agny antimo la nanomboky teo amin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, ka hatragny amin'ny helo-drano zay magnatriky gny antimo. 3 Gny sisin-tanin-drozy magnaraky la niboaky tao antimon'ny havoan'i Akrabima sady nagnaraky gnan'i Sina, voho niaktasy antimon'i kadesy Barnea, magnaraky gnan'i Hezrona, sday miakatsy gnan'i Adara, eo amin'ny ze iolagnan'io magnagny Karka. 4 Nagnaraky gnan'i Azmona, nahazo gny lohasahan-driak'i Egypta, sady niafara tagny an-dranomasy io. Io ro faritanin-drozy antimo. 5 Gny sisin-tany antignana la gny ranomasin-Tsira, eo am-bavan'i Jordana. Gny faritany agny avaratsy la bakeo amin'ny lohasahan-driakan'ny ranomasina ka hatreo am-bavan'i Jordana. 6 Niakatsy tao Beti-hogla sady nagnaraky gny avarats'i Bet-araba io. bakeo io la niakatsy nagnagny amin'ny Vaton'i Bohana anaky lahin'i Robena. 7 Sady faritany la niakatsy tagny Debira hatragny amin'ny Lohasahan'i Akora, sady niagnavatsy, niodiky nagnaraky gnan'i Gilgala, ze tandrifin'ny havoan'i Adomina, zay agny amin'ny lafy avaratsy gny lohasaha. bakeo lay faritany nagnaraky gny loharanon'i ensemesy sady nandeha tagny En-rogela. 8 la niakatsy gny lohasahan'i Beni-Hinoma ka hatragny amin'ny lafy antimon'ny tanan'ny Jebosita ( zay, i Jerosalema) gny faritany. La niakatsy hatragny amin'ny tendron'ny havoa ze magnamoro gny lohasahan'i Hinoma, agny avaratsy, ze ao amin'ny farany avaratsy gny lohasahan'i Refaita io. 9 Sady gny faritany nihitatsy hatreo amin'ny tendron'ireo havoa ka hatragny amin'ny loharanon'i Neftoa, sady niboaky bakeo ka hatragny amin'ireo tana tao an-tendrombohitsy efrona. sady gny faritany la nagnodidi gan'i bala(mitovy amin'i Kiriata-Jearima) . 10 sady gny faritany nagnodidy gny antignanan'i bala hatragny amin'ny tendrombohitsy Seira, sady nagnaraky gny lafin'ny tendrombohitsy Jearima agny avaratsy( mitovy amin'i Kesalona), nizotso Beti-Semesy, sady nanapaky gny timna. 11 Niboaky agnilan'ny avaratsy gny havoa Ekrona gny faritany, sady la nihodidy gnan'i sikerona voho nagnaraky gny Tendrombohitsy Bala io, bakeo la nagnagny Jabniela io. Nifara tao an-dranomasina gny faritany. 12 Gny sisin-tany an-drefa la gny ranomasina Bevata voho gny morony. Io ro faritany magnodidy gny fokon'i Joda, isam-poko. 13 amin'ny fitandreman'i Josoa gny lilin'i Yaveh, la nagnome gnan'i kaleba anaky lahin'i Jefone anjara amin'ny tany eo amin'ireo fokon'i Joda, Kiriata Arba,, zay Hebrona(Arba la rain'i Anaka) i josoa. 14 Nandroaky gny anak'i Anaka telo lahy tao i Kaleba; Sesay, Ahimana voho Talmay, reo avorohotan'i anaka. 15 Niakatsy bakeo ie hanohitsy reo olon'i Debira( Debira la nikaihy hoe Kiriata-Sefera taloha). 16 Hoy Kaleba hoe;' Gny olo ze manafiky gnan'i Kiriata-Sefera voho mahazo gnan'io, la ho gnazy ro hagnomezako gnan'i Aksa anaky ampelako ho valy." 17 sady Otniela anaky lahin'i Kenaza, rahalahin'i kaleba, lafa nahazo gnan'io, la namean'i kaleba gnzy ho valy i aksa anakampelany. 18 Fotoa kelikely tatoy tafaran'io, la nagnagny amin'i Otniela i Aksa sady namporisihiny hangataky saha tagny amin'ny rainy ie. Lafa nizotso tamin'ny borikiny ie, la hoy Kaleba taminy hoe:' Ino ro ilanao?" 19 Namaly Aksa hoe:' Manaova raha miavaky ho gnahy, fotony fa nagnome gnahy gny tany Negeva iha:'la omeo gnahy reo loharano sasany.' La nomean'i Kaleba gnazy reo loharano agnabo voho reo loharano ambany. 20 Io eo lovan'ny fokon'i Joda, namean'ireo fokony. 21 Reo tana ze gnan'ny fokon'i Joda agny amin'ny farany antimo, amin'ny faritanin'i Edoma, la Kabzela, Edera, Jagora, 22 Kina, Dimona, Adada, 23 kadesy, hazora, Itnana, 24 Zifa, Talema, Bealota. 25 Hazora-hadata, Keriota-hezrona(io avao koa la hay tamin'ny hoe Hazora), 26 Amana, Sema' Molada, 27 Hazra-gada, Hesmona, Beti_paleta, 28 Hazara-soala, Beri-sheba, Biziotia. 29 bala, le, Azema, 30 Eltolada, Kesila, Horma, 31 ziklaga, Madmana, Sansana, 32 Lebaota, Silima, Aina, voho Rimona. Reo ro tana roapolo sivy amby fitambarany , miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 33 Tao amin'ny tany havoa iva mare agny andrefa, la nisy gnan'i Estaola, Zora, Asna, 34 Zanoa, En-ganima, Tapoa, Enama, 35 Jarmota, Adolama, Soko, Azeka, 36 saraima, Aditaima, sady Gadera(zay Gederotaima). Folo efatsamby isa reo tana reo, miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 37 Zenana, Hadasa, Migdala-gada, 38 Dilana, Mizpa, Joktela, 39 Lakisy, Bozkata, Eglona. 40 Kabona, Lamasa, Kitilisa, 41 Gederota, Beti-dagona, Nama,Makeda. Folo enigmaby isan'ireo, miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 42 Libna, Atera, Asana, 43 Jifta, asna,Neziba, 44 Kila, Akziba, Maresa. Tana sivy reo, miaraky vohitsy keliny. 45 Ekrona, miaraky amin'ireo tana voho reo ana-bohitsy magnodidy gnan'io; 46 Bakeo Ekrona ka hatragny amin'ny Ranomasina bevata, reo fipetraha iaby zay agnilan'i Asdoda, miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 47 Asdoda, reo tana voho reo ana-bohitsy magnodidy gnan'io; Gaza, reo tana voho reo ana-bohitsy magnodidy gnan'io; hatragny amin'ny lohasahan-driak'i Egypta, sady hatragny amin'ny ranomasina bevata miaraky amin'ny morontsirak'io. 48 ao amin'ny tany havoa, Samira, Jatira, Soko, 49 Dana, Kiriata-sana( zay, Debira), 50 Anaba, Estemo, Anima, 51 Gosena, Holona, sady Gilo. Folo raikamby reo tana reo, miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 52 Araba, Doma,Esana, 53 Janoma, Beti-tapoa, Afeka, 54 Honta, Kiriat-arba( ie, Hebrona), sady Ziora. Sivy reo tana reo miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 55 Maona, Karmela, Zifa, Jota, 56 Jezirela, Jokdeama, Zanoa, 57 Kaina, Gibea, Timna. Folo reo tana reo, miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 58 Halola, Beti-zora, Gedora, 59 Marata, Bet-anota, sady Elketona. Eny reo tana reo, miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 60 Kiriata-bala( zay, Kiriata-Jearima), sady Raba. Roe reo tana reo , miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 61 Ao agn'efitsy, la misy gnan'i Bet-araba, Midina, Sekaka, 62 Nisbana, gny Tananantsira, sady En-jedy. Eny reo tana reo, miaraky amin'ireo vohitsy keliny. 63 Fa reo Jebosita, reo olon'i Jerosalema, gny fokon'i Joda la afaky nandroaky gnan-drozy, ka la nipetraky tao niaraky tamin'ny fokon'i Joda mandrak'androany reo Jebosita.