Toko faha 16

1 Gny zara-tanin'ny fokon'i Josefa la nihitatsy nanomboky tagny Jordana ka hatragny Jeriko, antignanan'ny loharanon'i Jeriko, magnagny agn'efitsy, niakatsy bakao Jeriko hatragny amin'ny tany hoavoan'i Betela. 2 Bakeo io la nagnagny Betela ka hatragny Lozy sady namakivaky hatragny Atarota, lay fari-tan'ny Arkita. 3 La nizotso nagnandrefa gny faritan'ny Jafletita io hatragny amin'ny faritany ambanin'i Bedhorona, sady bakeo nagnagny Gazera; la niafara tagny amin'ny ranomasina. 4 Io ro fomba nahazoan'ireo fokon'i Josefa, Manase voho Efraima gny lovan-drozy. 5 Gny faritanin'ny fokon'i Efraima zay notendre ho gnan-drozy la manahaky zao magnaraky zao: gny faritanin'ny lovan-drozy agny antignana la niala gnan'ny Atarot-adara nagnagny Beti-horona agnabo, 6 sady nitihy hatragny an-dranomasina io. bakagny Mikmeta avaratsy io ro niodaky nagnantignana nagnagny Tanata-silo sady nahazo gny sisin'io agny antignana hatragny Janoha. 7 La nizotso bakagny Janoha nahazo gnan'i Atarota voho Narata io, sady bakeo nahatratsy gnan'i Jeriko, sady niafara tagny Jordana. 8 Bakao Tapoa lay faritany la nizotro nagnandrefa ho amin'ny lohasahan'i Kana sady niafara tagny an-dranomasina. Io ro lovan'ireo fokon'i Efraima, voatendry ho gnan'ny avorohotan-drozy, 9 niaraky tamin'ireo tana ze nifily ho gnan'ny fokon'i Efraima mbamin'ny lovan'ny fokon'i Manase_reo tana iaby, mbamin'ireo vohin-drozy. 10 Tsy nandroaky reo Kananita ze nipetraky tagny Gazera rozy, ka miay miaraky amin'i Efraima mandrak'androany reo Kananita, fa ingo nampanovy asa an-terivozo reo olo reo.