Toko faha 14

1 Reto iaby sady gny faritsy gny tany zay nirambesin'ny fokonolon'Israely ho lovan-drozy tagny amin'ny tany Kanan, notendre ho gnan-drozy tamin'i Eleazara mpisoro, tamin'i Josoa anak'i Nona, sady tamin'ny mpitari-pokon'ny favorohotan'ny razan-drozy niaraky amin'ny fokonolon'Israely. 2 Gny lovan-droay la voafanty tamin'ny loka ho gann'ireo sivy voho gny antsasak'ikeo foko, araky zay nandidian'i Yaveh tamin'ny tanan'i Mosesy. 3 Fa nomean'i Mosesy lova gny amin'ny roe antsasak'ireo foko tagny an-dafin'i Jordana, kanefa ie tsy nagnome lova reo Levita. 4 Fa laha gny marina la foko roe gny fokon'i Josefa, la Manase voho Efraima. Tsy namea anjara lova tany amin'ny tany Levita, fa tagny amin'ireo tan sasany avao mba hipetrara, mbamin'ireo tanim-bilona ho gnan'ny biby fiompy voho reo fitaovam-pamokaran-drozy. 5 La nanao araky gny nandidian'i yaveh gnan'i Mosesy gny fokonolon'israely, ka natendren-drozy tany. 6 La avy tagny amin'ny Josoa tagny amin'ny Gilgala gny fokon'ny Joda. Kaleba anak'i Jefona Kenizita, nivola taminy hoe;' hainao ze nolazain'i Yaveh gnan'i Mosesy lay joharinDranaaagnahary mahakasiky ahy voho iha tagny Kadesi-Barnea. 7 Efapolo tao aho laha nalefan'i Mosesy mpanompon'i Yaveh bakagny Kadesi-Barnea mba hisafo gny tany. Notateriko taminy ndraiky gny tatitsy mba hatao araky gny tian'ny foko hatao. 8 Fa reo rahalahiko ze nandeha niakatsy niaraky tamiko nampalemy gny fon'ny fokonolony tamin'ny tahotsy. Nefa narahiko tanteraky i Yaveh Ndranagnahariko. 9 Nianiana i Mosesy tamin'io andro io, sady nanao hoe;' azo antoky fa tany ze nandehanan'ny tombokao la ho lova ho gnanao voho gny anakao mandrakizay , fotony nagnaraky tanteraky gnan'i Yaveh Ndranagnahariko iha. 10 sady, ingo! Yaveh nitanjaky ahy ho velo nandritra zay efapolo limy amby tao ze araky ze nolazainy__tamin'ny fotoa zay nilazan'i Yaveh io teny io tamin'i Mosesy, nandritsa gny nandehanan'Istraely tagny agn'efitsy, sady ingo! valopolo limy amby tao aho amin'izao andro zao. 11 Mbo matanjaky hatragny aho amin'izao andro zao manahaky tamin'ny andro nandroahan'i Mosesy ahy. Gny tanjakao amin'izao la manahaky gny tanjakao tamin'io, tamin'ny aly voho tamin'ny nandeha voho nimpoly. 12 Ka nohon'io omeo gnahy toy tany havoa toy, zay nampanantenain'i Yaveh gnahy tamin'io andro io. Fotony renao tamin'io andro io i Anakita tagny amin'ireo tana mimanda bevata. Mety homba gnahy Yaveh mba hahafahako mandroaky an-drozy, araky gny nolazain'i Yaveh." 13 Bakeo la nitso-drano gnazy i Josoa sady nagnome gnan'i Hebrona ho lovan'i Kaleba anak'i Jefona. 14 Nohon'io la lasa mpandova gnan'i Kaleba anaky lahin'i Jefona lay Kenizita i Hebrona manadrak'androany, fotony nagnaraky gnan'i Yaveh tokoa ie, lay Ndranagnahar'Israely. 15 sady la Kiriata ro agnaran'i Hebrona taloha. ( arba ro johary bevata mare eo amin'i anakita.) La nijano tamin'ny aly gny tany.