Toko faha 6

1 Tafaran'ireo raha reo , la lasa niampita gny ranomasin'i Galilia Jesosy, atao hoe koa ranomasin'i Tiberiasy. 2 Nisy vahoaky maro nagnaraky Gnazy fotony jerin-drozy gny famantara zay nataony tamin'ireo narary. 3 Niakatsy an-tendrombohitsy Jesosy ka nipetraky tegny niaraky tamin'ireo mpianany Ie. 4 ( Sady gny Paska , zay andro firavoravoan'ny Jiosy, la fa mariniky.) 5 Lafa niandra Jesosy ka nahajery vahoaky lako namonjy Gnazy, la hoy Ie tamin'i Filipo hoe:" Aia ro hiviliantsika mofo mba hihinanandrozy?" 6 ( Fa Jesosy niresaky gnan'io mba hitsapa gnan'i Filipo, fa fa hainy zae hataony.) 7 Ka Filipo namaly Gnazy hoe:" Ndra la mofo roanjato dinaria aza tsy ho ampy ho gnan'ny kirakiraiky ndra la kelikely aza." 8 Raiky tamin'ireo mpianatsy , Andrea , rahalahin'i Simona Petera, niresaky tagnamin'i Jesosy hoe:' 9 Misy johary raiky eto mana mofo limy voho hazandrano roe, fa reo moa ino magnatriky olo lako reto?" 10 Ka Jesosy nirehaky hoe:' Apetraho olo reo" ( Sady feno akata tamin 'io toera.) Ka la nipetraky gn'olo, tamin'io dimy arivo teo gny isany. 11 Bakeo Jesosy nangalaky mofo teo ka lafa baka nisaotsa , la nizara gnan'io tamin'ireo zay nipetraky teo. Manahaky gnan'io avao koa ro nataony tamy gny fia , maro araky zay nilan-drozy. 12 Lafa vintsy gn'olo, la hoy Ie tamin'ireo mpianany hoe:' Avorio reo sombintsombiny tavela, mba tsy hisy ho trobo." 13 Ka la navorin-drozy ka nahafeno sobiky folo roamby gny sombintsombiny mofo limy sisa tavelan'ireo nihina. 14 Bakeo, lafa nahajery gnan'io famantara nataony io gn'olo, la hoy rozy hoe:" Toy tokoa gny mpaminany zay avy eto amin'izao tontolo zao." 15 Lafa jerin'i Jesosy fa ho avy rozy hangalaky Gnazy voho hanandratsy Gnazy an-keriny ho mpanjaka, la nimpoly tegny an-tendrombohitsy raiky ndraiky Jesosy. 16 Lafa ariva gn'andro , la niala tegny amin'ny ranomasina reo mpianany. 17 Nandeha tao agnatiny sambokely rozy, ka niampita gny ranomasina ho agny Kapernaomy. Fa mahiky tamin'izay, sady Jesosy mbo tsy avy tagnamin-drozy teo . 18 Nisy tsioky nitsioky mare, sady niha-nahery gny ranomasina. 19 Lafa nivoy teo amin'ny roapolo limy amby na telo stadio teo rozy, la nahajery gnan'i Jesosy nandeha tamin'ny ranomasina sady nagnariniky gny sambokely, ka la natahotsy rozy. 20 Fa hoy Ie tagnamin-drozy hoe:' Zaho avao toy! Ka matahotsy." 21 Bakeo la vonona gny handramby Gnazy tao amin'ny sambokely rozy, voho eo ho eo la avy tegny amin'ny toera handehanan-drozy gny sambokely. 22 Gny hamaray , jerin'ireo vahoaky zay nitsanga tegny ampitan'ny ranomasia fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy lay raiky avao, sady Jesosy tsy nilitsy tao niaraky tamin'ireo mpianany fa nandeha raiky reo mpianany. 23 Kanefa, nisy sambokely maromaro bakagny Tiberiasy teo agnilan'ny gny toera zay nihinanan-drozy gny mofo lafa baka nisaotsy gny Tompo. 24 Lafa jerin'ny vahoaky fa tsy teo na Jesosy na reo mpianany,la nilitsy tao agnatiny sambokely rozy ka nandeha tegny Kapernaomy hila gnan'i Jesosy. 25 Lafa jerin-drozy tegny ampitan'ny renirano Ie, la hoy rozy taminy hoe:" Raby, mbia Iha ro avy teto?" 26 Jesosy namaly gnan-drozy , nanao hoe:' Resahako aminareo marina, la marina tokoa, fa mila Ahy nareo, tsy nohon'ny nahitanareo famantara, fa nohon'ny nihinananareo gny mofo ka vintsy. 27 Ka miasa ho gnan'ny hany mety rava, fa miasa ho gnan'ny zay maharitsy ho gnan'ny fiaigna mandrakizay zay amean'ny Anak'olo gnanareo, fotony Ndranagnahary Baba ro nagnisy tombo-kase taminy." 28 Bakeo la hoy rozy taminy hoe:" Ino ro tsy maintsy hataonay, mba hanaovanay reo asan-Dranagnahary?" 29 Jesosy namaly ka nanao tamin-drozy hoe;" Zao ro asan-Dranagnahary:La gny hinoanareo lay raiky zay nirahiny." 30 Ka hoy rozy taminy hoe:" Ino sady ro famantara hataonao , mba hahitanay voho hinoanay gnanao? Ino ro hataonao? 31 Gny raibenay nihina gny mana tagny agn'efitsy, araky gny voasoratsy hoe:' nameany mofo bakagny an-dagnitsy rozy ho hany." 32 Bakeo Jesosy namaly gnan-drozy hoe:" Resahako aminareo marina, la marina tokoa, fa tsy Mosesy ro nagnome gnanareo gny mofo bakagny an-dagnitsy , fa gny Babako ro nagnome gnanareo gny tena mofo bakagny an-dagnitsy. 33 Fotony gny mofon-Ndranagnahary la gny mizotso ho gnan'izao tontolo zao." 34 Ka hoy rozy taminy hoe:" Tompoko, omeo gnanay mandrakariva io mofo io." 35 La hoy Jesosy tamin-drozy hoe:' zaho ro mofon'ny fiaigna; zay mamonjy Gnahy tsy mba ho masare sasy, sady zay mino Gnahy tsy hangetaheta sasy. 36 Kanefa fa niresahako taminareo fa nahajery Gnahy avao nareo, nefa tsy mino. 37 Gny iaby zay amean'ny Babako Gnahy la hamonjy Gnahy, voho zay mamonjy Gnahy la tsy hariako. 38 Fa nizotso bakagny an-dagnitsy Aho, tsy mba hanao gny sitrapoko manoka , fa gny sitrapon'Ie zay nagniraky Gnahy. 39 Sady zao ro sitrapon'Ie zay nagniraky Gnahy, la gny tsy hagnariako zay iaby nameany Gnahy, fa hananga gnan-drozy amin'ny andro farany. 40 Fotony zao ro sitrapon'ny Babako, , la gny mba hahazoan'ny iaby zay mahita gny Anaky voho mino Gnazy gny fiaigna mandrakizay sady hantsangako amin'ny andro farany ie. 41 Bakeo nimonomono momba Gnazy reo Jiosy fotony Ie nilaza hoe:" Zaho ro mofo nizotso bakagny an-dagnitsy." 42 Sady hoy rozy hoe:" Tsy gny Jesosy anak'i Josefa va io, zay haintsika gny baba aman-dreniny? Manao akory ro iresahany hoe" Nizotso bakagny an-dagnitsy Aho?" 43 Jesosy namaly ka nanao tamin-drozy hoe:" Ajanono gny fimonomono eo agnivonareo. 44 Tsy misy olo afaky mamonjy Gnahy laha tsy gny Baba zay nagniraky Gnahy ro mitao gnazy, sady hatsangako ie amin'ny andro farany. 45 Io la voasoratsy ao amin'ny bokin'ny mpaminany hoe:" Hampianarin-Dranagnahary rozy iaby. Zay iaby nahajanjy voho nianatsy tamin'ny Baba ro mamonjy Gnahy. 46 Tsy nisy nahajery gny Baba , afa-tsy zay bakamin-Dranagnahary, ie ro nahajery gny Baba. 47 Resahako aminareo marina, la to tokoa , fa zay mino ro mana fiaigna mandrakizay . 48 Zaho ro mofon'ny fiaigna. 49 Gny Raibenareo nihina gny mana tagny agn'efitsy , sady maty rozy. 50 Toy ro mofo nizotso bakagny an-dagnitsy, mba tsy ho maty zay mihina amin'izay. 51 Zaho ro mofo velo nizotso bakagny an-dagnitsy . laha misy olo mihina amy toy mofo toy, la ho velo mandrakizay ie. Gny mofo zay hameako ro nofoko ho gnan'ny fiaignan'izao tontolo zao." 52 Niha-nasiaky reo Jiosy ka nanomboky nialy hevitsy, nanao hoe:" manao akory ro ahafahan'io johary io magnome gnantsika gny nofony hoany?" Sady hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" 53 Resahako aminareo marina, la to tokoa , fa laha tsy mihina gny nofon'ny Anak'olo nareo voho mino gny liony, la tsy hana fiaigna ao aminareo. 54 Ndra ia ia mihina gny nofoko voho mino gny rako la mana fiaigna mandrikay , sady hatsangako ie amin'ny andro farany. 55 fa gny nofo ro tena fihina, voho gny lioko ro tena finomy. 56 Zay mihina gny nofoko voho mino gny lioko ro mipetraky Amiko ao, voho Zaho aminy ao. 57 Manahaky gny nagnirahan'ny Baba velo Gnahy, voho manahaky gny hivelomako noho gny Baba, zay mihina Gnahy, la ho velo avao koa noho gny Amiko. 58 Toy gny mofo nizotso bakagny an-dagnitsy, tsy manahaky gny Raibe nihina ka maty. Zay mihina toy mofo toy la velo mandrakizay." 59 Fa jesosy nilaza reo raha reo tao amin'ny synagoga lafa nampianatsy tao Kapernaomy Ie. 60 Sady maro tamin'ireo mpianany zay nahare gnan'io ro nilaza hoe:" Fampianara sarotsy io; ia ro afaky hagnenky gnan'io?" 61 Jesosy , noho Ie nahay tao aminy fa nimonomono tamin'io reo mpianany, niresaky gnan-drozy hoe:" Matafitohy gnanareo va io? 62 Ka nagnino laha tokony hahajery gny Anak'olo miakatsy agny amin'ny nipetrahany taloha nareo? 63 Gny fagnahy ro magnome fiaigna; gny nofo tsy ahazoa na ino ino . Reo teny zay niresahako taminareo la fagnahy , sady fiaigna reo. 64 Mbo misy sasany aminareo tsy mino." Fa Jesosy fa nahay hatraminny voalohany zay tsy hino voho zay hamadiky Gnazy. 65 Hoy Ie hoe:" Nohon'io ro niresahako taminareo fa tsy misy olo afaky mamonjy Gnahy laha tsy namean'ny Baba Gnazy io." 66 Nohon'io , maro tamin'ireo mpianany ro lasa sady tsy niara-dia taminy sasy . 67 La hoy Jesosy tamin'ireo folo roamby lahy hoe:" tsy te andeha koa va nareo sa tsia?" 68 Sady Simona Petera namaly Gnazy hoe:" Tompo, ho agny amin'ia moa rahay? Iha ro mana gny safan'ny fiaigna mandrakizay, 69 sady nino rahay ka mamonjy mba hahay fa Iha ro gny Masin-Dranagnahary." 70 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" tsy Zaho va ro nifily gnanareo, folo roamby , sady gny raiky aminareo la devoly?" 71 Sady Jodasy anak'i Simona Iskariota ro resahany, fotony ie, gny raiky amin-drozy folo roamby, zay hamadiky gnan'i Jesosy.