Toko faha 5

1 Tafaran'io la nisy firavoravoany gny Jiosy, ka nandeha ho agny Jerosalema Jesosy. 2 Sady tagny Jerosalema agnilan'ny vavahadin'aondry, la nisy farihy , zay nikaihy taminy Hebreo hoe Betesda, sady misy fialofa limy io. 3 Maro gn'olo marary , jiky , malemy no tsy afa-mihetsiky niroro tao.( Fanamarihana:Gny antontan-taratasy taloha soa mare la mangalaky gny fehezanteny hoe:" Mandigny gny fihetsehin'ny rano") 4 ( fanamarihana : Gny antontan-taratasy taloha soa mare la mangalaky gny and.4 hoe:" Fa nisy anjelin'ny Tompo raiky nizotso ka nampihetsiky gny rano indraindary sady ndra ia ia nandroso nandeha tao lafa nihetsiky gny rano la janga tamin'ireo arety zay namparary gnazy ndra ino ino.") 5 Sady nisy johary raiky teo zay fa narary telopolo valoamby tao. 6 Lafa jerein'i Jesosy niroro teo ie, voho tafaran'ny nahatsapany fa fa an-tao maro ro teo ie, la hoy Ie tagnaminy hoe:" Ta ho janga va iha?" 7 Namaly gny johary marary hoe:" Tompoko, tsy mana gnania nia aho handroboky gnahy agnaty dobo lafa mihetsiky gny rano. Lafa mandeha aho, la misy misosoky alohako eo." 8 Hoy Jesosy tagnaminy hoe:" Mitsangana , andeso gny fandrianao , ka mandehana." 9 La tonga de janga gny Johary, ka nirambesiny gny fandriany la nandeha ie. Sady Sabata io andro io. 10 Ka hoy reo Jiosy taminy johary hoe:" Sabata gn'andro la tsy mahazo manday gny fandrianao iha." 11 Namaly ie hoe:" Gny nagnasitsana gnahy ro niresaky tagnamiko hoe:" andeso gny fandrianao ka mandehana." 12 Sady nagnontany gnazy rozy hoe:" Ia gny johary niresaky tagnaminao hoe:" Andeso gny fandrianao ka mandehana?" 13 Kanefa , gny janga tsy nahay Gnazy fotony niala moramora Jesosy fa nisy vahoaky tamy toera io . 14 Lafa bakeo, jerin'i Jesosy an-tempoly tao ie ka hoy Ie tagnaminy hoe:' Ingo, janga iha! Ka manota sasy, mba tsy hitranga agnaminao gny raha raty noho gny teo." 15 Bakeo la lasa ralehilahy ka nitatitsy tagnamin'ireo Jiosy fa Jesosy ro nagnasitsana gnazy. 16 Sady noho reo raha reo la nagnenjiky gnan'i Jesosy reo Jiosy, fotony nanao reo raha reo tamin'ny Sabata Ie. 17 Ka namaly gnan-drozy Jesosy hoe:" Gny Raiko la miasa egny ndra la amizao aza, sady Zaho , avao koa, la miasa." 18 Nohon'io, la vo maika nila hamono Gnazy reo Jiosy tsy nohon'ny faniratsirany gny Sabata avao, fa gny nikaihany gnan-Dranagnahary hoe Rainy manoka, manao gny vatany ho mindry amin-Dranagnahary. 19 Sady Jesosy namaly gnan-drozy hoe:" Rehafiko agnaminareo to, la to tokoa, fa Gnanaky la tsy afaky manao na ino ino ho Gnazy, afa-tsy zay jeriny ataony gny Ray avao, fa ndra ino ino ataony gny Ray, la ataony Gnanaky avao koa reo raha reo. 20 Fa gny Ray tia gnanaky ka nampiseho gnazy gny raha iaby zay nataony gny vatany, sady hampiseho gnazy raha bevata mandilatsy gnan'ireo Ie mba hahatseriky gnanareo. 21 Fa manahaky gny Ray mananga voho mamelo gny maty, la manahaky gnan'io avao koa ro amelomany Gnanaky ze tiany. 22 Fa gny Ray la tsy mitsara gnania nia, fa nameany gnanany gny fitsara iaby 23 mba hagnajan'ny iaby Gnanaky manahaky gny hagnajan-drozy gny Ray. Ze tsy magnaja gnanaky la tsy magnaja gny Ray nagniraky Gnazy. 24 Rehafikoko agnaminareo to, la to tokoa, fa zay mahaja gny safako voho mino zay nagniraky Gnahy la mana gny fiaigna mandrakizay ka tsy ho helohina, fa niala taminy gny fahafatesa ho amin'ny fiaigna ie. 25 Rehafikoko agnaminareo to , la to tokoa, fa avy gny lera, sady avy io amizao, lafa hahaja gny feon'ny Gnanakin-Dranagnahary gny maty, sady ho velo zay mahaja gnanio. 26 Fa manahaky gny Ray mana fiaigna agnaminy ao, ro nagnomezany gnanaky avao koa mba hanagnany agnaminy ao, 27 sady nameany Ray fahefa hitsara Gnanaky noho Ie Anak'olo. 28 Ka tseriky agnamin'io , fa avy gny andro haharezany gnolo iaby agny am-pasana gny feony 29 Ka hiboaky : reo zay nanao gny soa la ho agny amin'ny fitsan-gana ho amin'ny fiaigna, fa reo zay nanao gny raty koa la ho agny amin'ny fitsangana ho amin'ny fitsara. 30 Tsy afaky manao ino ino laha zaho avao. Araky zay jako , ro itsarako, sady gny fitsarako la to fotony tsy mila gny sitrapoko manoka Aho fa gny sitrapn'Ie zay nagniraky Gnahy. 31 Laha tokony hagnambara gny mahakasiky gny vatako Aho, la tsy to gny fagnambarako. 32 Misy raiky hafa zay magnambara gny mahakasiky Gnahy, sady haiko fa to gny fagnambara zay rehafiny mahakasiky Gnahy. 33 Nirahy tagny amin'i jaona nareo, ka nagnambara gny to ie. 34 Kanefa gny fagnambara zay rambesiko la tsy bakamy gnolo. Mirehaky gnan'io raha io Aho mba ho voavonjy nareo. 35 Jaona la jiro nirehitsy voho nagnazava, sady nareo nagniry gny hifaly tsy elatsela taminy gny fahazavany tao. 36 Kanefa gny fagnambarako la mbo bevata mandilatsy gnan'i Jaona, fa reo asa namean'ny Ray ho tanterahiko, reo asa zay ataoko reo, ro magnambara gny mahakasiky Gnahy fa nirahin'ny Ray Aho. 37 Gny ray zay nagniraky Gnahy mihintsy ro nagnambara Gnahy. Mbo tsy nabaja gny feony na nahajery gny tarehiny nareo. 38 Sady gny safany mbo tsy mipetraky agnatinareo ao, fotony tsy mino gny nirahiny nareo. 39 Mila gny Soratsy Masina nareo fotony heverinareo fa agnamin'ireo ro agnanareo fiaigna mandrakizay, sady reo Soratsy Masina reo avao ro magnambara mahakasiky Gnahy, 40 Kanefa tsy vonona gny hamonjy Gnahy nareo mba hanagnanareo fiaigna. 41 Tsy mandramby laza bakamy gnolo aho, 42 fotony haiko fa tsy misy fitiava gnan-Dranagnahary agnaminareo ao. 43 Avy agnamin'ny agnaran'ny Raiko Aho nefa tsy rambesinareo. Laha misy hafa avy amin'ny agnarany manoka, la ho rambesinareo ie. 44 Manao akory ro hinoanareo, nareo zay mandramby laza bakamin'ny olon-kafa kanefa tsy mila gny laza zay bakamin-Dranagnahary tokana? 45 Ka mieritseritsy hoe zaho ro hiampanga gnanare agnatrehan'ny Ray. Gny raiky miampanga gnanareo la Mosesy, zay nametrahanareo gny fanantenanareo. 46 Laha nino gnan'i Mosesy nareo ka tokony hino Gnahy koa , fotony nanoratsy gny mahakasiky Gnahy ie. 47 Laha tsy mino gny nisoratany nareo, la ataonareo akory ro hino gny safako?