Toko faha 9

1 Sady na la gny fanekea voalohany aza la nana fitsipi-pivavaha voho fitoera masy eto an-tany. 2 Fa nisy tabernakely zay namoniny. Gny efitsy voalohany, zay nisy gny fitoeran-jiro, gny latabatsy, sady gny mofon'ny fanatreha, la nikaihy hoe fitoera masy. 3 Ao ambaliky gny lamba faharoe la nisy efitsy raiky hafa, kinaiky hoe toera masy mare. 4 Nisy alitara volamena ho gnan'ny ditin-kazo magnitsy izay. Nisy gny fiaran'ny fanekea avao koa, zay rakotsy volamena tanteraky. Tao agnatin'izay la nisy siny volamena zay nisy gny mana, gny tehin'i Arona zay naniry, sady reo vato pisaky gny fanekea. 5 Egny agnabon'ny fiaran'ny faneka, la kerobima maro voninahitsy maro ro manaloky gny sarona fanarona, zay tsy afaky resahanay amin'ny antsipirihiny henanizao. 6 Lafa voahoma reo raha reo, la nilitsy tao amin'ny efitsy ivelan'ny tabernakely avao reo mpisoro mba hanao gny fanompoan-drozy. 7 Fa gny mpisoronabe avao ro nilitsy ndraiky mangeha isan-tao tao amin'ny efitsy faharoe, sady niaraky tamin'ny lio zay natolotsy ho gnan'ny vatany voho ho gnan'ireo fahota tsy ninian'ireo olo. 8 Nasehon'ny Fagnahy Masy fa gny lala magnao amin'ny toera masy mare la mbo tsy naseho laha mbo mitsanga gny tabernakely voalohany. 9 Izay la fanohara ho gnan'izao fotoa henaninzao. Reo fanomeza voho reo soro zay atolotsy henanizao la samby tsy afaky hahatanteraky gny fieretreretan'ny mpivavaky raiky. 10 Mifanto amin'ny hany voho raha inomy voho karazam-pomba filiova maro avao reo. Reo iaby reo la fitsipiky ho gnan'ny nofo iaby zay nomea mandra-pagnamboara gny fandamina vaovao. 11 Kristy la niavy manahaky gny mpisoronaben'ireo raha soa zay tonga. Nandeha tamin'ny alalan'ny tabernakely bevata mare voho lafatsy mare zay tsy nataon'ny tagnan'olombelo Ie, zay tsy an'izao tontolo voahary zao. [ Fanamariha: reo dikan-teny sasany la mivaky mahaky zao: " Jesosy la avy manahaky gny mpisoronaben'ireo raha soa zay ho avy.] 12 Tsy tamin'ny lion'ireo aosy lahy voho vantotr'aomby vavy izay, fa tamin'ny liony manoka zay nilitsy tao amin'ny toera masy mare ndraiky mandeha avao ho gnan'ny iaby sady niaro gny famonjeantsika mandrakizay. 13 Fa laha gny lion'ireo aosy voho reo aomby lahy sady gny fanondraha gny lavenokin'ny vatotr'aomby vavy eo amin'ireo zay najary maloto ro manoka gnan-drozy eo amin-Dranagnahary ho fanadiova gny nofon-drozy, 14 manao akory gny fihoaran'ny lion'i Kristy, zay nanolotsy gny Vatany tsy misy kilema ho an-Dranagnahary tamin'ny alalan'ny Fagnahy mandrakizay, hanalio gny fieretrehatentsika hiala amin'ny asa maty mba hanompoa gny Ndranagnahary velo? 15 Noho izay antony izay, la Ie ro mpanalala gny fanekea vaovao. Izay la, fotony nisy fahafatesa raiky niseho mba hagnafaky reo zay ambanin'ny fanekea voalohany amin'ny fahotan-drozy, la handramby gny fampanantenan'ny lova mandrakizay reo zay voakaiky. 16 Fa laha misy didim-panagna, gny fahafatesan'izay olo izay nanao izay la tsy maintsy voaporofo. 17 Fa lafa misy fahafatesa avao vao manan-kery gny didim-panagna, fotony tsy manan-kery izay laha toa ka mbo velo izay olo izay nanao izay. 18 Koa na la gny fanekea voalohany aza tsy natao laha tsy nisy lio. 19 Fa lafa nagnome gny lily iaby tao amin'ny lalagna tamin'ireo olo iaby Mosesy, la nangalaky gny lion'ireo aomby voho aosy, niaraky tamin'ny rano, volon'aondry jaky mena, voho hysopa ie, sady nanondraky teo amin'ny boky voho gny olo iaby. 20 Sady ie nivola hoe: " Toy ro lion'ny fanekea zay nandidian-Dranagnahary ho gnanareo." 21 Manahaky izay koa, la nanondraky gny lio teo amin'ny tabernakely voho reo fitoeran-jaha iaby hampiasa amin'ny fanompoa ie. 22 Araky gny lalagna, la saiky gny raha iaby ro voalio tamin'ny lio. Laha tsy misy fandatsahan-dio la tsy misy famelan-keloky. 23 Noho izay la nila gny tandindon'ireo raha agny an-dagnitsy mba ho voalion'ny soron'ireo biby reo. Na izay aza, reo rahany gny lagnitsy mihintsy ro nila niliovy tamin'ny soro soa mare. 24 Fa Kristy la tsy nilitsy tao amin'ny toera masy mare zay nataon'ny tagna, zay tandindon'izay raiky izay tena ie avao. Fa koa nilitsy tagny an-dagnitsy mihintsy Ie, mba hiseho eo amin'ny fagnatrehan-Dranagnahary ho gnantsika henanizao. 25 Tsy nandeha tao mba hanolotsy gny vatany imaro Ie, manahaky gny fataon'ny mpisoronabe, zay militsy ao amin'ny toera masy mare isan-tao niaraky tamin'ny lin'ny hafa. 26 Fa laha izay gny raha nitranga, la nila nijaly imaro nanomboky tamin'ny fanoregna zao tontolo zao Ie. Fa henanizao la ndraiky mandeha avao ro nampisehoa Gnazy mba hangalaky gny fahota amin'ny alalan'ny soron'ny vatany avao. 27 Fa natao ho maty ndraiky mandeha gny olo iaby, sady afaran'izay ro ho avy gny fitsara. 28 Manahaky izay avao koa, Kristy, zay natolotsy ndraiky mandeha mba hangalaky reo fahotan'ny maro, la hiseho fanindroany, tsy handraraha gny ota, fa ho gnan'ny famonjea reo zay miamby Gnazy amim-pahareta.