Toko faha 8

1 Sady gny fototsy gny raha ambaranay la zao: Tsika la mana mpisoronabe zay nipetraky teo an-tagnak'avanan'ny seza fiandrianan'ny be Voninahitsy agny an-dagnitsy. 2 Ie la mpanompo ao amin'ny toera masy, gny tabernakely to zay gny Tompo, fa tsy gny olo, ro nanory gnazy. 3 Fa gny mpisoronabe iaby la nitendreny hanolotsy fanomeza voho soro. Noho izay la ila gny mana raha ho atolotsy. 4 Sady teto an-tany Kristy, la tsy ho mpisoro akory Ie, fotony misy reo zay manolotsy fanomeza araky gny lalagna. 5 Rozy la manompo ao amin'ny tabernakely zay tandidona voho aloky gny raha agny an-dagnitsy. Izay la manahaky gny nampitandreman-Dranagnahary gnan'i Mosesy laha ie handeha hagnamboatsy tabernakely: hoy Ndranagnahary hoe: " Henteo mba ho ataonao araky gny modely zay fa naseho gnanao tegny an-tendrombohitsy gny raha iaby." 6 Fa henanizao Kristy la nandramby asa fanompoa soa lavitsy. Izay la noho ie mpanelanela avao koa amin'ny fanekea soa mare, zay mifototsy amin'ny fampanantena soa mare. 7 Fa laha tsy nanan-tsiny izay fanekea voalohany izay, la tsy nisy nila fanekea faharoe. 8 Fa lafa nahita tsiny tamin'ny olo Ndranagnahary, la hoy Ie hoe: " Ingo, ho avy gny andro__ hoy gny Tompo__ lafa hanao fanekea vaovao amin'ny olon'Israely voho gny olon'i Joda Zaho. 9 La tsy ho manahaky gny fanekea zay nataoko niaraky tamin'ny razan-drozy tamin'ny andro zay nitondrako an-drozy tamin'ny tanany hiala baka amin'ny tany Egypta izay. Fa rozy la tsy nitoetsy tao amin'ny fanekeko, sady Zaho tsy niraharaha gnan-drozy__hoy gny Tompo. 10 Fa zao ro fanekea zay ho hataoko amin'ny olon'Israely afaran'iregny andro regny__hoy gny Tompo. Hataoko ao an-tsain-drozy gny lalako, sady ho soratako ao am-pon-drozy avao koa. Ho Ndranagnaharin-drozy Aho, sady rozy ho oloko. 11 Rozy la tsy hampianatsy gny mpiara-monina sady gny rahalahiny avy, hivola hoe: ' Haiko gny Tompo.' Fa hahay Gnahy gny iaby, manomboky amin'ny kelikely mare ka hatramin'ny bevata mare amin-drozy. 12 Fa Zaho la hamindra fo amin'ny tsy fahamarignan-drozy, sady tsy hahatiaro reo fahotany sasy." 13 Amin'ny fivolagna hoe " vaovao", la nanao gny fanekea voalohany ho taloha ie, sady zay fa lany andro voho antitsy la fa mariny ho rava.