Toko faha 7

1 Melkizadeky izay, mpanjakan'i Salema, mpisoron-Dranagnahary Abo mare, zay nifanojy tamin'i Abrahama lafa nimpoly baka nandresy reo mpanjaka sady nitahy gnazy. 2 Ie ro nomen'i Abrahama gny ampahafolon'ny raha iaby. Gny agnarany hoe " Melkizedeka" la midika hoe " mpanjakan'ny fahamarigna." Gny agnarany hafa la "mpanjakan'i Salema", izay la: " mpanjakan'ny fiadagna." 3 Ie la tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy mana razambe, sady tsy mana fiantombohan'ireo andro sady tsy mana fiafaran'ny fiaigna. Fa koa, mitovy amin'ny Anakin-Dranagnahary ie, fotony mitoetsy ho mpisoro mandrakizay. 4 Henteo gny haben'io johary io. Gny razambentsika Abrahama la nagnome gny ampahafolon'ireo raha zay azony tamin'ny aoly. 5 Amin'ny lafiny raiky, reo anaky joharin'i Levy zay mandramby gny fisorogna la mana baiko baka amin'ny lalagna mba hamory gny ampahafolon-karena bakagny amin'ireo olo, zay la, avy amin'ireo, avao koa, la avy amin'ny vatan'i Abrahama. 6 Fa amin'ny lafiny raiky, Melkizedeka, zay tsy voasoritsy bakamin-drozy gny taranany, la nandramby ampahafolon-karena baka amin-Dranagnahary, sady nagnome tso-drano gnazy, gny raiky zay nana reo fampanantena. 7 Tsy misy fandava fa gny olo ambany mare la omen'ny olo ambony mare tso-drano. 8 Amin'izay tranga izay, gny olo mety maty la mandramby ampahafolon-karegna, fa amy toy tranga toy la voaporofo fa mbo velo ie. 9 Sady, amin'ny fomba firesaky, Levy, zay namdramby ampahafolon-kerena, la nandoa ampahafolon-karena tamin'ny alalan'i Abrahama avao koa, 10 fotony Levy la tao agnatin'ny vatany razambeny lafa nifanojy tamin'i Abrahama i Melkizedeka. 11 Henanizao laha azo atao amin'ny alalan'ny fisorogna levitiky gny fahatanteraha (fa tao ambanin'izay gny olo ro nandramby gny lalagna), la fiala mare ino ro maty nisy ho gnan'ny mpisoro hafa mba hitsanga araky gny fomban'i Melkizedeka, sady tsy rambesy araky gny fomban'i Arona? 12 Fa lafa niova gny fisorogna, la tsy maintsy hovana avao koa gny lalagna. 13 Fa izay raiky zay nivolagnany mikasik'ireo raha reo la gnan'ny foko hafa, zay tsy misy olo manompo eo amin'ny alitara mihintsy. 14 Fa mazava henanizao, fa avy amin'i Joada ro nahaterahan'ny Tompontsika, foko zay tsy nambaran'i Mosesy mihintsy gny mahakasiky reo mpisoro. 15 Zay ambarantsika la fa mazava mare laha mpisoro hafa mitsanga amin'ny endrik'i Melkizedeka. 16 Tsy baka amin'ny fototsy gny lalagnan'ny avorohotany gny nofo nahavy gnazy ho mpisoro, fa koa tamin'ny fototsy gny herin'ny fiaigna tsy mety rava. 17 Fa gny Soratsy Masy la mijoro vavolombelo mikasiky gnazy hoe: " Iha la mpisoro mandrakizay araky gny fomban'i Melkizedeka. 18 Fa nisy fanafoagna gny lily teo aloha fotony nalemy voho tsy nisy dikany izay. 19 Fa tsy raha nataon'ny lalagna tonga lafatsy. Nefa, misy gny fampilira fahatokia soa mare ho gnan'ny ho avy zay hamondreantsika an-Dranagnahary. 20 Tsy nitranga izay laha tsy nisy gny fandraisa fianiana. Amin'ny lafiny raiky, reo hafa reo la tonga mpisoro tsy nila fianiana. 21 Fa amin'ny lafiny raiky hafa, toy raiky toy, Jesosy, la tonga mpisoro tamin'ny alalan'ny fianiana nataon'izay nivola tagnaminy hoe: " Gny Tompo la niania sady tsy hiova amin'ny heviny hoe: 'Iha la mpisoro mandrakizay."' 22 Tamin'ny alalan'izay avao koa Jesosy ro nagnome antoky gny fanekem-pihavagna soa mare. 23 Amin'ny lafiny raiky, maro ro tonga mpisoro fotoa gny fahafatesa ro manaka gnan-drozy hanohy. 24 Amin'ny lafiny raiky hafa, fotony Jesosy mitoetsy mandrakizay, la mana fisorogna mandrakizay ie. 25 Noho izay ie avao koa la afaky mamonjy tanteraky reo zay mamonjy an-Dranagnahary amin'ny alalany, fotoa ie la miay avao mba hanelanela ho gnan-drozy. 26 Fa gny mpisoronabe manahaky izay la mety ho gnantsika. Ie la tsy manam-pahota, tsy manan-tsiny, malio, nisaraha tamin'ireo mpanonta, sady tonga ambony noho reo lagnitsy. 27 Tsy mila ie, tsy manahaky mpisoronabe reo, hanolotsy soro sanandro, gny voalohany ho gnan'ireo fahotany manoka, sady bakeo ho gnan'ireo fahotan'ny olo. Fa nanao izay ndraiky mandeha ho gnan'ny iaby ie, lafa nanolotsy gny vatany. 28 Fa gny lalagna manondro gny olo zay mana fahalemea ho mpisoronabe. Fa gny safan'ny fianiagna, zay avy tafan'ny lalagna, la nanendry Anaky johary, zay natao tonga lafatsy mandrakizay.