Toko faha 6

1 Noho zay, ndao hengantsika gny fiantombohan'ny hafatr'i Kristy ka handroso amin'ny fahamatora. Andeha tsika tsy hametraky ndraiky gny fototsy gny fibebeha noho'ny asan'ny maty voho gny finoa an-Dranagnahary, 2 na gny fototsy gny fampianara mikasikin'ny batisa, gny fametrahan-tagna, gny fitsanganan'ireo olo maty, sady gny fitsara mandrakizay. 3 Hanao izay avao koa tsika laha engan-Dranagnahary. 4 Fa tsy hay atao ho gnan'ireo ze fa nihazava ndraiky mandeha zay, ze nagnandra gny fanomeza bakan-dagnitsy agny, ze nandramby gny Fagnahy Masy, 5 sady ze nagnandra gny safa soan-Dranagnahary voho reo herin'ny vanim-potoa ho avy, 6 nefa bakeo la lavo__tsy hay atao gny mampimpoly gnan-drozy amin'ny fibebaha ndraiky. Zay la fotony nomboan-drozy ho gnan'ny vatan-drozy gny Anakin-Dranagnahary, sady nalany baraky ampahibemaso. 7 Fa gny tany ze misintsy gn'ora mateti-piavy ,amin'izay mamokatsy reo raha mitiry ilan'ireo olo ze niasa gny tany__ io ro tany ze mandramby fitahia baka amin-Dranagnahary. 8 Fa laha mamokatsy fatiky zay, la tsy misy ila gnazy sady fa agnilan'ny fanozogna. Gny fiafaran'izay la amin'ny fireheta. 9 Fa rahay la resy lahatsy gny amin'ireo raha soa mare mikasiky gnanareo, ry malala, laha zay mahakasiky gny famonjea, na la mivola manahaky izay aza rahay. 10 Fa Ndranagnahary la tsy mba tsy to ka hagnalino gny asanareo voho gny fitiava zay nasehonareo nohon'ny agnarany, fotony nareo la nanompo reo mpino sady mbo manompo gnan-drozy hatrany. 11 Magniry mare rahay mba haneho fahazotoa manahaky izay hatramin'ny farany gny kiraidraiky agnaminareo ho gnan'ny antoky gny fahatokia feno. 12 Izay la mba tsy ho lasa kamo nareo, fa ho mpangalaky ataky gnan'ireo zay mandova reo fampanantena amin'ny finoa voho fahareta. 13 Fa tamin-Dranagnahary nanao gny fampanantenany tamin'i Abrahama, la niania tamin'ny Vatany Ie, lafa tsy afaky niania tamin'ny olo bevata mare. 14 Hoy Ie hoe: " Zaho la hitahy gnanao vatany, sady tena hahamaro gnanao." 15 Tamin'izay fomba izay, la nahazo zay nampanantena tafaran'ny niandrasany tamim-pahareta Abrahama. 16 Fa gny olo la miainia amin'ny olo zay bevata kokoa noho gny vatan-drozy. Isakin'ny tapitsy gny fifamalian-drozy, la misy voady raiky natao ho fanamafisa. 17 Lafa nanapa-kevitsy gny hampiseho mazava kokoa tamin'ireo mpandovan'ny fampanantena gny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjony Ndranagnahary, la nomeany antoky tamin'ny voady izay. 18 Nataony izay mba ho amin'ny alalan'ny raha tsy azo ova roe__ zay tsy hain-Dranagnahary gny mavandy amin'izay__la hana fampahereze matanjaky mba hitandrahany mare gny fahatokia zay napetraky teo agnatrehantsika, tsika, zay nilay mba hana fialofa. 19 Mana izay toky izay tsika ho aro voho vatofantsiky azo hiankina ho gnan'ny fagnahintsika, fahatokia zay militsy ao amin'ny fitoera agnatiny ao ambaliky gny lamba. 20 Jesosy nilitsy tao amin'izay fitoera izay manahaky gny mpialoha lala ho gnantsika, ka tonga mpisoronabe mandrakizay magnaraky gny fomban'i Melkizedeka.